- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nanaiky Hiditra Finday Ihany Ny Nintendo Rehefa Nanosi-Bohontanana Nandritra Ny Taona Maro

Sokajy: Japana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Tanora, Teknolojia, Toekarena sy Fandraharahàna, Zavakanto & Kolontsaina
nintendo

Filalaovana Nintendo. Sary hita tao amin'ny Pixabay [1], CC0 Valam-bahoaka.

Nanaiky hampisy ny lalao malazany ho hita ao anaty smartphone sy ny fitaovana finday hafa ihany ny orinasa mpanamboatra fitaovana elektronika Japoney Nintendo

Tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity, nanambara fiarahamiasa [2]amin'ny mpikirakira lalao amin'ny finday DeNa ny Nintendo. Araka ny fifanekena, hampiasa ireo famantarana sy ireo olona amantarana ny lalao malaza Nintendo ny DeNA hamoronana lalao vaovao tanteraka.

Amin'ny maha-mpamorona lalao maherin'ny 1000 natao tamin'ny Android sy fitaovana iOS,  antenaina hanome fahaiza-manao manan-danja [3]ahafahan'ny Nintendo hamokatra amim-pahombiazana ny lalaony amin'ny finday ny DeNA.

Raha efa ela ny namolavolan'ny Nitendo lalao mivelatra Game Boy [4]sy ireo karazam-pitaovana DS [5], hatreto dia mbola mitsipaka hamokatra lalao ho an'ny tsenan'ny finday faobe ity mpamorona lalao miorina ao Kyoto  ity.

Manamarika ny IT Media News [6], izay miresaka lalao sy fanjifana fitaovana elektronika ao Japana hoe:

 任天堂は、これまで「マリオ」など既存タイトルのスマートフォン向け移植などは否定していた (link [7])

Hatramin'izao, tsy mety mametraka ny Mario sy ny lalao hafa ho hita ao anaty finday avo lenta (smartphone) sy ny fitaovana finday hafa ny Nintendo..

Mitazana ny mpitati-baovao Japoney malaza momba ny teknolojia Yuka Okada [8], manoratra ao amin'ny IT Media News:

 任天堂はスマホゲームに本格的に踏み出す(link [9])

Toa tahaka ny miditra an-tsehatra tanteraka amin'ny smartphone ny Nintendo.

Kanefa, na dia eo aza ny fahombiazana tamin'ny kitendry [10]Wii home [10] nivoaka tamin'ny taona 2006, niady mafy ny Nintendo hatramin'ny namokarany ny kitendry vaovao Wii U tamin'ny 2012. Sambany matiantoka ny orinasa tamin'ny 2013 [11], na dia nahitana tamberin-tombombarotra aza tamin'ny 2014.

Nifanojo tamin'ny fanekena hampiasana haingana manerantany ny smartphone sy ny finday ho azo ilalaovana lalao maimaimpoana ny tsy fandehanan'ny tsenan'ny Nintendo.

Nanasongadina ny Nippon.com [12], izay mamoaka lahatsoratra fanadihadiana isan-karazany ara-potoana momba ireo lohahevitra Japoney sy mandika izany ho amin'ny teny anglisy sy teny hafa hoe:

 一方、据え置き型ゲーム機「Wii U」の販売が落ち込んだことも響いて赤字が拡大した (link [13])

Nitohy [niantraika tamin'ny tombom-barotry Nintendo] ny fihenan'ny varotra, nitarika fatiantoka mihagoavana hatrany hatrany.

Tamin'ny fotoana nihantsian'ireo lalao hafa amin'ny finday ny fanjakazakan'ny Nintendo, dia niteraka fahadisoam-panantenana ihany koa ny kitendry Wii U tamin'ny 2012 noho ny halafony sy ny tena zavatra mba azon'ireo mpanjifa azy amin'io vidiny io.

 ユーザーはおもしろいソフトを楽しむために、しかたなくハードを買うのだから、ゲームの命綱はソフトにこそある (link [14])

Ny antony tokana nahatonga ireo olona nividy ny kitendry Nintendo sy ireo rindrambainga hafa dia satria tian'izy ireo ny milalao ny lalaon'ny Nintendo. Ny [fizaka-mananan'ny Nintendo] no famonjena tokana iveloman'ny orinasa .

Tamin'ny fanekena ihany ny fifindrana tsy azo ihodivirana mankany amin'ny finday, dia misy ny fahatsapana izany no fialan'ain'ny vanim-potoana Nintendo.

Na dia mariky ny vanim-potoana sy fanapahan-kevitra ara-pandraharahana aza ny fanapahan-kevitry Nintendo hiditra amin'ny tsenan'ny finday, dia misy toe-javatra somary mampalahelo kely ihany.

Mbola nilaza ny Fllohan'ny Nintendo Satoru Iwata fa manana fatokisana amin'ny hoavin'ny kitendry filalaovana izy, ary voatsonga ny fitenenana hoe [13]: “Tsy maninona izay mety ho lazan'ny finday avo lenta (smartphone) sy ny tablety, raha mbola maharaka ny vanim-potoana izahay, tsy hitranga mihitsy izany hoe hanjavona tanteraka ny fitaovana natokana hilalaovana.”

Raha jerena amin'ireo emoticone [sary fanehoana fihetseham-po], tsy ny rehetra no mety resy lahatra amin'ny fitokisan'i Iwata :

Filohan'ny Nintendo, Iwata. “Nalaza tamin'ny fanoheran-kevitra hatrizay ao Japana ny Nintendo. Izay nilaza fa: ‘Izao no ataon'ny hafa rehetra, ka tsy mahaliana mihitsy ny hanao izany. Te-hiasa mafy izahay ary mahita lalana hafa hahombiazana. ” (*゚∀゚)イイ!

Farafaharatsiny, mba niteraka kisarisary mampihomehy (meme) mahaliana ny fiaraha-miasa eo amin'ny Nintendo ao Kyoto sy ny DeNA ao Yokohama.

Malaza amin'ny lalao Mario ny Nintendo, raha nahazo laza tamin'ny fahazoana ny tsy fandoavan-ketra amin'ny lalao baseball matihanina Yokohama Baystars kosa ny DeNA. Niafara tamin'ny meme (kisarisary mampihomehy) manesoeso an'aterineto [17] ao Japana ny fifandraisan'izy ireo:

Raha nanome zo ho an'ny DeNa amin'ny [Mario] ny Nintendo, dia tahaka ny efa niaraka tamin'ny DeNA nandritra ny lavalava kokoa izy (Nintendo).

Voalaza fa ahitana fitoviana manaitra amin'ny lalao Mario an'ny Nintendo i Carlos Ponce [20], izay nilalao tao amin'ny Yokohama Taiyo Whales (mpialoha lalana amin'ny Bay Stars tamin'ny 1980).