- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iza No Namono an'i Nemtsov? Ireo Mpitandro Filaminana Tchéchène Sa Ny An'ny Kremlin?

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Mediam-bahoaka, Akon'ny RuNet
Images edited by Kevin Rothrock.

Sary nataon'i Kevin Rothrock.

Niampànga lehilahy roa ireo tompon'andraikitra Rosiana, tamin'ny famonoana an'i Boris Nemtsov, ary nampiditra am-ponja olona telo hafa noho iny famonoana iny ihany. Noterena handeha ary nanao tànana ivoho daholo izy dimilahy ireo nankao amin'ny efitra fitsaràna tao Moscow ny Alahady 8 Martsa, samy avy any Tchéchène daholo, araka ny tatitry [1] ny Reuters. Ilay lehilahy faha-enina notadiavina mikasika io raharaha io, araka ny hita dia nanapoaka tena tamin'ny grenady teny aminy ihany raha nikasa ny hisambotra azy ireo mpitandro filaminana tao Grozny, renivohitr'i Tchétchènie.

Zaur Dadayev, ilay voalohany indrindra noahiahian'ny mpitandro filaminana, dia fantatra fa kaomandy lefitry ny andianà mpitandro filaminana Tchétchène taloha, tao amin'ny Minisiteran'ny Atitany. Ao amin'ny Instagram izay sehatra media sosialy tiany indrindra, manoratra [2] i Ramzan Kadyrov, lehiben'ny Tchétchène, milazalaza an'i Dadayev ho olona fantatra ho “miaramila tsy misy tahotra na inona na inona no sady sahy” ary “olona tena tia tanindrazan'i Rosia”:

Басманный суд Москвы санкционировал арест Заура Дадаева, подозреваемого в причастности к убийству Бориса Немцова. Я знал Заура, как настоящего патриота России. Он с первых же дней создания полка, входящего в состав 46-го ОБРОН ВВ МВД РФ, служил в нём. Имел звание “лейтенант”. Занимал должность зам. командира батальона. Заур был одним из самых бесстрашных и мужественных военнослужащих полка. Он особенно отличился в бою вблизи Беноя, когда проводилась спецоперация против крупной банды террористов. Награждён орденом Мужества, медалями “За отвагу”, “За заслуги перед ЧР” и Благодарственным письмом Главы ЧР и др. Я твёрдо убеждён, что он искренне предан России, был готов отдать за Родину жизнь. Мне непонятны истинные причины и мотивы увольнения Заура из рядов ВВ МВД России. Говорят, объяснял болезнью матери. СМИ передают, что Заур в суде подтвердил свою причастность к убийству Бориса Немцова. Все, кто знает Заура, утверждают, что он является глубоко верующим человеком, а также, что он, как и все мусульмане, был потрясен действиями Шарли и комментариями в поддержку печатания карикатур. Я поручил секретарю Совбеза ЧР Вахиту Усмаеву провести тщательное расследование обстоятельств увольнения Заура, изучить его поведение, настроение перед уходом со службы. В любом случае, если суд подтвердит вину Дадаева, то, убив человека, он совершил тяжкое преступление. Но хочу снова отметить, что он не мог сделать и шага против России, ради которой многие годы рисковал собственной жизнью. Таким же храбрым воином был и Беслан Шаванов, погибший накануне при попытке задержания. Мы верим, что будет проведено тщательное расследование, которое покажет, действительно ли виновен Дадаев и, что на самом деле послужило причиной его поступка.  #Кадыров #Россия #Чечня #МВД

