- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

MItsidika ny Faritr'i Everest Ao Nepal Tsy Miala ny Tanindrazana

Sokajy: Azia Atsimo, Nepal, Hevitra, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Saripika, Teknolojia, Tsidika
Glimpse of the Himalayan range featuring Ama Dablam. Image from Flickr by Franck Zecchin. CC BY-NC-SA 2.0 [1]

Topimason'ny tendrombohitra Himalaya mampiseho an'i Ama Dablam. Sary tao amin'ny Flickr an'i Franck Zecchin. CC BY-NC-SA 2.0

Tendro tsy azo ihodivirana hoan'ireo mpananika tendrombohitra manerana izao tontolo izao i Everest, tendrombohitra avo indrindra [2] manerantany ao amin'ny tangorombohitra Himalaya, ary ny faritra Everest amin'ny ankapobeny no toeram-pitsidihana hajain'ireo tia karazam-pisedrana sy mpankafy zavaboahary. Noho fikitoantoana sy ny haavon'ny toerana, dia tsy tafiditra ao amin'ny faritra mihitsy ianao raha tsy manana adrenaline ampy sy tsara.

Saingy tsy ho izany intsony.

Nanangana fitsidihana virtoaly ao amin'ny faritra Khumbu, fahafantarana azy hafa koa ny Google, ahafahanao mamakivaky [3]ny lalana mamitaka ary mitondra anao ao amin'ny tazamaso mahatalanjona hodidinin'ireo tendro avo indrindra manerantany.

Mahafinaritra ny Fitsangatsangana ao amin'ny Faritra Everest noho ireo talaky maso isan-karazany, hadilalana lalina, lohasaha, Tendrombohitra Everest, sns

Nanangana fitsidihana virtoaly ao amin'ny faritra Everest ao Nepal ny Google.

Roa ny tompon-kevitra tamin'ny tetikasa dia i Apa Sherpa, antsoina hoe Super Sherpa [12] nananika ny Everest in-21, sy i Saurav Dhakal, mpanao gazety teo aloha sady mpandraharaha ara-tsosialy. Nandritra ny dia an-tongotra 99 andro [13] tamin'ny Great Himalaya Trail [14]ino nihaonan'izy roa tonta, fitsangatsanganana an-tongotra 1700 kilaometatra manavatsava ny sakelik'i Himalaya misandrahaka hatrany Kanchenjunga ao atsinanana ka hatrany Hilsa andrefana.

Nananika an'i Everest voalohany indrindra amin'ny maha-mpibata entana i Apa izay nanofinofy ho lasa dokotera ary nananika ny tampony in-20 – fa tsy noho ny fankafizana fananihana tendrombohitra. Tao amin'ny bilaoginy Growing up in the shadow of Everest (Nihalehibe tao amin'ny alokalok'i Everest) [15], no nilazany fa nanao izany izy hanomezana hoavy tsara kokoa ho an'ny zanany.

Na dia tsy lasa dokotera aza izy dia velom-panantenana fa ho lasa dokotera ny ankizy ao an-tanindrazany. Mamatsy vola sekoly fanabeazana fototra faharoa iray ao amin'ny toerana misy azy ny Apa Sherpa Foundation. Tamin'ny volana Martsa 2014 ny fikambanana [16] sy ny Story Cycle, [17] naorin'i Dhakal, no niara-niasa tamin'ny Google Earth Outreach hanohanana ny mponina ao amin'ny faritra Khumbu hametraka antserasera ny fiarahamonin'izy ireo ao amin'ny Google Maps.

Nandritra ny fitsangatsanganana naharitra 10 andro notarihin'i Apa, naka sary anatiny sy ivelan'ny trano ny ekipa mba hanangana sary amin'ny Street View (Tazana an'Arabe) [18].

Nizara lahatsary manandratra ny faritra tao amin'ny Youtbe ny Google Maps.

Ammu Kannampilly, lehiben'ny biraon'ny Agence France-Presse ao Nepal nisioka hoe:

Azonao jerena ato ny fitsidihan'ny Google ny faritra mahafinaritra ao Everest https://t.co/ew2epfGb3t [20]

Liana? Mandehana mitsangatsangana [23]? Efa azo hitsangatsanganana tsara ny faritra Everest [24], natahorana tamin'izy saro-dalana sy mideza.