Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Katsuo Ningen, Lohan-trondro Notapahana Miendrika Olombelona Mambabo Ny Fon'ny Japana

katsuo ningen mascot

Katsuo Ningen mampahafantata ny fifaninanana 2015 mba hifidy ny tranom-pisakafoanana Kochi tsara indrindra. Sary nindramina avy amin'i Sampan-draharaha mampiroborobo ny Marugoto Kochi / Fizahantany Kochi

Ao amin'ny firenena zatra sarim-biby famantarana (maskoty) hafakely, na dia ny Japoney aza somary gaga tamin'ny “Lehilahy Bonito,” fantatra kokoa ao amin'ny firenena ho Katsuo Ningen, nitafy-sikina, skipjack tuna miendrika olombelona izay misolotena ny Kochi, iray amin'ireo prefektiora mitoka-monina indrindra ao Japana.

Nahoana no gaga?

Rehefa jerena avy aty aoriana, dia miharihary fa lohan-trondro goavana notapahana i Katsuo Ningen:

Fanairana mahasosotra: Ity misy rakitsarin'i Naver Moteme mampatahotra (http://t.co/3lpHeBEwLB) ahitana ny biby famantarana ny Kochi, Katsuo Ningen ao an-toerana. Mahafinaritra tanteraka ity toko ity.

Noforonin'ny governemantan'ny prefektioran'i Kochi tamin'ny taona 2011 i Katsuo Ningen hiasa ho sarim-biby famantarana ny fampiroboroboana ny fizahantanin'ny prefektioran'i Ginza, Tokyo. Niala tao amin'ny famirapiratan'ny tanàn-dehibe nankao Kochi ny Katsuo Ningen nanomboka teo, ary mandany ny androny amin'ny fitetezan-toerana sy mampiroborobo mampanao izay hahamafinaritra ity prefekiora ambanivohitra midadasika ity.

Hatrao amin'ny foibeny ao Kochi, dia manohy mitantana pejy Facebook sy kaonty Twitter samy malaza ihany koa i Katsuo Ningene. Ilay sarimbiby famantarana ihany koa no malaza indrindra amin'ireo andiana horonantsary amin'ny habaka mampiroborobo ny prefektioran'i Kochi, antsoina hoe “Katsuo Ningen: Ny Sarimihetsika –  Andeha hoany an-tetezana Hariyama)” :

Raha fehezina, fandresena hoan'ny Prefektiora ambanivohitr'i Kochi ny lazan'i Katsuo Ningen. Maka ny anarany [Kochi] sy ny endrika avy amin'ny trondro skipjack ny sarimbiby famantarana izay hamantaran'ny olona manerana an'i Japana ny Prefektioran'i Kochi hatry ny ela.

Fangaro fototra amin'ny nahandro Japoney ny skipjack (trondro) nohamainina ary ampiasaina any amin'ny faritra maro anaovana ron-dasopy sy haingon-tsakafo. Nanome ny firenena ny ampahany betsaka amin'ity fangaro fototra ity amin'ny nahandro Japoney ny jono Kochi.

Raha Katsuo no resahina, Kochi no toerana voalohany tonga ao an-tsain'ny olona maro ao Japana.

A Katsuo, or Skipjack

Hala-tahaka katsuo, na skipjack ao amin'ny magazay fivarotana fahatsiarovana ao Tatsurahama ao Kochi Japan. Sary avy amin'i Nevin Thompson

Laharam-pahamehana hoan'ny mponin'ny prefektiora ny mametraka an'i Kochi ho tsaroana voalohany hatrany. Miorina ao amorontsiraka Pasifika ao amin'ny nosy Shikoku, voahodidina tendrombohitra i Kochi ary lavitry ny fifamoivoizana an-dalamby haingam-pandeha. Saro-dalana ny mankao amin'ny prefektiora, ary misy ankehitriny ny tolona hitazonana mpizahatany – sy ny vola lanian'izy ireo – ho any Kochi.

Seared katsuo with sea salt, garlic and citrus dip - a Kochi specialty. Photo courtesy Nevin Thompson.

Hala-tahaka amin'ny plastika ho fampisehoana ny katsuo nendasina tamin'ny siran-dranomasina, tongolo gasy sy voasary – nahandro mampiavaka an'i Kochi. Sary avy amin'i Nevin Thompson.

