Herintaona teo izay no nahitàna mpianatra vavy iray 19 taona, camila Duishebaeva hita faty teny akaikin'ny fasàna manodidina ny Bishkek.
Nosokafàna ny fanadihadiana kanefa mbola tsy nahitàna valiny mihitsy. Zatovo lahy iray akaiky an'ilay Lohandohan'ny mpisorona ara-politika ao Azia afovoany no isan'ireo olona nahita azy velona farany. Ny kaonty Whatsapp an'i Duishebaeva, izay tsy nandeha kely avy eo nandeha ndray hatramin'izay nahafatesany izay, no tena iompanan'ny resaky ny mpanao gazety ao an-toerana, mpanao gazety izay mangataka indrindra ny fandraisan'ny fanjakana ny andraikiny. Nilaza ireo mpitsikera ny fampiharana ny lalàna fa ny kolikoly sy ny kiantrano an-trano no nanembatsembana iny raharaha iny.
Ny 17 Marsa, niteraka fanehoan-kevitra maro be mihitsy ilay vaovao tamin'ny fotoana voalohany nahitàna an'i Duishebaeva nitsirara tamin'ny tany teo akaikin'ilay fehin-tendany fotsifotsy. Ny 10 Martsa, nampiasa ny VKontakte sy ny tambajotra Rosiana hafa ireo fianakaviany hampahafantarana ny tsy fahtàna azy. Iray volana taorian'izay, nanao fanambaràna ilay Minisitry ny Filaminana Anatiny teo aloha Abdula Suranchiev, fanambaràna izay tena naharomotra ny fianakavian'ilay zazavavy tokoa tamin'ny fandàvany fa tsy famonoana an-kitsirano no nihatra tamin'i Duishebaeva sy ny nilazàny fa ” manana fitondrantena tsy mendrika io tovovavy io”.
Forensics kosa nanasokajy iny ho toy ny famonoana tamin'ny alalan'ny fanasemporana.
Ny alina talohan'ny nanjavonany, hita niaraka tamin'ny namany iray tao aminà toeram-pisotroana kafe iray tao afovoan-tanàn'i Bishkek i Duishebaeva. Nilaza ilay naman'i Duishebaeva fa tsy ampy ny vola nandoavan'izy ireo ny sakafo laniny, ka izany no nahatonga an'i Duishebaeva hanapa-kevitra hiantso olona iray 52 taona antsoina hoe Kaly Salyanov, “procureur” an'i Kyrgyzstan teo aloha, fianakavian'i Aida Salyanova, izay tonga nandoa ny maribola lany, talohan'ny nanaterany ilay namany ary avy eo nitondrany an'i Duishebaeva tany aminà toeram-pandihizana iray iny alina iny.
Araka ny fitantaran'ny rahavaviny, “tsy nahazo aina mihitsy” i Duishebaeva nody tao an-trano, ary nandany ny maraina tontolo teo am-baravaran-kely lasa saina. Nivoaka ny trano izy ary tsy hita intsony avy eo.
Raha tsy nahitàna porofo mivaingana aza hiampangàna an'i Salyanov amin'ilay vono olona, ny fahitàna lahy antitra — izay tsy fantatry ny fianakaviana Duishebaeva akory — dia efa ampy niahiahiana azy , indrindra eo aminà firenena malaza maro lahy antitra miantoka ny fandanian'ny tovovavy iarahany. Misy rakitsary malaza mitantara izany mihitsy aza ao Uzbekistan mpifanolobodirindrina aminy, manasongadina an'ilay Uzbek “rapper Radius 21″. Manana olon-tiana any Kazakhstan ihany koa i Duishebaeva izay tsy heverina ho meloka.
Toy izao ny fambaran'i Salyanov tamin'ny polisy :
Вечером 9 марта я с друзьями был в бане. Примерно в 10 часов ночи мне позвонила Камила, сказала: Калыбек байке, мы задолжали в кафе, не могли бы вы одолжить тысячу сомов”. Я сказал, что не могу, сижу с ребятами, но она настойчиво продолжала звонить – семь-восемь раз. Я не смог отказать и поехал в кафе вместе с другом, экс-губернатором Нарынской области. После того как мы расплатились, девушки попросили их подвезти. Мы довезли Гульнизу до дома, после чего Камила попросила оставить ее возле кафе “40х40″. Высадив ее там, мы с другом поехали домой. Дома я встречал своего друга, пришли также герои 7 апреля, а 10 марта мы с Осунбеком Жамансариевым уехали в Джумгал. В тот день нас не было в Бишкеке, этому есть доказательства, есть показания свидетелей.
Ny harivan'ny 9 Marsa, niaraka tamin'ny namako aho tao amin'ny “sauna”. Nanodidina ny tamin'ny 10 ora alina teo no niantso ahy i Camilla ary nilaza hoe : Kalybek baike (zoky lahy) hananan'ilay toeram-pisotroana kafe vola izahay, afaka mampindrana anay ve enao [15 dollars]? namaly aho hoe tena tsy afaka aho, nipetrapetraka niaraka tamin'ireo namako aho, kanefa mbola niantso ahy foana izy, efa im-pito sa im-balo (7-8). Tsy afaka nandà aho, ary dia tonga tany niaraka tamin'ilay namako. Governora teo aloha tao Naryn . Taorian'ny nandoavanay ilay vola, nangataka ny haterina any an-tranony izy ireo. Naterinay tany an-trano [ilay naman'i Camilla], avy eo dia nilaza taminay i Camilla hoe hajanona tsy lavitra ny 40×40 [Kafe iray hafa]. Nametraka azy tao izahay ary nandeha nody. Tany an-trano indray , nihaona tamin'ny namako hafa sy ireo maherifo [ revolisiona faharoa an'i Kyrgyzstan] aho; ny 10 Marsa indray, niaraka tamin'i Osunbek Jamansariev tany Dzhumgal. [Ny andro nahafatesan'i Camilla ] Tsy teto Bishkek izahay, ary misy vavolombelona afaka hanaporofo izany.
