Nodoran'ny ISIS Ny Tranom-boky, Simbainy Ny Boky, Boky Sora-tanana Sarobidy An'arivony ao Iràka

ISIS burns books from Al Mosul Library in Iraq. This photograph has been widely shared on social media. Original source unknown.

Nandoro boky tao amin'ny Trano famakiam-boky ao Mosul ao Iraka ny ISIS. Niparitaka fatratra tao amin'ny media sosialy ity sary ity. Tsy fantatra ny tompon'ny sary.

Tamina fihetsika nosokajiany ho “fanadiovana ara-kolotsaina,” dia atobak'ireo mpampihorohoro ISIS any amin'ny hevitra, kolontsaina sy ny tantara ny hatezeran'izy ireo, ka nandoro ireo boky sora-tanana, antontan-kevitra sy boky sarobidy zara fa misy izy ireo raha nandroba ny Tranomboky ao Mosul ao Iraka.

Araka ny tombatombana voalohany, teo amin'ny 8.000 teo ny isan'ireo boky nodorana. Na dia izany aza, nilaza ny  vaovao farany fa boky sora-tanana sy boky 112.709 “izay voaraikitra ao amin'ny UNESCO amin'ny lisitry ny boky tsy fahita firy” no very tanteraka, hoy ny tatitra avy amin'ny Independent, nanatsonga ny nolazain'ny tompon'andraikitry ny tranomboky.

Nilaza ireo tatitra hafa fa boky sora-tanana sasany efa naharitra 800 taona no simba, ary nampiany hoe trano famakiam-boky hafa no niatrika loza tahaka izany ao amin'ireo faritra bodoin'ny vondrona mpampihorohoro, izay niharan'ny fandoroam-boky imasom-bahoaka ihany koa.

Araka ny tatitra, nandrava ny tranobe misy ny trano famakiam-boky tamin'ny alalan'ny daroka baomba ireo mpikomy izay tonga hifehy ny faritra midadasika ao Iraka sy Syria. Lavo teo am-pelatanan'ireo mpikomy tamin'ny Jiona 2014 i Mosul, tanàndehibe faharoa ao Iraka ary eo ambanin'ny fifehezan'ny vondrona, mpisintaka avy ao amin'ny Al Qaeda izay miady ao Syria ihany koa ankehitriny.

Nanampy ny The Fiscal Times hoe:

Among its lost collections were manuscripts from the eighteenth century, Syriac books printed in Iraq's first printing house in the nineteenth century, books from the Ottoman era, Iraqi newspapers from the early twentieth century and some old antiques like an astrolabe and sand glass used by ancient Arabs. The library had hosted the personal libraries of more than 100 notable families from Mosul over the last century. – See more at: http://www.thefiscaltimes.com/2015/02/23/ISIS-Burns-8000-Rare-Books-and-Manuscripts-Mosul#sthash.itCvZy2X.dpuf

Anisan'ireo tahirim-boky very ireo boky sora-tanana tamin'ny taonjato faha-18, boky Syriaka natonta tao amin'ny trano printy voalohany tao Iraka tamin'ny taonjato faha-19, boky avy amin'ny vanim-potoana Ottoman, gazety Irakiana tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-20 sy ireo zava-kanto sasany fahagola tahaka ny astrolabe ary ny fandrefy fotoana (sablier) fampiasan'ny Arabo fahiny. Nampiantrano ny trano famakiam-boky manokan'ireo fianakaviana malaza maherin'ny 100 avy ao Mosul nandritra ny taonjato farany ny tranomboky. – Raha te-hahafantatra bebe kokoa dia jereo ao amin'ny: http://www.thefiscaltimes.com/2015/02/23/ISIS-Burns-8000-Rare-Books-and-Manuscripts-Mosul#sthash.itCvZy2X.dpuf

Raha namoaka ny lohatenim-baovao ireo tatitra momba ny fanafihana ny Tranomboky Mosul, nilaza ny Sampan'ny Firenena Mikambana Misahana  Siansa Kolontsaina ary ny Fanabeazana (UNESCO) fa efa naharitra volana maromaro ny fanafihana trano famakiam-boky, tranom-bakoka sy ny oniversite ireo. Tamin'ny 3 febroary, naneho “ny fanairany manoloana ny fahapotehan'ireo boky an'arivony ao amin'ny tranombakoka, trano famakiam-boky sy ny oniversite manerana an'i Mosul ny UNESCO.”

