Politisiana Rosiana Mpanohitra: Maty Voatifitra Tao Maosko i Boris Nemtsov

Boris Nemtsov tao amin'ilay famoriam-bahoaka ho fanohanana ireo gadra politika, tao amin'ny raharaha kianja Bolotnaya, 21 Febroary 2014. Sary an'i Ilya Schurov. CC BY 2.0 via Wikimedia Commons
Maty voatifitra tao Maosko i Boris Nemtsov, politisiana malaza amin'ny fanoherana, praiminisitra lefitra fahiny, ary iray amin'ireo tena mpanakiana an'i Vladimir Putin. Tao afovoan-tanànan'i Maosko no nitranga ilay famonoana, minitra vitsy monja miala eo amin'ny Kremlin, teo amin'ny tetezana iray ao atsimon'ny Kianja Mena.
Tao amin'ny Twitter, i Ilya Yashin, politisiana iray hafa mpanohitra, no voalohany nanamarina ny fahafatesan'i Nemtsov .
Немцова застрелили. Он мертв.
— Илья Яшин (@IlyaYashin) February 27, 2015
Nisy nitifitra i Nemtsov. Maty izy.
Ireo mpanao gazety sy mpikatroka mafàna fo no voalohany tonga teny an-toerana.
Фотография нашего корреспондента с Большого Каменного моста, места убийства Бориса Немцова pic.twitter.com/1rEW3KobXy
— Медиазона (@mediazzzona) February 27, 2015
Saripika iray nalefan'ny mpanangona vaovaonay avy eny amin'ny tetezana Bolshoy Kamenny, toerana namonoana an'i Boris Nemtsov.
Ora maromaro talohan'ny nahafatesany, hita tao amin'ny foiben'ny fampielezampeo Ekho Mosvky i Nemtsov hampahafantatra ny amin'ilay diabe hatao ny Alahady 01 Martsa izay noheverina ho izy no hitarika azy miaraka amin'ireo mpikambana hafa avy ao amin'ny fanoherana mba hitsipahana ny fomba fitantanan'i Kremlin ny olana ara-toekarena ao Rosia sy ny fifandonana any Okraina.
Raha vao fantatry ny RuNet ny mikasika ilay vaovao ratsy, marobe no tohina sy nalahelo. Ireo mpiara-misehatra ara-politika, mpanao gazety, ary mpanolotra fandaharana dia samy naneho ny fiaraha-mioriny avokoa no sady nizara fahatsiarovana an'i Nemtsov. Namoaka izay mety ho antony nanosika ho amin'ilay famonoana ihany koa ny sasany.
There's an opposition march on Sunday. Navalny has been put in jail so he'd miss it. Then they went and shot Nemtsov.
— Julia Ioffe (@juliaioffe) February 27, 2015
Misy diaben'ny fanoherana hatao ny Alahady. Efa naiditra am-ponja i Navalny ka tsy ho afaka amin'izany. Ka dia naleon-dry zareo nandeha nitifitra an'i Nemtsov.
Не просто оппозиционера, бывшего вице-премьера убили.
— Tatiana Souvorova (@tsuvorova) February 27, 2015
Tsy hoe fotsiny namono olona fantatra amin'ny fanoherana ry zareo, fa namono olona efa praiminisitra lefitra teo aloha.
Nizara fahatsiarovana an'i Nemtsov i Ksenia Sobchak, mpanao gazety sady mpikambana avy amin'ny mpanohitra.
Знала его хорошо и очень любила. Он обожал жизнь,был настоящим демократом очень порядочным человеком.
— Ксения Собчак (@xenia_sobchak) February 27, 2015
Fantatro tsara sy olona tena tiako lery. Tia miaina, tena demaokraty, ary tena olo-mendrka.
Dmitry Gudkov, solombavambahoaka avy amin'ny mpanohitra ao amin'ny Duma, sy i Sergey Parkhomenko, mpanao gazety, dia nihevitra fa azo tsiniana ho tomponandraikitra amin'ny ampahany amin'izao raharaha mahatsiravina izao ny tsy fahaiza-mandefitry ny fampielezankevi-panjakàna.
Однозначно политическое убийство. Даже если не по заказу, то в результате той ненависти, которую пропагандировала наша власть
— Дмитрий Гудков (@gudkovd) February 27, 2015
Mivandravandra be fa famonoana ara-politika. Na dia tsy ho fifanarahana hamelezana azy aza, dia vokatry ny fampielezankevitra feno fankahalàna ataon'ny manampahefana eto amintsika io.
А кто-то думал, это истерическое безумие, которое год уже нагоняет госпропаганда, – оно даром пройдет?