Laharam-pahamehana tahaka ny fizahantany ihany koa ny fampiroboroboana ny indostria. Matetika mitatitra ny karama isan'ora ambany indrindra sy ny vola miditra an-tokantrano isan-taona kely indrindra ao amin'ny prefektioran'i Japana, sy ahitana ny taha ambony indrindra amin'ny tsy fananan'asan'ny tanora ny prefektiora.

Ny fandosiran'ireo avara-pianarana mankany Tokyo mitranga amin'izao fotoana izao ihany koa dia midika ihany koa hoe miha-antitra haingana noho ireo prefektiora hafa i Kochi .

Manana orinasa i Katsuo Ningen

Na izany aza, nanangana sarim-biby famantarana avokoa ny faritra rehetra ao Japan, ka hatrany amin'ny tanànakely ambanivohitra mba hgamadihana izano ho marika matanjaka ao an-toerana izay miantso ny mpitsidika. 

Raha lasa “olona” tsara itokisana sy fiondrika ao Japana i Katsuo Ningen, dia lasa kintana malaza koa ny sarim-biby famantarana hafa.

Lasa hita hatraiza hatraiza i Kumamon, sarim-biby famantarana natsangan'ny Prefektiora ambanivohitr'i Kumamoto tamin'ny 2010 hampiroboroboana ny raharahan-dalamby mandeha haingana mampitohy azy amin'ny prefektioran'i Tokyo.

Ny fifanarahana ara-teknolojika maro no niantoka ny hanaovana ny endrik'i Kumamon ho hita na aiza na aiza hatrany amin'ny atin'akanjo ka hatrany amin'ny bà vinyl any amin'ny fidiovana :

Fihainoana an-tsofina sy fitondra lakile Kumamon amidy an-tserasera.

Miezaka dia miezana ny faritra ao Japana hampisy fifandraisana tsara amin'ny olona amin'ny alalan'ny sarimbiby famantarana masoivohon-dry zareo.

Eto izao ao an-tanàna teratanin'i Funabashi, ny sarim-biby (na zavatra) famantarana tsy ofisialy Funassyi (poara miendrika olona, vokatra voalohan'i Funabashi) miresaka amin'ny vondron'ny masoivohom-baovao vahiny ao Tokyo:

Nanontany ny Wall Street Journal hoe ohatrinona isan'ora ny hamahanana an'i Funassyi. (Manontany tena isika hoe ‘hanao raharaha inona'?) poara arivo isan'ora

Indraindray tsy hita eo noho eo ny fanintonana mety ho vitan'ny sarim-biby (na zavatra hafa) iray manokana.

Tamin'ny voalohany i Okazaemon, sarimbiby famantarana tsy ofisialin'ny tanànan'i Okazaki ao amin'ny Prefektioran'i Aichi, dia natsangana ho fanorenana sehon-javakanto iray tao amin'io tanàna io.

Okazaemon no iray amin'ireo sarim-biby famantarana dimy voalohany ao an-toerana ao Japana…

Na dia eo aza ny endrika tsy dia mahazatra an'i Okazaemon izay natao hanesoesoana, dia nampivelatra fitiavana fatratra tao Japana ilay zavatra sady lasa nanana ny vehivaviny Okazaennu.

Porofo angamba fa fomba iray matanjaka dia matanjaka hoan'ny faritra io sarim-biby famantarana io hanaitra ny fifantohan'izay mety hitsidika manerana an'i Japan.

fihaonamben'ny sarim-biby famantarana ity!

Ao anatin'ny vanim-potoanan'ny fihenan'ny vola azo amin'ny hetra sy ny fiakaran'ny sanda hanaovan-draharaha noho ny fitomboan-taonan'ny mponina ao Japana , dia misy ny sasantsasany manondro fa misy ny zavatra tsara kokoa hoan'ireo governemanta isan-tanàna [fiadidiana ny tanàna] handaniam-bola.

Noho izany toe-javatra izany no nahatonga ny taona 2014 no manamarika ny fandripahan'i Japana ny sarim-biby famantarana, izay ny “kilalao” voloina indray no nahazo ny fankatoavana kely avy amin'ny vahoaka manoloana [ireo sarim-biby famantarana].

Na izany aza dia mbola miavo-tena i Katsuo Ningen ary salama tsara, angamba noho ny fitiavan'i Japan mihinana thon nomainina.

Mety ho Katsuo Ningen ve io? Tsia a! Katsuo Tataki io (trondro thon nomainina) Ningen! Σ(゚ロ゚! #mitsidikaKochi #katsuoningen #sawachimatsuri

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.