Vietnamiana Mpaka Sary Fanao An-gazety Manohy Mitokona Tsy Mihinan-kanina Taorian'ny Efatra Taona Nifonjàny
Tanora mpaka sary fanao an-gazety i Minh Man Dang Nguyen, nitokona tsy nihinan-kanina nandritry ny fotoana lavabe tato anatin'ny volana vitsivitsy mba hanoherany ny fitondra tsizarizary atao amin'ny fitànana am-ponja azy ao Vietnam. Vokatry ny fitokonana miverimberina tsy hihinan-kanina, tsy ela akory izay dia 35kg monja no lanjany.

Minh Man. Fampiasàna nahazoana alàlana.
Efatra taona lasa teo izay i Minh Man no nosamborina fa naka sary ny soratra rangodrangotry ny mafàna fo nandritry ny fihetsiketsehana iray nanoherana an'i Shina nitranga tao an-tanànan'i Ho Chi Minh. Ny Janoary 2013, voaheloka izy niaraka taminà bilaogera sy mpikatroka hafa 13 fa hoe nanao “hetsika nikendry ny hanongana fanjakana” izay tao anatin'izany no namaritana ny hoe fanozongozonana politika goavana indrindra teo amin'ny firenena tao anatin'ny taona maro. Nohelohina valo taona an-tranomazina izy ary dimy taona tazonina aminà toerana tsara ambina. Na teo aza ireo antso ho famotsorana azy, mbola any am-ponja foana i Minh Man.
Ho fanampin'ny sazy famonjàna mandritry ny fotoana lava sy ny fihazonana azy tamina toerana tsara ambina, mbola niharan'ny endrika sazy hafa ihany koa i Minh Man: fomba fitondra faran'izay tsy rariny sy manavakavaka atao any am-ponja.
Hatramin'ny Novambra 2014, fitànana manoka-monina aminà faritra mihataka ao amin'ny fonja no itazonana an'i Minh Man, toerana toy ny fonja faran'izay tsara aro indrindra. Tsy mazava ny anton'izany, saingy ilay “faritra fampanarahana fitsipika” ao amin'ny fonja izay itazonana azy dia voalaza fa vao naorina natao fotsiny ho an'ireo fonjaina noho ny feon'ny fieritreretany.
Tsy toy ireo hafa voafonja, fa sakanana i Minh Man tsy handray anjara amin'ireo fampiasana vatana sy fanazaran-tena. Tsy azo atao ny fifaneraserana amin'ireo mpifonja tsy noho ny resaka politika. Matetika iharan'ny fihantsiana sy famelezana am-bava koa ireo voagadra noho ny antony politika. Mba haharatsy kokoa ny raharaha, indraindray koa no feperana ny zon'i Mihn Man tsy ho azo tsidihana. Ohatra, vao haingana ny reniny, izay efa gadra noho ny feon'ny fieritreretany ihany koa, no nosakanana tsy hifandray tamin'ny zanany vavy. Ireny hetsika rehetra ireny dia samy nikendrena daholo ny hampakarana ny tsindry ara-tsaina ateraky ny fanokana-monina sy hamoronana tontolo feno tahotra sy aretin-tsaina mampirediredy.
Ampahany aminà fironana lehibe kokoa io fomba fitondra an'i Minh Man io. Tao anaty tatitra iray tamin'ny 2013 momba ireo gadra noho ny feon'ny fieritreretany ao Viet Nam, nomarihan'ny Amnesty International fa marobe ireo gadra noho ny politika no tazonina amin'ny fomba faran'izay henjana, izay efa azo ampitoviana amin'ny fomba fitondra lozabe, tsy manaja ny maha-olona sy manimba. Iharan'ny fomba fitondra tsy mendrika ry zareo, isan'izany ny ataon'ireo gadra hafa, izay jeren'ireo mpiambina fonja fotsiny. Nandeha lavidavitra kokoa aza ny Amnesty International tamin'ny tatitra nataony fa hoe mazàna izy ireny no tànana aminà toerana fanokàna-monina na atokana mihitsy mandritry ny fotoana lavabe ho toy ny saziny. Nanamafy an'io ireo efa nogadraina noho ny feon'ny fieritreretany ary nitatitra fa efa niharan'ny fanokàna-monina ary nahazo faniratsiràna am-bava ry zareo, tsy navela hamaky boky na hahazo izay sakafo sahaza na hisotro rano, izay niteraka olana ara-pahasalamàna fanampiny ho azy ireo.
Araka ny nanasongadinan'ny Kaomisionan'ny Firenena Mikambana misahana ny Zon'Olombelona azy sy ny mpitondrateny manokan'ny Firenena Mikambana momba ny fampijaliana, ny fanokanà-monina mandritry ny fotoana maharitra, indrindra fa afangaro amin'ny tsy fahafahana mifandray amin'ny tontolo ivelany, dia azo ampitoviana amin'ny fampijaliana na fitondra hafa tsy misy antra, tsy manaja ny maha-olombelona ary manimba.
Nanampy an'i Minh Man amin'ny fitokonana tsy hihinan-kanina i Ta Phong Tan, manamboninahitra fahiny tao amin'ny polisy sady mpikambana mpanorina ny Klioban'ny Mpanao Gazety Malalaka, izay manefa sazy folo taona ao amin'ny fonja misy an'i Minh Man. Ny Jolay 2012, maty noho ny ratra nanjo azy ny renin'i Ta Phong Tan taorian'ny nandoroany tena teo anoloan'ny biraon'ny governemanta ho fanoherany ny fitànana am-ponja ny zanany vavy.
Nitondran'ny Hetsika Ho Fiarovana Araka Ny Lalàna ny Media fanavaozam-baovao ho an'ny Vondron'ny Firenena Mikambana Miasa mandinika ny Fitazonana tsy misy Fitsarana, ny momba ny fiharatsian'ny toe-draharahan'i Minh Man taorian'ny nahafenoan'ny fanangonan-tsonia natao teo aloha teo natao ny Desambra 2014, niaraka tamin'ny fanantenana hoe mba hanampy ny ady feno fahasahiana ataony io ho fanatsaràna ny fomba fitànana am-ponja azy.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...