- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sarimiaina 5 Mampiroborobo Ny Zon'Olombelona Sy Ny Fitovian-jo ao Myanmar

Sokajy: Azia Atsinanana, Myanmar (Birmania), Fifidianana, Foko sy Fiaviana, Mediam-bahoaka, Politika, Sendikà, Tanora, Zon'olombelona
Screencap from an animation video that highlights human rightsabuses in Myanmar [1]

Pikantsary tao amin'ny sarimiaina manasongadina ny fanararaotana ny zon'olombelon ao Myanmar

Misy vondrona iray ao Myanmar mampiasa sarimiaina [2]hampiroboroboana ny zon'olombelona, ny fitovian-jo, sy ny rariny nanerana ny firenena.

Namolavola [3] fitaovana fampitam-baovao marolafy (multimedia) hikarakaran'izy ireo fanabeazana momba ny zon'olombelona sy ny fandaharanasam-pisoloana vava mba hampahery ny olona sy hanome aingam-panahy ho amin'ny fanovana ara-tsosialy ny vondrona Equality Myanmar. Tao anatin'ny 15 taona, nampiofana vehivavy, mpianatry ny oniversite, moanina sy mpitondra fivavahana, mpikatroka, mpampianatra an-tsekoly, mpitarika ara-piaraha-monina, mpamboly, ary mpiasa izay efa ao anatin'ny tambajotram-pampiofanana sy fiarovana ny zon'olombelona ny vondrona.

Amin'ny alalan'ireo atrikasa ireo, afaka mijery akaiky ireo olana sasany ara-tsosialy atrehin'i Myanmar ankehitriny ny vondrona. Ankoatra ny fahatsapana ireo olana ireo, mianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny zon'olombelona amin'ny alalan'ny fanorenana  fiarahamonina demokratika sy iombonana kokoa ireo mpandray anjara.

Sady tsotra no manome fampianarana ny lahatsary. Azo ampiasaina any amin'ny firenen-kafa ihany koa, natao hoan'ny rehetra sy mora takarina ny lohahevitra.

Fifidianana

Miresaka momba ny fifidianana [4] hoavy ny lahatsary navoakan'ny vondrona vao haingana indrindra. Mampiseho mpifidy maromaro izay niharan'ireo olana sasany mifandraika amin'ny fifidianana tahaka ny fanerena, hosoka, sivana sy fanitsakitsahana ny zon'olombelona isan-karazany ny lahatsary:

Vehivavy eo amin'ny sehatry ny politika

Mampiroborobo ny fandraisan'anjaran'ny vehivavy [5] amin'ny politika ity lahatsary ity. Mitantara ny tantarana tovovavin'i Myanmar iray izay nanonofy ho lasa mpiasam-panjakana ny lahatsary rehefa nahita izy fa ilaina ny politika ara-tsosialy tsaratsara kokoa mba hiadiana amin'ny fahantrana sy ny tsy rariny. Tany am-boalohany, nanakivy azy ny fianakaviany saingy naharitra izy ary nanjary lasa mpikambana ao amin'ny parlemanta:

Fampiasana zaza tsy ampy taona

Ity lahatsary novelabelarin'i Maung Maung Aye ity kosa dia mampiseho fanararaotana amin'ny fampiasana zaza tsy ampy taona [6]. Ao amin'ny lahatsary, nisaraka tamin'ny olon-tiany ny vehivavy iray rehefa nahita fa mitafy lobaka namboarin'ny orinasa iray mampiasa ankizy tsy ampy taona izy:

Resa-pankahalana

Lahatsary iray hafa lehibe kosa mampahatsiahy ny vahoaka mikasika ny loza ateraky ny resa-pankahalana [7]. Mampiseho tanàna kely iray miaina ao anatin'ny firindrana ny lahatsary saingy niseho ny korontana rehefa nisy papango (mampiseho resa-pankahalana) nampiely fihantsiana sy fankahalana. Soa ihany fa nisy voromailala nanidina teny ambonin'ny tanàna nampiely fitiavana sy ny filaminana.

Tokony hampiroborobona fatratra ity lahatsary ity hatramin'ny nihamafisan'ny [8]resa-pankahalana antserasera tao Myanmar, manamafy ny fihantsiana sy ny ady kaominaly manerana ny faritra maro ao amin'ny firenena.

Fahasamihafana sy ny Fanavakavahana

Nanangana lahatsary mampiroborobo ny fahasamihafana [9]i Maung Maung Aye ary manentana ny olona mba tsy hanavakavaka ny hafa mifototra amin'ny mahalahy na mahavavy, ny firazanana, ny fivavahana na ny volon-koditra. Ilaina tokoa ity lahatsary ity mba hanoherana ny fitomboan'ny fanavakavaham-bolon-koditra sy ny fanavakavahana ara-poko ao amin'ny firenena. Manana vondrom-poko maherin'ny 100 i Myanmar ary Bodista avokoa ny ankamaroan'ny mponina.

Manome fahafantarana bebe kokoa momba ny fiarahamonin'i Myanmar sy mampiseho ny lanjan'ny fampiroboroboana ny fampianarana ny zon'olombelona sy ny asam-pisoloana vva ireo lahatsary mampiseho zava-baovao ireo