- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Asehon'ny Mpaka Sary Anao izany hoe Ahoana ny Mandeha Fiarandalamby Ao Singapaora Feno dia Feno izany

Sokajy: Azia Atsinanana, Singapaoro, Hevitra, Mediam-bahoaka, Saripika, Tsidika

transit photos [1]Hatramin'ny 2011, ny mpakasary Edwin Koo no nanapika ny sarin'ireo [2] mpandeha ny MRT (ny “Mass Rapid Transit” na Fifindran'ny Vahoaka Malaky) ao Singapaora “handokoana ny sarintava miaraka ao amin'ny fiaraha-monina”

Ny tena miavaka dia ny “fanapihany ny mpitranga isan'andro eo anoloan'ny varavaran'ny fiaran-dalamby” izay anerena ny olona “hisisika” nohony fahamaroan'ny olona ao amin'ny fiaran-dalamby. Tokotokony ho 2,8 tapitrisa ny mpandehan'ny MRT ary maro amin'izy ireo no efa nangataka [3] tamin'ny governemanta mba hanatsarana ny raharahan'ny [4] fiaran-dalamby.

I photographed [5] people who were forced to the edge of the train doors to show how dire the situation was. These photographs were born from a sense of frustration and alienation.

The crowded trains presented an ever-changing theatre each time the doors opened and closed, revealing interesting protagonists, diverse lives and a myriad of emotions. The camera gave me a chance to see what my eye would have missed – a collective portrait of Singapore, always in transit.

Naka ny sarin'ireo olona izay asisika eo amin'ny varavaran'ny fiaran-dalamby aho hampisehoana ny fihenjanan'ny toe-draharaha. Ireo sary ireo dia teraka tamin'ny likiliky sy ny ‘fanandevozana”.

Tsy mitsaha-miova ny tranga asehon'ny fiaran-dalamby isaky ny misokatra na mikatona ny varavarana, mampiseho ireo mpandray anjara mety hahaliana, fiainana isan-karazany ary taranjam-pihetsehampo. Asehon'ny fakantsary ahy ny mety ho tsy tsipalotry ny masolo – sarintava iraisan'i Singapaoro, tsy mitsaha-mifindra.

Nanazava [6] i Edwin hoe nahoana izy no nipika sarin'olon-tsy fantatra ary niangavy ireo namana mpiara-mifindra aminy halala-tsaina :

This is the nature [7] of the project: candid, transient, no encore, no recourse – until now. All the photographs made are, in one way or another, you and me. We are all commuters, all 2.8 million of us.

…the photos of Transit are not acts of self-gratification, not weapons of malice, and definitely not tools of instantaneous incrimination. They are a collective portrait of the society that we live in today.

Izay no natioran'ny tetikasa: bodo, miserana, tsy miverina indroa, tsy averina indray – hatramin'izao. Ny sary vita, na amin'ny lafiny iray na amin'ny lafiny hafa, dia izaho sy ianao.Mpifindra avokoa isika rehetra, ny 2,8 tapitrisa amintsika.

…Sarim-pifindrana tsy natao ho fankaherezan-tena, tsy fiadian'ny fanaovan-dratsy,ary tsy fitaovana fimenomenonana eo noho eo. Sarintava iraisan'ny fiaraha-monina iainantsika ankehitriny ireo.

Indreto ny sary sasantsasany amin'izay navoakan'i Edwin tao amin'ny Facebook:

singapore train [8]

transit singapore [9]

transit [10]

transit photo [11]

commuter train [12]

Hatambatra ao amin'ny boky iray mitondra ny lohateny hoe Transit [fifindrana] hivoaka amin'ity herinandro ity ny sarin'i Edwin. Nanome antoka ny mpamaky izy fa tsy haka tombombarotra amin'ny boky.

Ny sary rehetra dia avy amin'i Transit [2], nahazoana alalana. Mety ho esorina ny sary sasantsasany raha takian'ny mpandeha |mpifindra] MRT izany.