Vehivavy Afghana Novonoina ho Faty sy Nodorana fa Nandrehatra Afo ny Kôrany

Moskea Shah-e Do Shamshira ao Kabul: fanorenana kanto dia kanto nanatrika famonoan'olona mahatsiravina. Saripikan'i John Zada, nahazoana alalana ampiasaina araka ny Creative Commons.
Fampitandremana: Ny lahatsoratra manaraka etoana dia ahitana sary sy lahatsary mety hampihoron-koditra sy hahasorena.
Nisy vehivavy iray nokapohina tsy ankitsahatra ho faty ary dia nodoran'ny vahoaka tafavory teo rehefa hita fa nandoro ny kopian'ny Kôrany teo akaikin'ny moskea Shah-e Do Shamshira tao Kabul tamin'ny Alakamisy. Eo ampanaovana famotopotorana ny tranga ny polisy ary nisambotra olona efatra heverina ho nahavanona ny famonoana hatramin'ny fotoana nanoratana. Araka ny filazan'ny vavolombelona dia nahatratra an'arivony ny vahoaka nanatrika teo. Nandà ny hanameloka ity famonoana ity ireo manampahefana ara-pivavahana.
Nokapohin'ny tompon-tanàna tamin'ny alalan'ny tehina i Farkhunda, 27 taona. Nilaza ny ray aman-dreniny fa tsy ninian'i Farkhunda ny zavatra nataony ary marary saina izy tao anatin'ny 16 taona farany. Araka ny filazan'ny iray amin'ny nanatri-maso ny zava-nitranga:
They beat her to death and then threw her on the river bank and burned her. Firefighters later came and put out the fire and took the body.
Nodarohan-dry zareo ho faty ilay olona ary natsipy teo amoron-drano dia nodorana. Tonga avy eo ny mpamonjy voina dia namono ny afo ary nitondra ny faty
Nitezitra ny iray amin'ireo mpitam-barotra eo akaikin'ny Moskea :
Before you take action you have to know what happened. Did she have psychological issues? Only when you know that can you take action. You have to abide by both sets of laws. She should have been subject to the laws of the state and of God. We have no shortage of enemies. How do we know there were not outside forces influencing her?
Alohan'ny hanaovan-javatra dia tokony ho fantatra izay zava-nitranga. Manana olana ara-tsaina ve izy ? Rehefa fantatrao tsara ny zavamisy vao tokony hanao zavatra. Tsy maintsy hajaina ny ankapoben'ny lalàna, tokony notsaraina araka ny lalànam-panjakana na lalànan'Andriamanitra izy. Tsy lany fahavalo isika. Ahoana no ahalalàntsika fa tsy nisy hery avy any ivelany nanindry azy?
Niely haingana dia haingana tao amin'ny media sosialy ny sary sy ny lahatsarin'ny andian'olona namono an'i Farkhunda.
Niteraka fisarahan-kevitra avy ao amin'ny Afghana manerana ny firenena sy fanafintohinana avy any ivelany ny nataon-dry zareo. Eto ambany ny iray amin'ny sary nosiahan'i Salim Zubair izay mampiseho ny endrik'i Farkhunda misolitiky ny ra.
Feeling bad, People in Kabul burn this woman, who was accused of burning Quran pic.twitter.com/XtEL2HZ47H
— Salim Zubair (@salim8403) March 19, 2015
Mangidy vava. Nodoran'ny olona tao Kabul ity vehivavy ity, fa voampanga ho nandoro Kôrany.
Shocking video from todays mob that killed a woman who allegedly burned copies of Quran inside a shrine #Kabul https://t.co/kGpzlyglqc #AFG
— Ahmad Mukhtar (@AhMukhtar) March 19, 2015
Lahatsary manafintohina androany ahitana olona mamono vehivavy lazaina fa nandoro ny kopian'ny Kôrany tao amin'ny toerana masina, androany.