Ny fitsaran'ny hevitry ny olona
Ao anatin'ny fisaonana ny fianakaviana, nampanahy be ny olona ny fijoroana vavolombelona nataon'Ingahy Salyanov. Misy ihany ireo olom-bitsy milaza fa fampielezankevitra politika ho entina hanimbana an'ingahy Salyanova iny resaka fahafatesana tovovavy iny, Salyanova izay vao nametra-pialana tamin'ny toerany mba hahafahany manao fampiezankevitra amin'ny fifidianana solombavam-bahoaka Kyrgyzstan.
Tao amin'ny vb.kg, vohikalam-baovao ao Kyrgyz, ireo lahatsoratra mikasika iny vono olona iny no tena isan'ireo malaza be nivoaka :
Скорей всего было изнасилование, затем чтобы скрыть происшедшее,кто-то был вынужден устранить потерпевшую! Не верю в дружбу молодой девушки и пожилого мужика!
Tombanana ho fanolanana no nahafaty azy, ary ho fanafenana ny zava-nitranga tamin'io, dia tsy maintsy novonoin'ilay olona ilay niharan'ny fanolanana. Tsy mino ny finamànana eo aminà lahiantitra iray sy tovovavy iray aho.
эта история открывает нам страшную реальность современного Кыргызстана. Когда девушки одиноки и ищут утешение в увеселительных местах, когда молодежь без денег, когда есть “неприкасаемая элита”, когда жизнь человека стоит 1000 сом, когда байманапство затмевает справедливость.
Mampiseho antsika ny lafy ratsin'ny tena zava-misy ao Kyrgyzstan iny raharaha iny. Irery tsy manana olon-tiana ny tovovavy any ka dia mitady hafanana anaty alim-pandihizana, misy ao ireo tanora tsy misy vola, ireo “sangany tsy azo kitikitihna”, afoy mora foana [$15] ny aina ao, ao koa no ahitàna ny fitsaràna resin'ny kobaka am-bava mba hahazoana namana.
салянова и глава мвд с нарына, так что “ищите ветер в поле”… жаль девушку, только жизнь начиналась.
Salyanova sy ilay lehiben'ny polisy [teo aloha ] Naryn, mirary anareo hahavaha io olana iray io. Malahelo ilay zazavavy aho, mbola vao nanomboka ny fiainany.
Соболезную родителям. То что произошло, конечно, увы не исправить, страшно за своих детей. Сейчас время тяжелое, люди озверели, пропало чувство жалости, уважения друг другу. Смотрите за детьми, особенно в такой подростковый период. Девочки, имейте чувство гордости, не позволяйте себе вести неправильный образ жизни.
Mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviany. Tsy afaka manova ny lasa isika. Matahotra ny amin'ireozanako aho. Fotoana sarotra izao, niova ny olona, efa tsisy fitserana izany intsony, na ny fifanajàna. Araho maso ny zanatsika, indrindra rehefa eo amin'ny fotoana maha-zatovo azy ireo. Ry zazavavy manàna izay mampirehareha, ary aza mety hitondra tena amin'ny ratsy.
наше имя Камила Дуйшебаева
— Х.М.Гейне (@holy_gane) December 19, 2014
Camilla Duishebaeva no anaranay
Misterin'ny WhatsApp
Mety efa nihena ny fanarahan'ny olona iny raharaha iny, raha tsy ny kaonty WhatsApp an'i Duishebaeva no namerina izany indray. Araka ny voalazan'ny polisy, efa voafafa ireo hafatr'i Duishebaeva tao amin'ny WhatsApp tamin'ny fotoana nahitanà mpiasa iray mpandroaka fako avy ao kaominina ny findainy tamin'ny taona lasa, kilometatra maro lavitry ny nahitàna ny nofo mangatsikany. Nandeha hatrany ny kaontiny hatramin'ny volana May avy eo dia tsy hita tanteraka ary niverina hita indray — ahitàna hetsika — ny volana Febroary tamin'ity taona ity.
Nanasa ireo avy ao Malezia hiara hiasa aminy mihitsy ny mpanao fanadihadiana tao Kyrgyz hikaroka ny tena zava-nisy marina, kanefa toa very maina. Noho ny fahabetsahan'ny hafatra ifandefasana isan'andro, dia mamafa matetika ny hafatra ao ao anaty lohamiliny ny WhatsApp. Io no niheverana fa nahavery ny porofo mikasika ny raharaha Duishebaeva.
Mandritra izany fotoana izany, vao mainka nampidina ho ambany kokoa ny fahatokisan'ny olona ny governemanta iny raharaha iny. Raha tsy nisy afaka nanao famintinana hentitra mikasika iny aza, dia resy lahatra ny olona fa tsy famonoana olona tsotra fotsiny iny.