- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mitombo Avo Roa Heny ny Fangatahan'ny Governemanta ao Rosia Hanaisotra Vontoaty, Hoy ny Tatitry ny Facebook

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Sivana, Akon'ny RuNet
Images mixed by Tetyana Lokot.

Sary namboarin'i Tetyana Lokot.

Facebook, iray amin'ireo tambajotra sosialy malaza indrindra ao Rosia, no nitatitra [1] fa mila hitombo avy roa heny ny fangatahana handrara vontoaty avy amin'ny governemantan'ny Federasiona Rosiana nandritra ny enimbolana faharoan'ny taona 2014.

Ao amin'ny toko vaovao Itaterany ny Fangatahan'ny Governemanta Manerantany [2], mandrakotra ny fotoana manomboka amin'ny jolay 2014 ka hatramin'ny desambra 2014, dia iray ihany ny fangatahan'ny governemanta ao Rosia hamantatra ny mombamomba ny mpisera ao India, saingy tsy nisy novaliany ireo. Raha ampitahaina, tamin'ny enimbolana voalohany 2014 dia tsy nandray fangatahan'ny governemanta Rosiana mombamomba ny Rosiana mpisera ny Facebook.

Mandritra izany fotoana izany, nitatitra ny Facebook fa nanakana vontoaty 55 tao Rosia izy, izay nifototra tamin'ny fitakian'ny manampahefana Rosiana (raha oharina tamin'ny fanakanana vontoaty 29 tontosa nandritra ny tapany voalohan'ny taona 2014). Tsy nomarihan'ny tambajotra ny isan'ny fangatahana azony sy ny isanjaton'ny fangatahana nankatoavina.

We restricted access in Russia to some content reported by The Federal Service for Supervision of Communications, Information Technology, and Mass Media under local laws prohibiting content that promotes drug use and self-harm, extremist activities, unsanctioned mass riots/marches, and for violating the integrity of the Russian Federation.

Nosakananay tao Rosia ny vontoaty sasany notorian'ny Sampandraharaha Federaly Fanarahamaso ny Fifandraisana, ny Teknolojiam-baovao ary ny Mpampita vaovao amin'ny Vahoaka noho ny fisian'ny lalàna ao an-toerana mandrara ny vontoaty mampiroborobo ny rongony sy ny fanimban-tena, ny hetsiky ny ekstremista, ny diabe/rota-bahoaka tsy nahazo fankatoavana, sy noho ny fanitsakitsahana ny tsy azo izarazaràna ny Federasiona Rosiana. 

Raha oharinta tamin'ny tapany voalohan'ny taona 2014, tafiditra amin'ny sokajy vaovaon'ny vontoaty voarara ao amin'ny Facebook ao Rosia ny “diabe/rota-bahoaka tsy nahazo fankatoavana” sy ny “fanitsakitsahana ny mahairay tsy mivaky ny Federasiona Rosiana.”

Tamin'ny Desambra 2014 ny Facebook nanakana ny Rosiana mpisera tsy hiditra [3] amin'ny pejin'ny hetsi-bahoaka iray ho fanohanana ilay fanta-dazan'ny fanoherana Alexey Navalny, izay niteraka fahaketronana ankapobe avy amin'ny RuNet. Efa niantoka ny solontenan'ny Facebook fa tsy hanakana intsony [4]vontoaty na pejy mifandraika amin'ny hetsi-panoherana ao Rosia.