- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Filma Mampiseho Ny Fiainan'ireo “Mpiasa Antselika ao Japàna” Mialokaloka any amin'ny Cybercafe

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Sarimihetsika, Sendikà, Toekarena sy Fandraharahàna
internet cafe [1]

Pikantsary avy amin'ny “Japan's Disposal Workers (Mpiasa Antselika ao Japana) : Mpialokaloky ny Cyberfe” (2015)

Voarakitra ao amin'ny “Mpiasa Antselika ao Japana,” notontosain'i Shiho Fukada, novokarina niaraka tamin'ny MediaStorm [2] sy Pulitzer Centre [3] ny fiainan'ireo sarimonin'ny cybercafe mpandray vola kely tsy ahafahany manofa trano akory.

Efa taom-polo mahery no nisy ny cybercafe ao Japana, saingy tamin'ny tapaky ny taona 2000, nanomboka nampiasa ireo toerana ho toeram-ponenana ireo mpanjifa. Araka ny asehon'ny horonantsary, 38% amin'ireo mpiasa ao Japana farafahakeliny no mpiasa tsy mateza (tsy maharitra) avokoa, atsasaky ny vola azon'ireo mpiasa maharitra no mba azon'izy ireo.

Mety ho lafo ny vidim-piainana ao antanàndehiben'i Japana, ary manome karazana antoka amin'ny lafiny sasany, zanatohatra iray ambonin'ny fanaovana ny eny ankalamanjana ho fonenana, ireo efitra kely manokana ao amin'ny cybercafe.

Anisan'ireo andian-tsarimihetsika mifototra amin'ny “Mpiasa Antselika ao Japana’ [4]” ny lahatsary fanadihadiana, andian-tsary avy amin'ilay mpanao gazety mpakasary Shiho Fukada [5].

Manasongadina ny olana miantraika amin'ny sehatry ny mpiasa ao Japana nozaraina ho fandaharana  telo ny andian-dahatsary fanadihadiana “Mpiasa Antselika ao Japana [6]“, izay mandravaka an-tsary ny krizy ankapobe mahazo ny mpiasa manerantany amin'izao fotoana izao eo anivon'ny asany.

Ireo Filma teo aloha efa notontosain'i Fukada dia ahitana ny “Overworked to Suicide (Asa tafahoatra Mamono tena)” sy ny “Dumping Ground (Tany Fanariam-pako – Ataon'ny olona fametrahan-javatra tsy tiana).”

Mitantara ireo toetran'ny tontolon'ny asa ao Japana taorian'ny fihemoran'ny fiharian-karena tamin'ny taompolo 1990 ny “Overworked to Suicide [7]“, [Asa tafahoatra Mamono tena] raha nihaniasa mafy mandritra ny ora maro ireo mpiasa birao ao Japana noho ny tahotra ny ho very asa, ka niafara amin'ny fitombon'ny tahan'ny fahakiviam-panahy aman-tsaina sy ny famonoan-tena izany.

Milaza ny tantaran'i Kamagasaki, Osaka, izay nampiasaina ho tanànan'ny mpiasa mandray karama isan'andro kosa ny “Dumping Ground [8]“. Mampiantrano olona tsy an'asa eo amin'ny 25.000 sy lehilahy antitra izay tsy manan-kialofana ny maro amin'izy ireo izany tanàna izany amin'izao fotoana izao.