Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

20 Marsa 2015

Tantara tamin'ny 20 Marsa 2015

Ankizivavy Okrainiana, 8 Taona, No Niharam-Doza Farany Tamin'ny Ady

Ny Alatsinainy teo, fiara mifono vy iray no nihanika nandeha tamin'ny sisin-dàlana ka ankizivavy 8 taona no maty tao anatin'ilay zava_doza, izay niteraka korontana tao Konstantinovka, tanàna iray atsinanan'i Okraina.

Famakafakana Ny Tantara Mitohy Samy Mitondra ny Lohateny hoe “Tanindrazana” eo amin'ny Filma Amerikana sy ny Filma Rosiana

Nijery ny fizarana voalohany i Vadim Elistratov avy ao amin'ny TJ ary manazava ny antony maha-sarotra ialàna ny tsy fahombiazan'ny fanamboarana ny tantara hifanaraka amin'ny zavamisy rosiana, saingy hita fa matahotra ho mivaona be loatra amin'ny ôriginaly ireo mpamorona ny tantara, ary nisy fiantraikany tamin'ny tantara mitohy Rosiana izany.

Netizen Report: Taokanto, Firaisana Ara-nofo Ary Ny Habaka Sosialy

Miatrika sivana ao amin'ny Facebook ny mpanao zavakanto ary arangarangan'ny Loholona Amerikana, Ron Wyden, fa indraindray dia tena midika fanaraha-maso mihitsy ny "cybersecurity" (fiarovana ny tontolon'ny habaka).

“Nosamborina Noho Ny Fividianana Sigara sy Ronono Izy” Hoy Ny Vadin'ilay Tompon-daka Manerantany Teo Aloha avy ao Bahrain

Voasazy higadra 10 taona an-tranomaizina "noho ny fivoahana hividy sigara sy ronono" i Mohamed Mirza, Bahrainita nahazo medaly volamena teo aloha tamin'ny jujitsu Breziliana, hoy ny vadiny nisioka.