- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Vehivavy Afghana Novonoina ho Faty sy Nodorana fa Nandrehatra Afo ny Kôrany

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Afganistana, Ady & Fifandirana, Fitantanam-pitondrana, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona
The Shah-e Do Shamshira mosque in Kabul: a beautiful building that witnessed a despicable crime. Photo by John Zada, licensed to use under Creative Commons.

Moskea Shah-e Do Shamshira ao Kabul: fanorenana kanto dia kanto nanatrika famonoan'olona  mahatsiravina. Saripikan'i John Zada, nahazoana alalana ampiasaina araka ny Creative Commons.

Fampitandremana: Ny lahatsoratra manaraka etoana dia ahitana sary sy lahatsary mety hampihoron-koditra sy hahasorena.

Nisy vehivavy iray nokapohina [1]tsy ankitsahatra ho faty ary dia nodoran'ny vahoaka tafavory teo rehefa hita fa nandoro ny kopian'ny Kôrany teo akaikin'ny moskea Shah-e Do Shamshira tao Kabul tamin'ny Alakamisy. Eo ampanaovana famotopotorana [2] ny tranga ny polisy ary nisambotra olona efatra heverina ho nahavanona ny famonoana hatramin'ny fotoana nanoratana. Araka ny filazan'ny vavolombelona dia nahatratra [2] an'arivony ny vahoaka nanatrika teo. Nandà ny hanameloka ity famonoana ity ireo manampahefana ara-pivavahana.

Nokapohin'ny tompon-tanàna tamin'ny alalan'ny tehina i Farkhunda, 27 taona. Nilaza [3] ny ray aman-dreniny fa tsy ninian'i Farkhunda ny zavatra nataony ary marary saina izy tao anatin'ny 16 taona farany. Araka [4] ny filazan'ny iray amin'ny nanatri-maso ny zava-nitranga:

They beat her to death and then threw her on the river bank and burned her. Firefighters later came and put out the fire and took the body.

Nodarohan-dry zareo ho faty ilay olona ary natsipy teo amoron-drano dia nodorana. Tonga avy eo ny mpamonjy voina dia namono ny afo ary nitondra ny faty

Nitezitra [5] ny iray amin'ireo mpitam-barotra eo akaikin'ny Moskea :

Before you take action you have to know what happened. Did she have psychological issues? Only when you know that can you take action. You have to abide by both sets of laws. She should have been subject to the laws of the state and of God. We have no shortage of enemies. How do we know there were not outside forces influencing her?

Alohan'ny hanaovan-javatra dia tokony ho fantatra izay zava-nitranga. Manana olana ara-tsaina ve izy ? Rehefa fantatrao tsara ny zavamisy vao tokony hanao zavatra. Tsy maintsy hajaina ny ankapoben'ny lalàna, tokony notsaraina araka ny lalànam-panjakana na lalànan'Andriamanitra izy. Tsy lany fahavalo isika. Ahoana no ahalalàntsika fa tsy nisy hery avy any ivelany nanindry azy?

Niely haingana dia haingana tao amin'ny media sosialy ny sary sy ny lahatsarin'ny andian'olona namono an'i Farkhunda.

https://youtu.be/bwIE99mAOeM [6]

Niteraka fisarahan-kevitra avy ao amin'ny Afghana manerana ny firenena sy fanafintohinana avy any ivelany ny nataon-dry zareo. Eto ambany ny iray amin'ny sary nosiahan'i Salim Zubair izay mampiseho ny endrik'i Farkhunda misolitiky ny ra.

Mangidy vava. Nodoran'ny olona tao Kabul ity vehivavy ity, fa voampanga ho nandoro Kôrany.

Ahmad Mukhtar, Afghana mpanao gazety, namoaka lahatsary mampihoron-koditra ahitana an'i Farkhunda darohan'ny olona romotra tao an-toerana.   [9]

Lahatsary manafintohina androany ahitana olona mamono vehivavy lazaina fa nandoro ny kopian'ny Kôrany tao amin'ny toerana masina, androany.

Mukhtar tao amin'ny sioka iray hafa:

Mifanohitra tanteraka amin'ny lalàna, ny lalàna Sharia ny nitranga androany tao Kabul ary TSY misolo tena ny Miozolomana ao Afghanistan

Zheela Nasari, Afghan-Amerikana mpanao gazety monina ao Washington DC, nametraka:

romotra aho amin'ny fomba nandorana velona vehivavy Afghana iray marary saina tao Kabul, inona ny mahasamihafa ny nandoroany ny Kôrany sy ny nandoroan'ny olona azy?

Saleem Javed namoaka sariitatra mampisongadina ny fihetsika tsy valahara :

Afghana mpanao kisarisary nanao setriny tamin'ny fandoroana vehivavy iray marary saina ho faty tao Kabul nataon'andian'olona tezitra tamin'ny fandoroana ny Kôrany.

Farzad Lami, tezitra tamin'ny zava-nitranga, nisioka sary iray ahitana polisy sy andian'olona mitazana ny fandoroana an'i Farkhunda.

MAHAMENATRA: polisin'i Kabul mitazana taorian'ny nandoroan'ny olona tao afovoan-tanànan'i Kabul ny vehivavy iray marary saina nolazaina fa nandoro Kôrany.

Fariba Nawa, Afghana mpanao gazety iray sady mpanoratra ny Opium Nation: Child Brides, Drug Lords and One Woman's Journey through Afghanistan, [firenen'ny zava-mahadomelina : Zaza avoaka manambady, lehiben'ny fanondranana rongony ary dian'ny vehivavy iray manavatsava an'i Afghanistan] ihany koa mihovitrovitry ny zava-nitranga, nanoratra tao amin'ny Twitter:

Afghana tao an-toerana tafintohina tamin'ny fihetsika tsy valahara namono sy nandoro vehivavy tao Kabul. Andao hojerena raha hivadika ho hetsioka ny fahatafintohinana.

Anisan'ireo nidaroka i Sharaf Baghlany. Taorian'ny zava-nitranga, nanoratra tamim-pireharehana tahaka izao tao amin'ny Facebook izy:
سلام مسلمانان  امروز ساعت ۴ عصر زن بی دین قرآن شریف را در زیارت شاهدوشمشیره به آتش زد و بعدتوسط مردم دین دار کابل به شمول خودم اول کشته وبعد آتش زده شد دوزخ جایش انشا الله.

Salama ry Miozolomana. Androany tamin'ny efatra ora folakandro, vehivavy iray tsy mahatoky nandoro Kôrany tao Shah-e Do Shamshira. Namono azy tamin'ny voalohany ny olona ka anisany aho ary avy eo dia nandoro azy. Ho any amin'ny afobe anie ny toerana misy azy.

Ny sary eto ambany dia mampiseho [24] ny lahatsoratra voalohany sy ireo sary nopihana teo amin'ny sehatra nanaovana ny heloka bevava. Tsy nosamborina i Baghlany. 

Napetrak'i Sharaf Baghlany taorian'ny zava-nitranga. Sary noraisina tao amin'ny pejy Facebook Repoblikan'ny Fahanginana.

Tao amin'ny antsafa iray, nilaza [25] ny iray tamin'ny solontenan'ny Minisiteran'ny Hajj sy ny raharaham-pivavahana fa raha nanitsakitsaka ny hitsivolana islamika ilay vehivavy sady tsy miozolomana, dia tsy hanameloka mihitsy izay nataon'ny olona.

Nanafintohina ny Afghana ny zava-nitranga satria teo am-piomanana ho amin'ny fetin'ny Norooz, taombaovao Persiana, tamin'ny Asabotsy ry zareo.