Tsy nankasitraka ny fisamborana an'i Zaur Dadayev, izay noahiahiana ho tafiditra tamin'ny famonoana an'i Boris Nemtsov, ny fitsaràna Basmanny ao Moscow. Fantatro amin'ny maha-olona tia tanindrazana ao Rosia i Zaur. Nanomboka ny andro voalohany nisiany, Niasa tao amin'ny andiany faha 46 mpiaro ny Ministeran'ny Atitany izy. Nitondra ny grady “lietnà” izy, ary niasa ho kaomandy lefitry ny vondrona. Iray tamin'ireo miaramila tsy misy tahotra ary mahery saina indrindra tao amin'ny andiany nisy azy i Zaur. Niavaka tokoa tamin'ny nataony izy tamin'ny ady tany akaikin'i Benoy, nandritra ny ady manokana nanoherana vondrona mpampihorohoro iray lehibe. Nahazo ny Maripankasitrahana Mahery Fo izy, medaly “Ho an'ny Maha izy azy” ary “Ho an'ny Asa Nataony Ho an'ny Repoblika Tchétchène,” ary taratasy fankasitrahana avy tamin'ny lehiben'ny Repoblika Tchétchène sy ny maro hafa.

Resy lahatra tanteraka aho fa nanokan-tena tanteraka marina ho an'i Rosia izy, ary tena nahasahy nanolotra ny ainy ho an'ny Fireneny. Tsy fantatro ireo antony marina sy nahatonga ny fanalàna an'i Zaur tamin'ny asany, saingy reko hoe noho ny tsy fahasalaman'ny reniny. Nitatitra ireo media fa niaiky ny fandraisany anjara tamin'ny famonoana an'i Boris Nemtsov i Zaur. Afaka manamafy daholo ireo rehetra mahafantatra an'i Zaur fa olon'ny finoana tokoa izy, ary sahala amin'ireo Silamo rehetra, dia tohina tamin'ireo zavatra nataon'ny Charlie [Hebdo] sy ireo fanehoan-kevitra manohana ny fanontàna ireny saritatra ireny izy.

Nilaza tamin'i Vahit Usmaev, sekreteran'ny Filankevi-pilaminana Tchétchène aho, mba hanao fanadihadiana lalina momba ny fanalàna an'i Zaur tamin'ny toerany, tafiditra ao ny fijerena ny fitondrantenany ary ny hasosorany na hafaliany talohan'ny nialàny tamin'ny toerany. Amin'ny lafiny rehetra, raha toa ka voamarin'ny fitsaràna ny maha olo-meloka an'i Dadaev, dia tena nanao heloka bevava izy izany, namono olona. Fa tiako tsipihana eto indray fa tsy nahavita nanangana ny rantsany iray akory izy hoe hanohitra an'i Rosia, firenena izay nanolorany ny ainy nandritra ny taona maro. Azo lazaina ho mpiady tena mahery fo i Beslan Shavanov, izay maty nandritra ny fikasàna hisamborana azy. Mino izahay fa hisy fanadihadiana lalina hampiseho ny mety maha olo-meloka na tsia an'i Dadaev, ary hahafantatra ny anton'ireo fihetsiny. #Kadyrov #Rosia #Tchétchènie #MinisitrynyAtitany

Nanampy tamin'ny fielezan'ny hevitra hoe hetsiky ny Silamo mahery fihetsika ilay famonoana ireo fanehoan-kevitr'i Kadyrov ireo, mba entina hamaliana faty ny fanohanan'i Nemtsov ny Charlie Hebdo, ilay gazetiboky Frantsay manesoeso, voatafika ny volana Janoary, noho ny fanontàna sariitatra mampiseho ny Mpaminany Mahomet.

Tafiditra tao anatin'ireo vinavina rehetra nalefan [3]‘ireo mpiandraikitra Rosiana io mety ho antony io, taoriana kelin'ny famonoana an'i Nemtsov, na tsy mbola nisy aza zavatra voalaza ofisialy momba ny mety ho nanosika an'i Dudayev sy ireo mpiray tsikombakomba taminy.

Kanefa, olona maro henoin-teny no naneho haingana ny tsy finoany ny mety hampitombina io resaka mandeha io.

