Mbola Any Am-pialokalofana Ilay Pakistaney Mpanoratra Gazety sady Bilaogera, Herintaona Taorian'ny Fanafihana Mahery Setra

Raza Rumi (farany havanana) nandritra ny hetsika tao Washington DC, taorian'ny famonoana ilay bilaogera Bangladeshita Avijit Roy. Sary navoakan'i Raza Rumi tao amin'ny Twitter.
Manamarihana ny tsingerintaona voalohany nanafihana ilay bilaogera Pakistaney sady mpaneho hevitra ara-politika malaza Raza Rumi ny 28 Martsa. Efa mpkambana tato amin'ny Global Voices i Rumi, nampidirina tao anatin'ny lisitra maintin'ny Talibana izy taorian'ny fanoherany ny firesahan'ny governemanta filaminana tamin'ny vodrona mpikomy tamin'ny taona 2014. Noraisin'ny hafa ho toy ny manohitra ny Islama ny fomba fijeriny mahay mandanjalanja. Raha nanomboka nitifitra ny fiaran'i Rumi tao amin'ny tsenan'i Lahore ireo lehilahy roa nitam-piadiana, namoy ny ainy ny mpamiliny 25 taona sady filazàny ny tsiambaratelony. Nankany Etazonia avy eo i Rumi fotoana fohy taorian'izay, noho ny fandrisihan'ny fianakaviany sy ny namany.
Nisambotra olona enina voarohirohy tamin'ny fanafihana avy eo ny polisy ao Lahore. Nitatitra ny manampahefana fa niaiky sy nanao fanambarana milaza fa mpikambana ao amin'ny sekta voarara Lashkar e Jhangavi na LeJ, iray amin'ireo fikambanana mpikomy Sonita maherisetra indrindra ao Pakistan izay efa nandray anjara tamin'ny famonoana sektariana isan-karazany ireo olona voarohirohy enina ireo. Mialokaloka any Etazonia amin'izao fotoana izao, niresaka tamin'ny Global Voices i Rumi:
I believe that these men are unlikely to be convicted or to serve significant jail time. But no matter the outcome of the case, I believe that I am likely to be attacked by these terrorist organizations as they are operating with impunity and have thousands of members across the country.
Mino aho fa mety tsy ho voaheloka na hahazo sazy an-tranomaizina henjana akory ireo lehilahy ireo. Saingy tsy maninona izay hitranga eo, mino aho fa mety hotafihan'ireo fikambanana mpampihorohoro aho satria tsimatimanota sy manana mpikambana an'arivony manerana ny firenena izy ireo.
Mihevitra izy fa mbola marefo (mora iharan'ny fisamborana): “Raha tsy manomboka manafoana ny foto-drafitrasan'ny mpampihorohoro ny governemantan’ ny Pakistana, mino aho fa hijanona ho ambony sy atahorana hatrany ny mahamampidi-doza ahy.”
Araka ny tatitry ny media, tsy voampanga noho ilay raharaha fanafihana ny lehiben'ny LeJ, Malik Ishaq, ary navotsotry ny polisy tamin'ny fitànana azy. Hoy i Rumi tamin'ny Global Voices:
Given Malik Ishaq’s connection to my case, knowing that Ishaq has been able to orchestrate assassinations and terrorist attacks—even from behind bars, and hearing that Ishaq has recently been bailed out/released, I am extremely fearful for my safety in the event I were to return to Pakistan.
Mikasika ny fifandraisan'i Malik Ishaq amin'ny raharaha mahakasika ahy, fantaro fa nahavita nanatontosa famonoana olona sy fanafihan'ny mpampihoroho i Ishaq – na dia niakatra fitsarana aza, ary ny fandrenesana fa navotsotra vao haingana i Ishaq, dia tena matahotra mafy amin'ny fiarovana ahy rehefa hiverina any Pakistana aho.
