Tetikasa Iray Miainga Eny Ifotony Hanaovana Sarintanin'i Amazon

Image taken from the project's website.

Sary nalaina tao amin'ny tranonkalan'ny tetikasa.

Mandrakotra velarantany 5,5 tapitrisa kilaometatra toradroa, ary misandrahaka aminà firenena valo samihafa (Brezila, Pero, Bôlivia, Kôlômbia, Ekoatora, Venezoela, Goiana, ary Sorinàma), tena goavana ary faran'izay manan-danja i Amazona. Miaraka amin'ireo zavamaniry sy biby misy ao amin'izao fotoana izao, izay tandindonin-doza noho ny fanimbàna ny ala sy ny fambolena tsy ankitsitsy, tsy manao afa-tsy ny manampy trotraka ny fahavoazana ny fitrandrahana an'ireo “loharano” tsy azo havaozina ao Amazona sy ireo lazaina fa azo havaozina ho an'ny indostria.

Any amin'ireo faritra lavitra tahaka an'i Amazona, tena ilaina be ho an'ny fitetezana virtoaly ny sarintany sy ny fanehoana an-tsary tsotra. Eo no miditra ny Mapazonia : “tetikasa iray misokatra miainga eny ifotony ho fanaovana sarintany ny faritra ao Amazona, ao amin'ny OpenStreetMap.” Miaraka amin'ireo renirano lavabe, ny toe-tany manahirana, ny zavamaniry mikitroka, ny hafanana ambony be izay mety hahatratra ny 43°C (109°F), sy ny zava-miseho maro samihafa ary ireo sakana, dia mety ho toerana sarotra hidirana tokoa i Amazona. 

Ireny fanamby ireny indrindra no asongadin'ny Mapazonia ao amin'ny tranonkalany :

El proyecto nace como iniciativa de la comunidad latinoamericana de OpenStreetMap con el objetivo de llevar adelante mapeos colaborativos sobre terrenos y problemáticas comunes a la región.

Fandraisana andraikitra iray avy amin'ny vondrom-piarahamonina “OpenStreetMap” ao Amerika Latina ilay tetikasa, ka ny tanjona dia ny hanaovana fandrafetana sarintany miainga eny ifotony momba ireo tany sy olana iraisana ao amin'ilay faritra.

Mapazonia manazava fa:

Nuestro principal objetivo es mejorar el mapa con las geometrías de todos los ríos y carreteras.

Ny tena tanjonay voalohany dia ny hanatsara ilay sarintany miaraka amin'ny jeometrian'ny renirano sy ny làlana tsirairay.

Mapazonia dia mandray anjara amin'ny OpenStreetMap, tetikasa iray ifandrimbonana mba hananganana sarintany iray an'izao tontolo izao, azo atao ovàna an-kalalahana. Amin'izao fotoana izao, asa telo hanaovana sarintany miainga eny ifotony no sahanin'ny Mapazonia : Acre River lembalemba ao Bolivia (81 isanjato no efa feno), Xingu River lembalemba ao Brezila (53 isanjato no efa vita), ary lembalemba samihafa ao Kôlômbia (99 isanjato no efa vita).

Niresaka tamin'i Marco Antonio Frías, mpikambana iray ao amin'ny OpenStreetMap sy ny tetikasa Mapazonia ao Bôlivia ny Global Voices. Lazainy fa tamin'ny Oktobra 2014 tany ho any no nanomboka ny tetikasa, nandritry  ny Kaoferansam-Paritra Andiany faha-2 an'i OpenDate AbreLatAm sy ConDatos, tao an-tanànan'i Mexico. Izay no fihaonana voalohany nataon'ireo vondrom-piarahamonin'ny OpenStreetMap avy any Kôlômbia, Mexico, Brezila, Bôlivia, Nikaragoa, Shily, ary Arzantina. Tao amin'ilay fihaonana dia nifantohan'ireo mpikatroka mafàna fo ireo hetsika maika natao nandritra ireo hamehana noho ny maha-olona, toy ny tondradrano, horohorontany ary doroala.

Taty aoriana, tamin'ny Kaonferansa Fanao isan-taona andiany Fahavalo nataon'ny OpenStreetMap “Map State,” tao Buenos Aires, tany ampiandohan'ny Novambra 2014, nifanakalozan'ilay vondrona hevitra ny hanaovana sarintany ireo renirano sy làlana ary riandrano rehetra izay mandrafitra ny faritra Amazona.

Mety haparitaka ilay tetikasa ary hiantehitra aminà vondrom-piarahamonina erantany, marolafy, miahy tena, misokatra ary mirotsaka an-tsehatra. Amin'ny fampiasàna lisitra misy ny mailaka sy efijery IRC ifampiresahana mivantana no ifandraisan'ireo mpirotsaka antsitrapo, ary misy kaonty ofisialy ao amin'ny Twitter hanangonana ireo tantara vaovao sy hankalazàna ny dingana vita. Tena misokatra tanteraka ho an'ny tsirairay ilay vondrom-piarahamonina—izay mpandray anjara maniry ny hitondra ny anjara birikiny dia afaka miara-mamorona sarintany iray ampahany amin'ity planeta ity. Tsy misy fanilikilihana noho ny teny ampiasaina, na firenena niaviana, na toerana, na haavom-pahalalàna norantovina, na zavatra hafa. Ary miezaka foana ilay tetikasa manitatra ny ambaindain'ny mpandray anjara ao aminy.

nmnn

Sarintanin'ny lembalemban'ny renirano Xingu ao Brezila. Sary nahazoana alàlana tamin'ny tetikasa Mapazonia ny nampiasàna azy

Ny Task Manager, novokarina sy tarihan'ny tetikasa HOT no ampiasain'ny Mapazonia, fitaovana iray azo ampiasaina malalaka izay manamora ny fanapariahana ny fiaraha-miasa amin'ny asa fanaovana sarintany.

Raha te-hifandray amin'ilay tetikasa ianao, dia azonao atao ny miditra ao amin'ny Twitter sy ao amin'ny pejiny manokana ao amin'ny WIki, toerana andrindràny ny asany sy ny loharanony. Afaka mahazo fanampim-panazavana misimisy kokoa ihany koa ao amin'ity lahatsoratra am-bilaogy ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.