Ao amin'ny Twitter, nandefa siosio ilay vohikala [4] malaza nasiônalista Sputnik & Pogrom, fa mety ho i Kadyrov tenany mihitsy no ao ambadik'io famonoana an'i Nemtsov io:

“Mety tsy isalasalàna hoe novolavolain'ny mpitandro filaminana tandrefana ny famonoana an'i Nemtsov, izy ireo izay mikatsaka fatratra hanely korontana anatiny ao Rosia amin'ny fomba rehetra azony atao” – R. A. Kadyrov [resaka nataon'i Kadyrov vao haingana]

“Tsy ‘Tandrefana'isika, ‘Tavaratra’ isika!” – Zaur Dadayev, kaomandy lefitra teo aloha tao amin'ny andianà polisy Tchétchène “Avaratra”.

Toa tsy resy lahatra ihany koa ireo lohandohan'ny antoko politika mpanohitra ao Rosia.

Tao anatin'ny lahatsoratra lava sady be resaka tamin'ny LiveJournal, nanao ilay “antony noho ny finoana Silamo” ho “tsy mitombina” ny mpitsikera an'i Poutine sady Minisitra lefitra teo aloha nisahana ny angovo, Vladimir Milov, nanamafy fa “toy ny entina hanaovana resaka fotsiny io zato isan-jato io.” Nanoratra [7] izao i Milov:

Никакого серьезного мотива убийства чеченцами до сих пор не предъявлено. “Исламский вопрос” – глупость. Немцов всегда очень осторожно высказывался об исламе, когда мы, некоторые его коллеги, состоявшие в одних и тех же с ним оппозиционных организациях, высказывались не в пример жестче – он всегда нас одергивал, говорил, что надо быть толерантными, в том числе и упоминал о том, что у него есть близкие родственники – мусульмане (обойдемся без подробностей). Немцову невозможно пришить “исламофобию”. Вот его пост, написанный по мотивам расстрела редакции Шарли Эбдо [8] – вполне себе травоядный. Хотя не исключено, что именно после этого его поста была отдана команда разрабатывать операцию прикрытия убийства по “исламской тематике”. Никаких конфликтов между Немцовым и мусульманами никогда не было. 

Tsy nisy antony matotra nambara ho nanosika ny Tchétchène mba hanatanteraka ilay famonoana. Tsy mitombina ny hoe “antony noho ny finoana Silamo”. Fatra-panaja ny Silamo foana hatrizay i Nemtsov, ary rehefa maneho fihetsika hafahafa izahay—ny sasany amin'ireo mpiara-miasa aminy ao amin'ny fikambanana mpanohitra— dia nosintoniny haka sisiny hatrany, nilazàny fa tokony hahay handefitra isika, ary nambarany fa misy Silamo ireo havany akaiky (afaka tohizantsika tsy asiana andinindininy izany). Tsy azo eitreretina mihitsy ny miampanga an'i Nemtsov ho “mpankahala ny Silamo.”

Ito ny lahatsoratra nosoratany momba ilay fanafihana Charlie Hebdo [8], izay tena nilamina tokoa. Na dia mety hoe nomena ireo ekipa ihany koa ito lahatsoratra ito mba hitrandrahana  hetsika fanarontsaronana “resaka Silamo” amin'ilay famonoana. Tsy mbola nisy fifandirana mihitsy teo amin'i Nemtsov sy ireo Silamo.

Ao amin'ilay lahatsoratra, sahala amin'ilay iray [9] tany aloha, milazalaza amin'ny andinindininy ny finoany i Milov hoe “tsy misy isalasalàna fa nokarakarain'ireo sampan'ny mpitandro filaminana Rosiana ny famonoana an'i Boris Nemtsov.”

