
Navoakan'ny Banky Foibe Ao Iran ilay vola taratasy vaovao 50.000 Rial nanoloana ho vavahadin'ny Anjerimanontolon'i Teheran ny sary ao ambadika. Io sary io no manolo ilay sarintanin'i Iran nahitana ny mariky ny nokleary.
Ny 2 Martsa lasa teo no navoaky ny Banky Foibe ao Iran ilay vola taratasy vaovao 50.000 Rial, izay noraisin'ny mpanara-baovao maro ho “fihetsika politika”. Ilay vola vaovao, izay naseho ho fantatr'ireo mpikambana ao amin'ny Anjerimanontolon'i Teheran tamin'ny 4 Martsa, dia manolo ireo sary famantarana ny nokleary ho ny vavahadin'ny Anjerimanontolon'i Teheran.
Amin'izao fotoana izao, dia ao anatin'ny fifampiraharahàna miaraka amin'ny P5+1 any Lausanne, Soisa, momba ny fandaharanasa nokleariny ny governemanta Iraniana. Ny faran'ny Martsa no napetraka ho fetra farany amin'ireo fifanarahana. Ny fifanarahana iray momba ny nokleary no hamaritra ny fetran'ny fanatavezana ny nokleary ao Iran ho fanampin'ny fomba hanesorana ireo sazy mihatra amin'i Iran.
Kevan Harris, mpahay fiarahamonina ary tale mpiara-mitantana ny Anjerimanontolon'i Princeton ao Iran, no nandefa ny vaovao tao amin'ny pejiny Twitter :
Iran's Central Bank issues new 50K rial note. Old one had nuclear symbol, new one has Tehran University gates: http://t.co/AM8aN0yhX7
— Kevan Harris (@kevankharris) March 16, 2015
Namoaka vola taratasy vaovao 50K rial ny Banky Foibe ao Iran. Nisy mariky ny nokleary ilay iray taloha, ilay iray vaovao kosa misy sarin'ny vavahadin'ny Anjerimanontolon'i Teheran
Yes it is political. The previous 50K bill: http://t.co/pOl2IXB5ZZ
— Kevan Harris (@kevankharris) March 16, 2015
Eny resaka politika io. Ity ny vola taratasy teo aloha
Also replaces a quote from Muhamad with one from Ferdowsi, but I won't go there because the Muhamad quote was pure Iranian nationalism too.
— Kevan Harris (@kevankharris) March 16, 2015
Nosoloina ny tenin'i Ferdowsi ihany koa ny an'i Muhamad, saingy tsy any no halehako satria fitiavan-tanindrazana Iraniana madio rano koa ilay tenin'i Muhamad
Tao anaty resaka ho an'ny Global Voices, nohazavain'ì Harris fa mitodika mankany amin'ilay vola taloha natonta taorian'ny revolisionan'ny 1979 ilay fiovàna :

vola taratasy 500 Rial fahiny natonta taorian'ny revolisiona islamika voalohany tamin'ny 1979, nahitàna ny sarin'ny vavahadin'ny Anjerimanontolon'i Teheran. Sary tao amin'ny Wikipedia.
Hita teo amin'ireo vola 500 rial navoaka tamin'ny 1981 na taty aoriana kely ireo vavahadin'i Teheran ireo. Araka izany dia fampahatsiahivana izany vola izany io, saingy koa fampahatsiarovana ny maha-zava-dehibe ny akademia ambony sy ny fanabeazana amin'ny fandrafetana ny lamina revolisionera sy izay zavatra rehefa mifamatotra aminy. Fa, mazava ho azy, tetika tsy misy hafa amin'izany koa ny resaka angovo nokleary sy ny zavatra rehetra mifamatotra aminy miaraka amin'ny siansa sy ny fandrosoana.