Te-Hanolo Ireo Mpanoratra Gazety Ao Amin'ny Parlemanta Ireo Mpanao Lalàna Ogandey

The main entrance to the Ugandan Parliament. Photo releases under Creative Commons by Andrew Regan.

Vavahady fidirana ao amin'ny Antenimieram-pirenena Ogandey. Sary navoakan'i Andrew Regan tamin'ny alalan'ny  Creative Commons.

Mieritreritra volavolan-dalàna hanolo ireo mpanoratra gazety rehetra nitatitra ny raharaha parlemantera talohan'ny 1 Mey 2010 ireo mpanao lalàna Ogandey  “mba ho tombotsoan'ny fifandanjan'ny fitateram-baovao” .

Grace Natabaalo, mpanoratra gazety Ogandey malaza nizara ny taratasy manontolo tao amin'ny Twitter:

Kasain'ny parlemanta ao Oganda hosoloina ireo mpanoratra gazety mpitati-baovaon'ny antenimieram-pirenena mihoatra ny 5 taona

Nanafintohina ireo Ogandey maro ny fikasana hanolo ireo mpanoratra gazety zokiolona manana traikefa goavana amin'ny politikan'ny fanaovan-dalàna.

Niantso ny fanapaha-kevitra ho “fahadalana” i Bernard Tabaire:

Tokony hiverina amin'ny fanapahan-keviny adala tsy misy hatak'andro mikasika ny fandroahana ireo mpanoratra gazety izay nitati-baovao momba azy nandritra ny 5 taona ny parlemanta.

Ny hafa, tahaka an'i Kemigisa Jacky, mafana fo amin'ny media sosialy nanasokajy izany ho toy ny fanararaotam-pahefana.

Tontosa 100% ny fanararaotam-pahefana nataon'ny parlemanta !! Tian'ny vaomiera parlemantera tarihin'i Kadaga hivoaka ireo mpanao gazety nitati-baovao tao nandritra ny 5 taona.

Maro ny olona mitaky valiny. Morrison Rwakakamba, mpanadihady momba ny politikam-panjakana sy Filoha Tale Jeneralin'ny Agency for Transformation (Sampan-draharaha Hoan'ny Fanovana) nanontany hoe:

Tokony hamela malalaka ireo mpanoratra gazety ny Parlemanta. Inona izany Antenimieram-pirenena manafina an-dRamatoa Mpitondra teny izany?

Dan Mumbere, mpanolotra fandaharana ao amin'ny fahitalavitra Urban nisioka hoe:

Loto ohatrinona no voaangon'ny mpanoratra gazetin'ny parlemanta ao anatin'ny 5 taona? Izany no tantara tiako ho fantatra

Nilaza kosa i Grace Natabaalo fa tokony ny tokantranony aloha no diovin'ny parlemanta fa tsy ny hafa :

Tokony handroaka ireo solombavambahoaka mpingitrika ny parlemanta

Nampiseho ny tatitry ny parlemantera nivoaka tamin'ny herintaona fa “fivoriana latsaky ny 10 tamin'ireo fivoriana 60 nantenaina atrehiny tamin'ny fivoriana ara-potoana sy ny vaomiera maharitra tao anatin'ny 7 volana” no mba natrehin'ny ankamaroan'ireo solombavambahoaka”

Taorian'ny fahatafintohinan'ny vahoaka, nanazava ny toe-draharaha ny filoha lefitra Ogandey Jacob Oulanyah fa nisy ny taratasy fanasana nalefa hoan'ireo tonian-dahatsoratry ny gazety isankarazany hiresaka ny amin'ny mbola volavolan-dalàna avy amin'ny vaomiera parlemantera.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.