Mukhtar tao amin'ny sioka iray hafa:
What happened in #Kabul today was absolutely against the law, Sharia law and does NOT represent Muslims in in Afghanistan. #AFG
— Ahmad Mukhtar (@AhMukhtar) March 19, 2015
Mifanohitra tanteraka amin'ny lalàna, ny lalàna Sharia ny nitranga androany tao Kabul ary TSY misolo tena ny Miozolomana ao Afghanistan
Zheela Nasari, Afghan-Amerikana mpanao gazety monina ao Washington DC, nametraka:
I am furious how cruelly a mentally sick #Afghan #woman burned alive in #Kabul,what's diff b/w her burning Quran with men burning her alive?
— Zheela Nasari (@ZheelaJ) March 19, 2015
romotra aho amin'ny fomba nandorana velona vehivavy Afghana iray marary saina tao Kabul, inona ny mahasamihafa ny nandoroany ny Kôrany sy ny nandoroan'ny olona azy?
Saleem Javed namoaka sariitatra mampisongadina ny fihetsika tsy valahara :
Afghan cartoonist reacts to burning of a mentally ill woman to death in Kabul by an angry mob over Quran burning. pic.twitter.com/mrA8xQJH5D
— Saleem Javed (@mSaleemJaved) March 19, 2015
Afghana mpanao kisarisary nanao setriny tamin'ny fandoroana vehivavy iray marary saina ho faty tao Kabul nataon'andian'olona tezitra tamin'ny fandoroana ny Kôrany.
Farzad Lami, tezitra tamin'ny zava-nitranga, nisioka sary iray ahitana polisy sy andian'olona mitazana ny fandoroana an'i Farkhunda.
SHAME: Kabul police watch after people in downtown Kabul burned a mentally ill woman allegedly over burning Quran. pic.twitter.com/OaWoj10uFV
— Farzad Lami (@FarzadLameh) March 19, 2015
MAHAMENATRA: polisin'i Kabul mitazana taorian'ny nandoroan'ny olona tao afovoan-tanànan'i Kabul ny vehivavy iray marary saina nolazaina fa nandoro Kôrany.
Fariba Nawa, Afghana mpanao gazety iray sady mpanoratra ny Opium Nation: Child Brides, Drug Lords and One Woman's Journey through Afghanistan, [firenen'ny zava-mahadomelina : Zaza avoaka manambady, lehiben'ny fanondranana rongony ary dian'ny vehivavy iray manavatsava an'i Afghanistan] ihany koa mihovitrovitry ny zava-nitranga, nanoratra tao amin'ny Twitter:
Local Afghans shocked by barbarism that killed and burned woman in Kabul. Let's see if the shock will translate to action. #Afghanistan
— Fariba Nawa (@faribanawa) March 20, 2015
Afghana tao an-toerana tafintohina tamin'ny fihetsika tsy valahara namono sy nandoro vehivavy tao Kabul. Andao hojerena raha hivadika ho hetsioka ny fahatafintohinana.
سلام مسلمانان امروز ساعت ۴ عصر زن بی دین قرآن شریف را در زیارت شاهدوشمشیره به آتش زد و بعدتوسط مردم دین دار کابل به شمول خودم اول کشته وبعد آتش زده شد دوزخ جایش انشا الله.
Salama ry Miozolomana. Androany tamin'ny efatra ora folakandro, vehivavy iray tsy mahatoky nandoro Kôrany tao Shah-e Do Shamshira. Namono azy tamin'ny voalohany ny olona ka anisany aho ary avy eo dia nandoro azy. Ho any amin'ny afobe anie ny toerana misy azy.
Ny sary eto ambany dia mampiseho ny lahatsoratra voalohany sy ireo sary nopihana teo amin'ny sehatra nanaovana ny heloka bevava. Tsy nosamborina i Baghlany.

Napetrak'i Sharaf Baghlany taorian'ny zava-nitranga. Sary noraisina tao amin'ny pejy Facebook Repoblikan'ny Fahanginana.
Tao amin'ny antsafa iray, nilaza ny iray tamin'ny solontenan'ny Minisiteran'ny Hajj sy ny raharaham-pivavahana fa raha nanitsakitsaka ny hitsivolana islamika ilay vehivavy sady tsy miozolomana, dia tsy hanameloka mihitsy izay nataon'ny olona.
Nanafintohina ny Afghana ny zava-nitranga satria teo am-piomanana ho amin'ny fetin'ny Norooz, taombaovao Persiana, tamin'ny Asabotsy ry zareo.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...