— Serguei Parkhomenko (@Sparkhom) February 27, 2015
Nisy olona ve nisaina hoe ity fampielezankevitra mitratrevatreva ataon'ny fanjakana efa nihotrika an-taona maro ity anie ka hipoaka indray andro any ?
Garry Kasparov, mpitarika ny mpanohitra ary monina any ivelany, dia naneho ihany koa ny fiaraha-mioriny .
Devastated to hear of the brutal murder of my long-time opposition colleague Boris Nemtsov. Shot 4 times, once for each child he leaves.
— Garry Kasparov (@Kasparov63) February 27, 2015
Ketraka nandre ny vono feno habibiana nahazo an'i Boris Nemtsov, mpiara-dia tamiko nandritry ny fotoana ela teo amin'ny sehatry ny fanoherana. Tifitra in-4, iray isaky ny zaza navelany.
Toy ny nilatsaham-baratra ihany koa ny masoivohon'i Etazonia ao Rosia, Michael McFaul, raha nandre ilay fahafatesana.
Nemtsov was a real patriot, who believed in the possibility of Russia's greatness. I cry now both for his family & the country he so loved.
— Michael McFaul (@McFaul) February 27, 2015
Tena olona tia tanindrazana i Nemtsov, izay nino ny hisian'ny fihalehibeazan'i Rosia. Mitomany aho ankehitriny ho an'ny fianakaviany & ny firenena izay maminy loatra
Voalaza ho niteny i Vladimir Putin fa hoe “ahitàna ny marika rehetra momba ny famonoana olona niniana natao” ny fahafatesan'i Nemtsov, ary toy ny ikendrena hamboly korontana na handotoana ny lazan'i Kremlin. Araka ny nolazain'ny sekreterany mpifandray amin'ny gazety, nanome baiko manokana i Putin ho an'ireo lehiben'ny Kaomity Mpanadihady, ny Sampana Federaly misahana ny Filaminana, ary ny Minisitry ny Atitany mba hanara-maso akaiky ny fanadihadiana ity vono-olona ity. Ireo hery politika hafa ihany koa, ka isan'ireny ireo mpikambana ao amin'ny Antoko Kaomionista Rosiana sy ny LDPR, dia niantso ilay famonoana ho “fihantsiana iray” ikendrena ny hanozongozonana ny toe-draharaha politika sy hanamafisana ny “toe-po mankahàla Rosiana.”
Roa herinandro eo ho eo izao, tao anaty tafatafa iray niarahana tamin'ny Sobesednik.ru, niteny i Nemtsov fa natahotra ny amin'ny ainy ny reniny, matahotra ny mety hamonoan'i Putin azy. (Nilaza i Nemtsov fa tsy dia niasa saina loatra raha miohatra amin'ny reniny.) Araka ny voalazan'i Ilya Yashin mpiara-dia aminy, niasa nanao tatitra iray mikasika ny maha-tafiditra ny tafika Rosiana amin'ny ady ao Okraina i Nemtsov. Ny mpisolovava an'i Nemtsov, Vadim Prokhorov, niteny fa vao haingana ity politisiana ity no naharay fandrahonana ho faty marobe tao amin'ny media sosialy.
Taorian'ny nakàn'ny polisy ny razana teo amin'ny toerana nisehoan'ny famonoana, nanomboka nanatitra voninkazo teo amin'ilay tetezana ny Maoskovita.
первые цветы вот. и лужа крови прямо на тротуаре. pic.twitter.com/7mdtZ7pfKy
— Егор Максимов (@egor_mq) February 27, 2015
ireto no voninkazo voalohany, ary ny rà nihandrona teo amin'ny làlan'ny mpandeha an-tongotra.
Teto dia efa niteny sahady ireo mpikarakara ny diabe tokony hatao ny Alahady 1 Martsa fa ho foanan-dry zareo ilay famoriam-bahoaka kasain'ny mpanohitra hatao ary hosoloina fahatsiarovana an'i Nemtsov hatao ao afovoan-tanànan'i Maosko. Efa misy sahady ny drafitra hiantsoana ireo manampahefana ao an-tanàna hanome alàlana, na dia tsy nankasitraka izany loatra aza tany aloha tany ny ao amin'ny biraon'ny ben'ny tanàna.
Anisan'ny RuNet Echo, tetikasan'ny Global Voices handikana ny teny Rosiana an'aterineto ity lahatsoratra ity. Lahatsoratra rehetra ·
Sokajy

Atombohy ny resaka
Anisan'ny RuNet Echo, tetikasan'ny Global Voices handikana ny teny Rosiana an'aterineto ity lahatsoratra ity. Lahatsoratra rehetra ·
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...