Misaona Ny Demokrasia Ireo Mozambikàna, Taorian'ny Famonoana Ilay Mpiaro Ny Lalàm-panorenana

People gathering for a vigil in memory of Giles Cistac murdered by three gunshots. Photo: Dercio Tsandzana

Vahoaka nifamory hiari-tory ho fahatsiarovana an'i Giles Cistac, novonoina tamin'ny tifitra basy in-telo. Sary: Dercio Tsandzana

Nisy namono ny marainan'ny 3 Martsa, teo amin'ny iray amin'ireo làlamben'i Maputo, renivohitr'i Mozambika i Gilles Cistac, mpampianatra lalàm-panorenana ary tale mpiara-mitantana ny Departemantan'ny Fikarohana ny Lalàna ao amin'ny Universidade Eduardo Mondlane (UEM).

Ny 7 Marsta, nahatonga olona an'arivony hanao hetsi-panoherana tao Maputo sy tany amin'ny tanàna lehibe iray hafa, Beira, ilay famonoana.

 “Tsy hahafaty ny fahafahana ireo tifitra basy” Mozambikàna an'arivony nanao diabe mba hanoherana ny famonoana ilay mpanao lalàna Gilles Cistac

Ilay mpanao lalàna, Frantsay nomena ny zom-pirenena Mozambikàna, dia nalaza tamin'ny nanohànany tolo-dalàna iray izay manome alalana ny antoko mpanohitra, Renamo, fizakantena tany amin'ireo faritra izay nahazoany vato betsaka tamin'ireo fifidianana tamin'ny taona lasa. Mino ny antoko Frelimo eo amin'ny fitondràna ankehitriny fa handrahona ny firaisankinam-pirenena ilay hetsika.

Ny taona 1977-1992, tafiditra tamin'ny ady an-trano ireo mpanohana ny Renamo sy ny Frelimo. Nandray fitaovam-piadiana indray ireo mpanohana ny Renamo vao haingana, ny taona 2013, fa nametraka azy ireny kosa talohan'ny fifidianana ny filoham-pirenena izay mbola nahitàna ny Frelimo nanohy nibahan-toerana tamin'ny politika nasionaly ihany teo ambany fitondran'ilay Filoha vaovao Filipe Nyusi. Hitan'ny maro ho làlana iray afaka hanatsara ny fitondràna eo an-toerana ary hitazona ny filaminana eo amin'ny governemanta sy ny antoko mpanohitra lehibe indrindra eo amin'ny firenena ilay tolo-dalàna notohanan'i Cistac.

Na dia nanome tolo-tànana ho an'ny antoko eo amin'ny fitondràna ankehitriny aza i Cistac fahiny, niha-ratsy ny fifandraisana. Nantsoin’i Damião José, mpitondra tenin'ny Frelimo, hoe “tsy mahay mankasitraka” moa i Cistac tao anatin'ny fampielezankevitra ary hatramin'ny nahafatesany.

Vetivety dia nandrakotra ireo tambajotra ireo fihetseham-po noho ny fahafatesany. Nilaza izao i Erick Charas, tompon'ny gazety an-tsoratra @Verdade any Mozambika:

E assim progredimos de assassinato de caracter (G40) para assassinato das pessoas que simplesmente falam as verdades como elas sao (G40 plus)… enfim Quo vadis ‪#‎Mocambique‪#‎Viva a Liberdade de expressao!! ‪#‎naotemosmedo

Izao no fomba fikisahantsika miala avy amin'ny fanalam-baraka olona ka tonga famonoana, satria fotsiny niteny ny marina izy ireo (…) Quo vadis [Hankaiza ianao?] ry Mozambika… Mitsangàna ho an'ny fahalalahan'ny fitenenana!!

Ny Canal de Moçambique, gazety an-tsoratra iray mahaleotena, no voalohany namoaka ilay vaovao tao amin'ny pejy Facebook-ny:

Constitutional Lawyer, Giles Cistac. Photo: DR

Mpiaro ny lalàm-panorenana, Giles Cistac. Sary: Governemanta Mozambikàna

Última Hora*Última Hora*Última Hora*

Gilles Cistac baleado em Maputo (‪#‎canalmoz)