Toa tsy gaga tamin'ilay hevitra vaovao naely ihany koa i Alexey Navalny, lehiben'ny mpanohitra , nibitsika rohy iray [10] mitondra ho any amin'ny tantara iray ahitàna fa efa nanara-maso an'i Nemtsov tany Maosko i Dadayev, talohan'ny nitrangan'iny fifampitifirana Charlie Hebdo iny:

Efa elabe talohan'ny fanafihana nataon'ny mpampihorohoro an'i Charlie Hebdo iny no nanomboka nanaraka an'i Nemstov i Dadayev

Avy eo nahatonga resabe mafimafy kokoa i Andrey Babushkin, mpikambana ao amin'ny mpanolontsaina ao Kremlin momba ny zon'olombelona, tamin'ny nandefasany fanambaràna tamin'ny vohikala ofisialin'ny mpanolontsaina, ny Alarobia 4 Martsaa, taorian'ny fitsidihana nataony tany am-ponja izay nitazonana ireo dimy voampànga.

Nilaza [13] tamin'ireo mpanao gazety i Babushkin hoe “Misy ireo antony mahatonga anay hieritreritra fa nibaboka teo anatrehan'ny fampijaliana natao azy i Zaur Dadayev.” Mivaky toy izao ny ampahan'ny fanambaràny [14]:

Дадаев Заур Шарипович сообщил, что в СИЗО к нему относятся хорошо. Его похитили 5 марта, когда он и брат прибыли из Дагестана на территорию Ингушетии. На теле у Дадаева видны множественные телесные повреждения. С 5 по 7 марта (день доставки в ИВС) не кормили, 3-4 раза давали глоток воды. Позвонить после задержания не дали. При задержании обвинения не предъявили. После того, как его доставили в суд для избрания меры пресечения, маску больше не одевали. Ему обещали отпустить его бывшего подчиненного и товарища Юсупова, если он признается в совершении убийства Б.Е. Немцова.

Nilaza i Zaur Dadayev fa tsara ny fitondràna azy ao am-pigadràna. Nosamborina izy ny 5 Martsa, raha avy tany Dagestan ka andeha ho any Ingushetia izy sy ny rahalahiny. Maro ireo ratra hita maso eny amin'ny vatan'i Dadayev. Teo anelanelan'ny 5 Martsa sy ny 7 Martsa (ny andro nahatongavany tany amin'ny toerana itazonàna azy), tsy nomena sakafo izy ary nomena rano kely fotsiny in-telo na in'efatra. Tsy navela niantso an-tariby izy taorian'ny fisamborana azy. Nandritra ny fisamborana, tsy naseho azy ny fiampangàna azy. Noterena nanao saron-tava izy hatry ny fotoana niampangàna azy tany Maosko. Ary nampanantenaina fa ho afahana ilay mpitandro filaminana teo ambany fifehezany teo aloha ary ny namany Yusupov, raha mibaboka ny famonoana an'i Boris Nemtsov izy.

Namaly [15] taorian'izay ny mpampihatra lalàna Rosiana, nilaza tamin'alahelo fa mety ho antsoina atsy ho atsy momba ny “fanohintohinana” amin'ny raharaha vono olona i Babushkin. Ny 11 Marsta efa alimbe, tonga tao an-tranon'i Babushkin ireo mpitandro filaminana ary tany amin'ny fonenan'ny mpanao gazety avy ao amin'ny gazety an-tsoratra Moskovsky Komsomolets, nanadihady [16] azy ireo ho vavolombelon'ilay fikarohana, ary nanery azy ireo tsy handao an'i Moscow. Milaza [17] ireo tompon'andraikitra Federaly fa  fanohintohinana ny asan'ny mpitandro filaminana no fahitàn'izy ireo ny fihaonan'izy ireo tamin'i Dadayev tany am-ponja.

Raha mitohy mandeha ao Moscow ny tolona hamaritàna ny fitantaràna ny famonoana an'i Nemtsov, toa tsy mbola hita mahasarika ny aterineto Rosiana kosa ilay filazàna ilay hetsika ho “antony noho ny finoana Silamo”.