- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Pero : Mpitsangatsangana Amoron-dranomasina Nanao Tohivakana Hamonjena Ireo Mpilomano Saika Maty An-Drano

Sokajy: Amerika Latina, Però, Hevitra, Mediam-bahoaka, Vaovao Tsara
Cadena humana en okaya peruana. Foto ampliamente difundida en Twitter.

olona nifampitantana teny amin'ny moron-dranomasin'i Arica. Sary nozaraina malalaka tamin'ny Twitter.

Nisy asa fanasoavana nahavariana teo amin'ny moron-dranomasin'i Arica [1] , maily 18 mianatsimo avy ao amin'ny renivohitra Peroviana, Lima, tamin'ny Alahady 1 Martsa.

Mpitsangatsangana amoron-dranomasina am-polony maro no nanao tohivakana mba hamonjy ireo mpilomano efatra miady amin'ny onja mahery izay nanakana ireo mpamonjy aina tsy ho any an-dranomasina hamonjy azy ireo, araka ny filazan'i Alejandro Espinoza izay nitatitra izany zava-niseho izany tao amin'ny kaonty WhatsApp an'ny gazety El Comercio [2]. Avy eo nalain'ny tranonkalam-baovao Peroviana Tawi.pe izany.

Toy izao no fanazavan'ilay tranonkala [3] :

[…] al percatarse que los rescatista no se abastecían para sacar del agua a los bañistas, los que se encontraban en el lugar armaron una cadena humana espontáneamente para poder ayudar.
A pesar de que había salvavidas, era complicado sacara (sic) a los bañistas, pues la corriente y las olas eran muy fuerte. Pero finalmente, la cadena humana pudo salvarlos y los que participaron del rescate recibieron los aplausos del público.

[…] Raha vao nahita zareo fa tsy afaka namonjy ireo mpilomano ireo hiala tao anaty rano ny mpamonjy voina an-dranomasina,  dia nanao tohivakana teo noho eo vetivety foana teo ireo olona teo ary afaka nifanampy.

Na teo aza ireo mpamonjy voina ireo dia sarotra ny famonjena ireo mpilomano hivoaka avy ao anaty rano noho ny rano sy ny onja mahery. Fa voavonjin'ilay tohivakan'olombelona ihany ry zareo nony farany ary dia notehafan'ny olona ireo nandray anjara tamin'ny famonjena.

Lohatenim-baovao tamin'ireo karazana haino aman-jery isankarazany ilay vaovao, ary nozarain'ireo mpisera amin'ny Twitter ny sarin'iilay tohivakan'olombelona :

mpilomano 50 no nanao ‘tohivakan'olombelona’ mba hamonjy efatra….

Namonjy olona efatra saika maty an-drano tany amin'ny moron-dranomasin'i Arica ny tohivakan'olombelona

Namonjy olona efatra izay saika maty an-drano ny fanaovana tohivakana nataon'ireo mpilomano teny amoron-dranomasin'i Arica.

Nanome hafatra feno fanantenana ilay mpisera iray amin'ny Twitter  :

Ny fahitana ny firaisankina nasehon'ireo mpilomano teo amin'ny moron-dranomasin'i Arica ho fanavotana ireo olona sasany tamin'ny alàlan'ny tohivakan'olombelona dia mahatonga ahy hino  ny amin'ny maha-olona !

Soa ihany fa mahazatra ny asa fanasoavana tahaka itony any Pero. Fotoana vitsy lasa izay, mpitondra fiarakaretsaka sy moto an-jatony [19] no nampiasa ny jiron'ny fiarany mba hanazavana ny làlan'ny fiaramanidina tany Ucayali, departemanta any Pero, mba ho afaka miainga ny fiaramanidina kely iray izay nitondra mpandeha telo narefo ara-pahasalamana.