…Está neste momento entre a vida e a morte no Hospital Central de Maputo

Maputo (Canalmoz) – Acaba de ser baleado em plena Avenida Eduardo Mondlane, no Café ABC, antigo Wimbe o constitucionalista Gilles Cistac, o homem que descobriu a brecha constitucional das regiões autónomas. Gilles Cistac um dos juristas mais incómodos ao sistema há muito que vinha a ser combatido e desde que apresentou publicamente a possibilidade constitucional da criação de regiões autónomas o ódio do sistema à sua pessoa aumentou. Cistac que é um dos mais reputados constitucionalistas foi baleado por indivíduos que se faziam transportar numa viatura que passou pelo café. Neste momento Cistac está entre a vida e a morte no Hospital Central de Maputo. Ainda não temos detalhes sobre quantos tiros e as regiões do corpo alvejadas. Estamos em contacto com familiares directos que nos prometeram actualizar o seu estado que consideraram de “muito grave”.

O constitucionalista vinha recebendo ameaças de pessoas que se diziam do partido Frelimo e que o acusavam de ser assessor jurídico da Renamo. Na semana passada um cidadão que nas redes sociais se identifica como Calado Kalashnikov pôs a circular mensagens no Facebook com teor racista a acusar Gilles Cistac, Fernando Veloso, director do Canal de Moçambique, Fernando Lima e Castel Branco todos de raça branca de estarem a patrocinar a subversão no País.

Em consequência disso Gilles Cistac apresentou uma queixa à Procuradoria Geral da República, informando a PGR que estava a ser vítima de intolerância política.

Não é a primeira vez que tais mensagens circulam. Num passado recente, a TVM e a Rádio Moçambique e a Agência de Informação de Moçambique todos controlados pelo partido Frelimo também acusaram sem provas os mesmos cidadãos de estarem a reunir-se com o embaixador dos Estados Unidos da América Douglas Grifiths.

Hoje as ameaças concretizaram-se e Gilles Cistac acaba de ser baleado em plena avenida Eduardo Mondlane. (Redacção)”

Vaovao Farany*vaovao Farany*Vaovao Farany*

Gilles Cistac maty voatifitra tany Maputo (?#?canalmoz)

…Miady aman'ny fahafatesana izy amin'izao fotoana izao ao amin'ny Hopitaly Afovoan'i Maputo

Maputo (Canalmoz) – Voatifitra tao amin'ny Kafe ABC, Wimbe teo aloha, teo amin'ny Làlana Eduardo Mondlane, ny mpahay lalàm-panorenana Gilles Cistac. Ilay lehilahy naneho ny fisian'ny tsy fahampiana ao amin'ny lalàm-panorenana, ary nanohana ny tolo-kevitra natolotry ny antoko mpanohitra hitsinjaràna ny fahefana, dia lasa iray amin'ireo mpanao lalàna marina indrindra mibahambahana ny governemanta foibe. Hatreo, nitombo ny fankahalàn'ny rafitra ny tenany. Cistac, mpahay lalàm-panorenana misongadina dia maty notifirinà olona maromaro nitondra fiara to akaikin'ny kafe. Eo anelanelan'ny fahafatesana sy ny fahavelomana izao i Cistac ao amin'ny Hopitaly Afovoan'i Maputo. Tsy mbola nahazoana ambangovangony ny momba ilay tifitra ary hoe taiza ho aiza teo amin'ny vatany no voa. Mifandray amin'ireo havany izahay, izay nampanantena ny hanome vaovao bebe kokoa “momba azy izay tena mampitahotra”.

Nahazo fandrahonana avy tamin'ny olona nilaza fa avy amin'ny antoko Frelimo ilay mpanao lalàna, izay niampanga azy ho atidohan'ny Renamo amin'ny lafiny lalàna. Ny herinandro lasa teo, mpisera amin'ny aterineto mitondra ny solon'anarana hoe Calado Kalashnikov, nandefa hafatra tao amin'ny Facebook-ny, mampiseho fanavakavahana amin'i Gilles Cistac, Fernando Veloso (talen'ny gazety an-tsoratra Canal Moçambique), Fernando Lima ary Castel Branco — olona fotsy hoditra avokoa ireo — miampànga azy ireo ho manohana ny fitotonganan'ny firenena.

Vokatr'izay, nitaraina tany amin'ny Biraon'ny Lehiben'ny Fampanoavana i Gilles Cistac, nilaza fa lasa olona enjehana noho ny tsy fahazakàn'ny hafa ny resaka politika izy.

