Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Mampiantrano Ny Fifanakalozan-kevitra Ara-tsosialy Manerantany i Tonizia

Tunisia hosts the World Social Forum for the second time in a row

Nampiantrano Ny Fifanakalozan-kevitra Ara-tsosialy Manerantany Fanindroany i Tonizia.

Herinandro latsaka taorian'ny fanafihana nahafaty olona tao amin'ny Mozean'i Bardi tao Tunis renivohitra, izay nahafatesana mpizahatany 20 sy polisy manampahefana iray, Mampiantrano ny andiany faha-10 ao amin'ny World Social Forum (WSF) i Tonizia.

Taorian'ny fanafihana tamin'ny 18 Martsa, nisy ny tahotra fa mety hofoanana ny Fifanakalozan-kevitra. Na izany aza, namoaka fanambarana ny komity mpikarakara fa tsy hofoanana ny fifanakalozan-kevitra ary notazonina avokoa ny hetsika rehetra amin'izany.

Through this attack, terrorist groups attempted to undermine the democratic transition Tunisia and the region are currently experiencing while creating a climate of fear amongst citizens who aspire to freedom, democracy and pacific participation in establishing democracy.

The quick response from the social movement and all the political bodies in Tunisia opposed to terrorism, calling upon unity to fight it, proves how Tunisians care about their recent democratic experience. The social movement in Tunisia and the region counts on the global support of democratic forces to oppose violence and terrorism.

More than ever, the massive participation to the WSF (Tunis 24th-28th March 2015) will be the appropriate answer from all the peace and democratic forces towards a better, more fair and free world made of pacific co-existence.

Tamin'ny alalan'ity fanafihana ity, niezaka hanohintohina ny tetezamita demaokratika iainan'i Tonizia sy ny faritra ankehitriny ny vondrona mpampihorohoro ary mamboly tahotra eo amin'ny olom-pirenena izay miandrandra fahafahana, demokrasia sy  fandraisana anjara milamina amin'ny fametrahana demokrasia.

Manaporofo ny fomba fiahian'ny Toniziana ny traikefany demaokratika niainany vao haingana ny valinteny haingana avy amin'ny hetsika ara-tsosialy sy ny andrim-panjakana ara-politika rehetra ao Tonizia manohitra ny fampihorohoroana, sy miantso firaisan-kina hiady amin'izany. Manantena ny fanohanan'ny mpiantsehatra demokratika manerantany mba hanohitra ny herisetra sy ny fampihorohorona ny hetsika ara-tsosialy ao Tonizia sy ny faritra.

Izao no tena fotoana, valinteny sahaza avy amin'ireo mpiantsehatra filaminana sy demokrasia hoan'ny tontolo tsaratsara  kokoa, rariny sy malalaka kokoa atao ao anatin'ny fiarahana milamina ny fandraisana anjara goavana  amin'ny WSF ( 24-28 Martsa 2015 ao Tonis).

Raha ny marina, sokajiana ho valinteny mafonja hoan'ny fanafihana ny Mozean'i Bardo ny fanatanterahana ny fifanakalozan-kevitra.

Hoy i Nessryne nilaza:

Na dia teo aza ny dona sy ny alahelo, tsy andriko ny WSF 2015. Tsy maintsy mitohy ny fikatrohana, ny tolona sy ny fiainana

Nisioka kosa ny Kaonfederasion'ny Sendika Progresista ao Tiorkia hoe:

Efa kely sisia dia hanomboka ao Tunis ny WSF 2015.  Manangana tontolo vaovao ny valinteny tsara amin'ny vono olona tao Bardo

Fihaonana manohitra ny fanatontoloana sy manohitra ny kapitalisma tontosain'ireo fiarahamonim-pirenena ny World Social Forum. Notontosaina voalohany tao Sao Paulo, Brezila tamin'ny 2001 izany ho setrin'ny Fifanakalozan-kevitra momba ny Toekarena Manerantany. Ny tanjon'ny forum dia sehatra fandinihana hoan'ireo vondrona sy hetsika izay manohitra ny liberalisma amin'ny endriny vaovao sy hitadiavana ny rariny ara-tsosialy sy ara-toekarena.

Mpiaro ny zon'olombelona Rae Abileah nanazava hoe:

Ny hianatra ny fomba handikana ny tolontsika sy ny asa iombonana no anton'ny WSF.

Tsy te haka sary mahafinaritra miaraka amin'ireo mpitarika manerantany ao Davos izahay. Te hitazona azy ireo ho tompon'andraikitra [amin'ny zavatra ataony] izahay eto Tunis !

Nisioka ny Flamme d’ Afrique ao Dakar tamin'ny 24 Martsa hoe:

Mifamotoana ao Tunis ny vahoaka manerana izao tontolo izao mba haneho hatezerana manoloana ireo tsy fitoviana manerantany sy hitory tontolo tsaratsara kokoa

Natomboka tamin'ny Alarobia atoandro tamin'ny alalan'ny diabe manohitra ny fampihorohoroana tao amin'ny Mozean'i Bardo ny forum.

2015 World Social Forum delegates march to the Bardo Museum, where two gunmen killed 21 people on 18 March. Photo shares on twitter by arabesque_tn

Solontenan'ny World Social Forum 2015 manao diabe mihazo ny Mozea, izay namonon'ireo lehilahy roa mitam-piadiana an'ireo olona 21 tamin'ny 18 Martsa. Sary nozarain'i @arabesque_tn tao amin'ny Twitter.

Fotoana iray lehibe ny World Social Forum ao Tunis mba hanamafisana fa mila rariny ara-tsosialy ihany koa ny tolona hiadiana amin'ny fampihorohoroana

Fanindroany misesy izao no mampiantrano ny forum i Tonizia. Efa nampiantrano ny andiany 2013 i Tunis. Mandritra ny dimy andron'ny hetsika, solontena 70,000 avy amin'ny fikambanana maherin'ny 4,000 avy amin'ny firenena manerana izao tontolo izao no hiresaka momba ireo olana sy lohahevitra maro isan-karazany ka anisan'izany ny rariny, ny fifindra-monina, ny fahalalahan'ny haino aman-jery, ny zon'ny vehivavy, ny mpitsoa-ponenana sy ny angovo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.