- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ambivitry Ny Fanekena Fisian'ny Herisetra Mihatra Amin'ny Vehivavy Sy Ny Fanavakavahana Ve I Afganistan?

Sokajy: Mediam-bahoaka

Afghanistan. 25th August 2009 -- A woman in “Borghaa”, Burqa, or Chador [Traditional hijab for women in Afghanistan] is passing through the pigeons in the main square of Mazar-e Sharif City in Afghanistan. Demotix ID: 247626.

Afganistana. 25 Aogositra 2009 — Vehivavy ao anatin'ny ‘Borghaa’, Burqa, na Chador [Voaly nentim-paharazana hoan'ny vehivavy ao Afganistana] manavatsava ireo voromailala ao amin'ny kianjaben'i Mazar-Tanàna e Sharif ao Afganistana. Demotix ID: 247626.

Ao amin'ny firenena anjakazakan'ny lehilahy ao Afganistana, miankina betsaka ami'ny lehilahy ny tolona hoan'ny zon'ny vehivavy .

Noho izany antony izany, ny hetsika tamin'ny 5 Martsa, nahitana lehilahy Afgàna am-polony nidina an-dalambe [1] tao Kabul nitafy burqas ho hetsi-panoherana ny fanitsakitsahana ny zon'ny vehivavy ao Afghanistana izay nokarakarain'ny [1]vondrona antsoina hoe “Afghan Peace Volunteers” (Afgàna Mpilatsaka an-tsitrapo Ho amin'ny Fandriampahalemana) dia niteraka adihevitra momba ny tsy fitovian'ny lahy sy ny vavy ary koa ny herisetra ao amin'ny firenena nialoha ny andro iraisam-pirenena hoan'ny vehivavy.

Iray amin'ireo mpandray anjara i Bassir, 29-taona, nilaza hoe [2]:

Our authorities will be celebrating International Women's Day in big hotels, but we wanted to take it to the streets. One of the best ways to understand how women feel is to walk around and wear a burqa.

Hankalaza ny Andro Iraisam-pirenena hoan'ny Vehivavy ao amina hotely lehibe ny manampahefanantsika, saingy te hankalaza izany eny an-dalambe izahay. Iray amin'ireo fomba tsara ahatakarana ny fahatsapan'ny vehivavy ny mandehandeha sy mitafy burqa

Tamin'ny taona 1990 nandritra ny fitondrana Talibana, noterena [3] hitafy burqa ankalamanjana ny vehivavy. Mbola fahita ao Afganistana ity fomba amam-panao izay lazain'ny maro fa mitovy amin'ny famoretana ity na dia efa voahongana aza nyTaliban.

Satria nisy ny diabe nokarakaraina, vehivavy mpanakanto Afgàna hafa no nandehandeha [4] nanavatsava ny renivohitra sady mitafy akanjo vy fiarovan-tena amin'ny vatan'ny vehivavy ho hetsika mariky ny fanoherana ny herisetra an-dalambe.

Niteraka fanehoan-kevitra isan-karazany ny diabe fiarovana ny zon'ny vehivavy. Nisy ireo nankasitraka ny hetsika, ny sasany kosa sahiran-tsaina ary ny hafa nanameloka izany.

Olona iray tsy miombon-kevitra amin'ny diabe niantso [1] izany ho hetsika nomanin'ny Tandrefana.

Ahmad Mukhtar, mpanao gazety Afgana iray, nibitsika hoe:

Andro alohan'ny 8 Martsa, nitafy burqa ny lehilahy Afgàna ho fanohanana ny zon'ny vehivavy. Ny fanontaniana dia nahoana izy ireo no nitafy Burqa??

Zheela Nasari, mpanoratra gazety ao amin'ny VOA nisioka hoe:

Noterena hitafy Burqa ny vehivavy Afgàna ary mitafy izany izahay (lehilahy) ho fanoherana ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy.

Raza Rumi nisioka hoe: 

Tsy fantatro izay lazaina manoloana izao. Diaben'ny lehilahy  mitafy Burqa hoan'ny zon'ny vehivavy ao

Saingy maro ireo nandrisika ity zava-malaza ity :

Mifoha ny olona falifaly! manao diabe miaraka amin'ny Burqa ny lehilahy Afgàna mba hitaky ny zon'ny vehivavy.

Manao hetsi-panoherana hoan'ny zon'ny vehivy ny lehilahy Afgàna. Tena sahisahy izany, mahafinaritra.

Fereshta Kazemi, mpanakanto Afgàna nilaza hoe:

Mampirehareha ireto lehilahy Afgàna ireto. Afaka handeha lavitra ny zon'ny vehivavy ao Afganistana raha mitsangana ho amin'izany ihany koa ny lehilahy

Na dia mbola firenena mpandala ny nentim-paharazana fatratra aza i Afganistana, misy ny famantarana fa miova miandalana ny toe-tsaina manodidina ny lahy sy ny vavy. Tamin'ny 2013, nitatitra n [27]y Al Arabiya fa tsy nahomby intsony ny varotra burqa ao amin'ny renivohi-pirenena, Kabul, “noho ny fihenan'ny fanafarana burqas eo amin'ireo tovovavy izay miha-maro ireo mandeha mianatra sy manao asa birao”.

Na izany aza, nanamarika ihany koa ity lahatsoratra ity fa miha-malaza ao amin'ireo faritry ny firenena ny burqa, satria amin'ny ampahany, manome fiarovana hoan'ny vehivavy amin'ny fanafihana ataon'ny lehilahy ny tsy fahitana ny endrika.

Tamin'ny taon-dasa nisy fanentanam-bahoaka mbola tsy nisy toy izany [28] tao amin'ny faritanin'i Paghman ao amin'ny firenena ho setrin'ny fanolanana nataon'andian-dehilahy. Raha be fanahiana amin'ny fironan'ny hevi-bahoaka ho amin'ny fanamelohana ho faty ireo andian-dehilahy mpanolana ny fikambanana iraisam-pirenena miaro ny zon'olombelona nahitana ny fitosahan'ny #Paghman [29], ireo fihetsiketsehana miompana amin'ity lohahevitra ity kosa nanamarika kihon-dalana lehibe tao amin'ny firenena tsy mba nahitana mihitsy adihevitra momba ny herisetra amin'ny endriny isan-karazany mihatra amin'ny vehivavy.

Ary tao Kabul indrindra indrindra, maro ireo zavatra fahita matetika miha-mitombo ankehitriny, izay tsy mba takatry ny saina tsotra izao nandritra ny vanim-potoana Taliban:

BBCWorld: Izy no Sara, vehivavy mpitondra fiarakaretsaka ao Afganistana.

Marina fa tsy nanjavona ny Taliban, ary mbola mitohy ao anatin'ny fiarahamonina Afgàna amin'ny fomba maro ny lova napetrak'izy ireo, saingy nampiseho izay taona vitsy lasa izay fa tsy misy ny tsy fahampiana olona ao amin'ny firenena – lehilahy sy vehivavy – izay vonona hitsangana hiaro ny zon'ny vehivavy amin'ny toe-javatra maro isan-karazany.