Tsy voalohany ny karazana hafatra toy izany no mivezivezy. Vao haingana izao, ny Televiziôan'i Mozambika (TVM), Radio Mozambique ary ny Masoivohom-Baovaon'i Mozambika, izay samy tantanan'ny antoko Frelimo daholo, dia niampanga ihany koa, tsy nisy porofo, ireo olom-pirenena tsotra ireo, ho nivory niaraka tamin'ny Masoivohon'i Etazonian'i Amerika, Douglas Grifiths.

Androany, narahana hetsika ireo fandrahonana, ary notifirina tamin'ny andro mazava i Gilles Cistac, teny amin'ny Làlana Eduardo Mondlane.

Taty aoriana kely, maty noho ny ratra samihafa noho ny tifitra nanjo azy i Cistac.

Manome ny heviny momba ilay vaovao, olona maro no mampifandray ilay famonoana tamin'ny fanambaràna ampahibemaso nataon'i Cistac momba ny lalàm-panorenana:

Nilaza izao i Almeida Rui Almeida:

Triste saber, só pra ver como a frelimo manda calar boca das pessoas que discobrem a verdad d moz,quando falam á publico a pessoa paga com a sua propria vida.

Mampahonena ny mahare izao, hita izao hoe ahoana no ataon'ny Frelimo hampanginana ireo olona milaza ny marina ao Mozambika. Manefa izany amin'ny ainy izy ireo rehefa miteny zavatra ampahibemaso. 

 Ny hafa mampifandray ilay fitifirana amin'ny famonoana vao haingana ilay Rosiana mpanao politika mpanohitra, Boris Nemtsov, izay maty toy izao nahazo azy izao:

Como eu disse, já estamos na Europa em particular na Rússia onde nao se pode criticar as barbaridades do Governo. E cá estamos nós.

Araka ny nambarako, efa any Eorôpa isika izao e, any Rosia ny marimarina kokoa, izay tsy afaka mitsikera ireo zavatra ratsy ataon'ny governemanta mihitsy ianao. Dia eo indrindra isika izao.

Ny feo hafa kosa nitandritandrina kokoa, nanamarika fa tsy tokony alefa aloha loatra ny fiampangàna:

Deixem a policia trabalhar .nada de comentários sem evidencias .Aqui em Moçambique temos muita gente armada formal ou informalmente .pode ser um conluio

Avelao hanao ny asany ireo mpitandro filaminana. Aleo aloha tsy milaza fanehoan-kevitra tsy misy porofo. Maro ireo olona manana fitaovam-piadiana aty Mozambika, ara-dalàna sy tsy ara-dalàna. Mety ho tafalatsaka ao anatinà tsikombakomba ianao.

 Arqui Tecto niantso io hoe “famelezana ny demôkrasia any Mozambika”:

Isso é mais um tiro contra a democracia que está morta há muito tempo. Das nossas entidades não espero muita coisa. O português q nao tinha a nacionalidade foi deportado, o francês q mudou de nacionalidade é baleado. Solução: 1- a Renamo tem de seguir a todo custo com o projecto de regiões autónomas e sem esperar acordos, para salvar a democracia. 2: as entidades francesas devem apurar a verdade e punir os culpados, mudou de nacionalidade mas ele é francês antes de tudo. 3- os que amam a democracia, devem banir os ditadores.

Famelezana iray hafa indray atao ho fanoherana ny demôkrasia io, izay maty efa ela. Tsy misy zavatra betsaka andrasanantsika avy amin'ireo andrim-panjakàna. Naondrana ireo Portiogey tsy nanana zo maha olom-pirenena, ilay lehilahy Frantsay nahazo io indray notifirina.

Vahaolana:

1- Mila miroso hatrany ny Renamo na inona na inona miseho, amin'ilay tetikasa anà faritra mizakatena, ary tsy miandry fanekena mba hanavotana ny demôkrasia.

2: Tokony mitady ny marina ireo fikambanana Frantsay ary manasazy ireo meloka — na dia nomena zom-pirenena aza izy, Frantsay aloha izy mialoha ny rehetra.

3- Tokony hofoanan'ireo rehetra tia ny demôkrasia ny mpanao didy jadona.

Nilaza izao i Raúl Barata teo amin'ny rindrin'ny Facebook-ny: 

Parece-me que a liberdade de expressao e’ ainda um grande desafio.Certas declaracoes sao vistas como oposicao ao sistema e certas pessoas sao vistas como dissidentes.Precisamos de mais anos de democracia para que possamos aprender alguns valores e principios democraticos.

toa itako fa mbola fanamby goavana ny fahalalahana maneho hevitra. Mbola raisin'ny andrim-panjakàna ho fanoherana ny sasany amin'ireo fanambaràna, ary toy ny mpisitaka no ijerena ny olona sasany. Mila taona maromaro anà demôkrasia isika, mba hahafahantsika mianatra ny foto-kevitra sasantsasany sy ny soatoavin'ny demôkrasia . 