Fandrahonana avy amin'ny Vondrona Media Sosialy Talibana
Na dia efa mialokaloka any Etazonia aza i Rumi, mbola mahazo fandrahonana an-tserasera foana izy. Taorian'ny fanafihana tamin'ny Novambra 2014 tao amin'ny sisintany andrefan'i Pakistana Wagah miaraka amin'i India izay namoizana ain'olona 50 sy naratra maherin'ny 100, nilaza fa tompon'andraikitra tamin'ny fanafihana i Jamat ul Ahrar avy ao amin'ny Taliban. Raha nahare izany i Rumi, dia nisioka momba izany. Nahita ny siokan'i Rumi ny mpitondratenin'i Jamat ul Ahrar, Ehsanullah Ehsan, mpitondratenin'ny Talibana teo aloha fantatra amin'ny fahavitrihany ao amin'ny media sosialiny ka namaly hoe:
@Razarumi, raha mbola velona ianao, dia fantaro fa mbola tadidinay tsara ianao”. Hoy i Rumi tamin'ny Global Voices, “nanamafy ny tahotro izany fa mbola mikasa hamono ahy ny vondrona mpikomy raha miverina any Pakistan aho.”
Nahazo hafatra hafa milaza ny fihetseham-pon'i Ehsan ihany koa i Rumi. Tamin'ny volana Septambra lasa, mpisera Twitter* iray nampitandrina an'i Rumi: “Tsy ho adino satria nahoana, notafihana [izy] ary noho izany tsy hamindra fo izy ireo amin'ny manaraka”
Voampanga ho Mpiasan'ny RAW
Voampanga matetika ao amin'ny media sosialy ho mpitsikilon'ny sampam-pitsikilovan'ny governemanta Indiana fantatra amin'ny hoe Research and Analysis Wing (RAW) i Rumi. Ao Pakistan, mitovy amin'ny fiampangana ho mpamadika izay mety hanamarinana vono olona ny fiantsoana olona ho mpiasan'ny “RAW”
Tamin'ny 29 Aogositra 2014, nahazo hafatra tao amin'ny Twitter i Rumi * izay nilaza fa tokony hahantona (hovonoina ho faty) izy. Hoy ny vakin'ny sioka:
U SON OF A WHORE, I KNOW UR SON OF WHORE STOP SERVING UR $$ MASTERS, BASTARD U SHOULD B HANGED TRAITORS LIKE U WILL B SOON.
IANAO RY ZANAKA LAHIN NY MPIVARO-TENA, FANTATRO FA NIJANONA TSY NANOMPO NY TOMPONAO $$ INTSONY IANAO ZANAKALAHIN'NY MPIVARO-TENA. TOKONY HAHANTONA NY MPAMADIKA TAHAKA ANAO, ANJARANAO NY ATSY HO ATSY.
Nitatitra i Rumi fa mpisera Twitter* iray hafa koa nilaza fa “nanantena izy fa mety hovonoina amin'ny fanafihana famonoan-tena ataon'ny Al Qaeda aho” rehefa nilaza izy fa tsy India izany, fa vondrona telo miaraka amin'ny Taliban izay tompon'andraikitra tamina fanafihana iray.
Maniry mafy isan'andro hiverina sy handehandeha an-kalalahana ao an-dalamben'i Lahore i Rumi, saingy ao anatin'izany, raiki-tahotra amin'izay mety hitranga aminy raha miverina izy. Ary ampahatsiahivina azy foana ireo fandrahonana ao Pakistan. “Nampitandrina ahy daholo na mpanoratra gazety sasany, ny namako, sy ny fianakaviako fa mino izy ireo ho hampijaliana sy hovonoina ho faty aho raha miverina.” Na dia lavitra aza, manohy ny tolony manohitra ny extremisma sy mampiroborobo ny fiarahamonina misokatra sy mahalefitra i Rumi.
* Fanamarihan'ny mpamoaka lahatsoratra: Nozarain'i Raza Rumi tamin'ny Global Voices ny pikantsarin'ireo sioka voalaza ireo. Noho ny antony fiarovana azy, tsy havoakanay ireo sary na ny anaran'ireo mpandefa izany.
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...