Namariparitra ny fahasimbana ho “dingana vaovao amin'ny fandripahana ny kolontsaina atao ao amin'ireo faritra fehezin'ireo mahery fihetsika mitam-piadiana ao Iraka” ny Tale Jeneralin'ny UNESCO Irina Bokova”

Hoy izy nanazava bebe kokoa:

“It adds to the systematic destruction of heritage and the persecution of minorities that seeks to wipe out the cultural diversity that is the soul of the Iraqi people.”

“io indray no manampy ny fandravana vakoka sy ny fanenjehana ireo vitsy an'isa ikatsahana ny hamafana ny fahasamihafana ara-kolontsaina izay fanahin'ny vahoaka Irakiana.”

Araka ny filazan'ny sampan'ny Firenena Mikambana:

The books – on topics ranging from philosophy and law to science and poetry – have been “deliberately burned” over the past several weeks in what may be “one of the most devastating acts of destruction of library collections in human history.”

Ireo boky – ahitana lohahevitra miainga amin'ny filozofia sy ny lalàna ka hatramin'ny siansa sy ny tononkalo – no “fanahy iniana nodorana” nandritra ny herinandro maromaro amin'izay azo lazaina fa “iray amin'ireo fihetsika mandravarava amin'ny fanimbana ireo tahirin'ny trano famakiam-boky teo amin'ny tantaran'ny olombelona.”

Mitondra antsika hiverina any amin'ny taona 1258 izany, raha nanafika sy nandroba an'i Bagdad ireo mpanafika Mongols, ary avy eo ny afovoan-tanànan'i Kalifà Abbasid. Tamin'izany taona izany, simba ny Beit Al Hekma (Tranon'ny Fahendrena), foibem-pampianarana sy trano famakiam-boky, ary natsipin'ireo Mongols tao anatin'ny Renirano Tigris ireo boky marobe sarobidy, voalaza fa nivadika mainty mihitsy ny renirano noho ny ranomainty.

Taty aoriana, voaroba nandritra ny fanafihana amerikana tao Iraka ihany koa ny trano famakiam-boky Mosul izay nisokatra tamin'ny taona 1921, araka ny fampatsiahivan'i SubMedina, bilaogera iray monina ao Maraoka:

Nosimban'ny ISIS ny trano famakiam-boky mosul sy ireo boky an'arivony tao Iraka. tahaka ny fanafihan'ny Amerikana indray izany

Naneho ny fahatafintohinany ny maro tamin'ireo mpiserasera.

Tsy hitan'ilay Palestiniana Ismail Abuelkass intsony izay lazaina:

Nodoran'ny ISIS ny trano famakiam-boky mana-tantara ao Mosul

Jameel, avy ao Riyadh, Arabia Saodita nanampy hoe:

Voahozona anie ny ISIS, izay namerina ny heloka bevavan'i Mongols ary nandoro ny lova ara-tsiantifika sarobidy tao amin'ny Trano Famakiam-bokin'i Mosul. Tsy misalasala mamono hevitra maro koa ireo olona sahy mamono olombelona.

Mitohy ny tomanin'i Far:

Nidaroka baomba ny Trano Famakiam-boky Mosul ny ISIS rehefa avy nandoro ireo boky sy boky sora-tanana tsy fahita firy tao anatiny. Mba marefo finoana tokoa ve no matahotra boky?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.