Adelson Rafael, mpaneho hevitra sy mpamakafaka ara-politika, miresaka ny “fanararaotana ny demôkrasia”:

Armas democráticas ou democracia das armas?

A democracia é, por definição, um método pacífico de solucionar conflitos. O baleamento de Gilles Cistac, professor catedrático de Direito Constitucional , não foi apenas um gesto tresloucado depreciável, mas sim uma manifestação clara de rejeição da democracia enquanto método pacífico de solucionar conflitos. Diante do terror, todas as atitudes pacificadoras são inúteis. E continuará a sê-lo enquanto alguns cobardes acreditarem que a democracia resultará da imposição das armas, e não como fruto da justiça e do reconhecimento de que a diversidade de ideias e crenças é um direito — e merece respeito. Para todos os cidadãos de julgamento sóbrio, urge repensar o País, como condição sine qua non do que pretendemos ser.

Fiadiana demaokratika sa fiadian'ny fahalalahana?

Ara-pamaritana, ny demôkrasia dia fomba iray milamina entina mamaha ireo fifandirana. Ny fitifirana an'i Gilles Cistac, mpampianatra ny lalàm-panorenana, dia tsy hoe fihetsika miaro hadalàna mamoafady fotsiny, fa koa fanehoana mazava ny tsy fankasitrahana ny demôkrasia amin'ny maha-fomba milamina azy entina hamahàna fifandirana. Eo anatrehan'ny horohoro, tsy misy ilàna azy ny fifampiresahana am-pilaminana rehetra, ary mbola hitohy foana ho toy izany io raha mbola mino ihany ireo olona tsy manana hazon-damosina fa avy amin'ny fanerena amin'ny fitaovam-piadiana no ahazoana ny demôkrasia, fa tsy hoe vokatry ny rariny sy ny fanekena fa zo tokony hananana ny tsy fitovian-kevitra sy finoana – ary tokony hajaina. Ho an'ireo olon-tsotra afaka mandinika kely ny hoe rariny, angatahako mba hamerina hieritreretra tsara ny firenena, ho toy ny zavatra tsy azo ialàna momba izay tiantsika hahatongavana

Niresaka ilay zava-nitranga i DW (Portiogaly ho an'i Afrika) tao amin'ny Facebook : 

Em Moçambique, foi baleado o constitucionalista Gilles Cistac. O conhecido constitucionalista está em estado crítico no Hospital Central de Maputo. Cistac foi o homem que, através da Constituição, mostrou que é possível ter em Moçambique uma governação provincial autónoma. Isto fortaleceu a posição da RENAMO de gestão autónoma na sua querela com o Governo da FRELIMO. O constitucionalista estaria a ser alvo de ameaças.

PERGUNTA DO DIA – O que acha deste crime? É de natureza política? Deixe ficar aqui a sua opinião.

Cistac dia ilay lehilahy izay, tamin'ny alalan'ny lalàm-panorenana, nampiseho fa azo atao tsara ny manana faritra mizakatena amin'ny fitantanana aty Mozambika. Nanamafy ny toeran'ny RENAMO izany, amin'ny fifandirany amin'ny Governemanta izay tantanan'ny antoko FRELIMO eo amin'ny fitondràna ankehitriny. Nahazo fandrahonana ho an'ny tenany ilay mpahay lalàm-panorenana. FANONTANIANA MIPETRAKA ANDROANY – Ahoana ny eritreritrao momba io heloka io? Resaka politika ve io? Apetraho eto ny hevitrao.

 Namarana i Notiço Henrique hoe “mitovy ireo antoko roa ireo amin'ireo zavatra ataony”:

Semelhança entre Renamo e Frelimo: – ambos matam; Diferenças: A Renamo avisa e mata de frente, a Frelimo não avisa e mata camuflada.
Que Deus salve e proteja o Cistac!

Ny fitoviana eo amin'ny Renamo sy ny Frelimo: samy mamono daholo. Ireo tsy itoviany: Mampitandrina ny Renamo ary mamono malalaka, ny Frelimo kosa tsy mampitandrina ary mamono miafina.

Andriamanitra anie hanavotra sy hiaro an'i Cistac!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.