- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Te-Hanolo Ireo Mpanoratra Gazety Ao Amin'ny Parlemanta Ireo Mpanao Lalàna Ogandey

Sokajy: Afrika Mainty, Oganda, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika
The main entrance to the Ugandan Parliament. Photo releases under Creative Commons by Andrew Regan.

Vavahady fidirana ao amin'ny Antenimieram-pirenena Ogandey. Sary navoakan'i Andrew Regan tamin'ny alalan'ny  Creative Commons.

Mieritreritra volavolan-dalàna hanolo [1] ireo mpanoratra gazety rehetra nitatitra ny raharaha parlemantera talohan'ny 1 Mey 2010 ireo mpanao lalàna Ogandey  “mba ho tombotsoan'ny fifandanjan'ny fitateram-baovao” .

Grace Natabaalo, mpanoratra gazety Ogandey malaza nizara ny taratasy manontolo tao amin'ny Twitter:

Kasain'ny parlemanta ao Oganda hosoloina ireo mpanoratra gazety mpitati-baovaon'ny antenimieram-pirenena mihoatra ny 5 taona

Nanafintohina ireo Ogandey maro ny fikasana hanolo ireo mpanoratra gazety zokiolona manana traikefa goavana amin'ny politikan'ny fanaovan-dalàna.

Niantso ny fanapaha-kevitra ho “fahadalana” i Bernard Tabaire:

Tokony hiverina amin'ny fanapahan-keviny adala tsy misy hatak'andro mikasika ny fandroahana ireo mpanoratra gazety izay nitati-baovao momba azy nandritra ny 5 taona ny parlemanta.

Ny hafa, tahaka an'i Kemigisa Jacky, mafana fo amin'ny media sosialy nanasokajy izany ho toy ny fanararaotam-pahefana.

Tontosa 100% ny fanararaotam-pahefana nataon'ny parlemanta !! Tian'ny vaomiera parlemantera tarihin'i Kadaga hivoaka ireo mpanao gazety nitati-baovao tao nandritra ny 5 taona.

Maro ny olona mitaky valiny. Morrison Rwakakamba, mpanadihady momba ny politikam-panjakana sy Filoha Tale Jeneralin'ny Agency for Transformation (Sampan-draharaha Hoan'ny Fanovana) nanontany hoe:

Tokony hamela malalaka ireo mpanoratra gazety ny Parlemanta. Inona izany Antenimieram-pirenena manafina an-dRamatoa Mpitondra teny izany?

Dan Mumbere, mpanolotra fandaharana ao amin'ny fahitalavitra Urban nisioka hoe:

Loto ohatrinona no voaangon'ny mpanoratra gazetin'ny parlemanta ao anatin'ny 5 taona? Izany no tantara tiako ho fantatra

Nilaza kosa i Grace Natabaalo fa tokony ny tokantranony aloha no diovin'ny parlemanta fa tsy ny hafa :

Tokony handroaka ireo solombavambahoaka mpingitrika ny parlemanta

Nampiseho ny tatitry ny parlemantera [12]nivoaka tamin'ny herintaona fa “fivoriana latsaky ny 10 tamin'ireo fivoriana 60 nantenaina atrehiny tamin'ny fivoriana ara-potoana sy ny vaomiera maharitra tao anatin'ny 7 volana” no mba natrehin'ny ankamaroan'ireo solombavambahoaka”

Taorian'ny fahatafintohinan'ny vahoaka, nanazava ny toe-draharaha [13] ny filoha lefitra Ogandey Jacob Oulanyah fa nisy ny taratasy fanasana nalefa hoan'ireo tonian-dahatsoratry ny gazety isankarazany hiresaka ny amin'ny mbola volavolan-dalàna avy amin'ny vaomiera parlemantera.