- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nodidiana Hisazy 2 Taona An-tranomaizina Noho Ny “Faniratsiràna Mpitondra” Ny Lehiben'ny Mpanohitra ao Koety

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Koety, Fahalalahàna miteny, Fifidianana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana
Kuwaiti opposition leader Mussalam Al Barrak was sentenced to two years in jail for insulting the country's ruler. Photograph shared by @AlziadiQ8 on Twitter. [1]

Nahazo sazy roa taona an-tranomaizina ny lehiben'ny mpanohitra ao Koety Mussalam Al Barrak noho ny fanevatevana ny mpitondra amin'ny firenena. Sary nozarain'i @AlziadiQ8 tao amin'ny Twitter.

Nosazian'i Koety higadra 2 taona an-tranomaizina ho “naniratsira mpitondra firenena” ny lehiben'ny mpanohitra ara-politika, Mussallam Al Barrak. Nomelohina noho ny kabary [2] nataony tamin'ny volana Oktobra 2012 ity mpikambana taloha tao amin'ny Antenimieram-pirenena (parlemanta) Koesiana ity, izay nandrahona ny hanongana ny Amiran'i Koety, Shaikh Sabah Al Ahmed Al Jaber Al Sabah, izay nilazàny fa tsy avelan'ny olona ao Koety hampihatra ny “fitondrana tsy refesi-mandidy” izy.

Nosamborina izy tamin'ny 29 Oktobra, ary nomena fahafahana rehefa nandoa hetran-tsazy efatra andro taorian'izay. Tamin'ny Aprily 2013, nodidiana hisazy dimy taona an-tranomaizina izy fa ny fitsarana ambony Koesiana no nampihena azy ho roa taona an-tranomaizina omaly.

Raha nosamborina voalohany i Al Barrak tamin'ny 2012, namoaka izao fanambarana manaraka [3]izao ny Amnesty International, namariparitra ny fisamborana ho “manafintohina”:

“The arrest and prosecution of Musallam al-Barrak, on account of his peaceful criticism of Amir Sheikh Sabah Al-Ahmad Al-Jaber Al Sabah, is outrageous and is yet another manifestation of the increasing restrictions on freedom of expression and assembly in Kuwait,” said Ann Harrison, Deputy Director for Amnesty International’s Middle East and North Africa Programme.

“He did not incite violence or hatred but was engaged purely in exercising his right to peaceful freedom of expression – the Kuwaiti authorities must drop the charges against him and against anyone else facing similar charges for peacefully expressing their views.”

Manafintohina ny fisamborana sy ny fitsarana an'i Musallam al-Barrak, noho ny fanakianany am-pilaminana ny Amir Sheikh Sabah Al-Ahmad Al-Jaber Al Sabah, ary endrika fanehoana indray ny fanamafisana ny faneriterena atao amin'ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fahafaha-mivory ao Koety” hoy i Ann Harrison, Tale Lefitry sy ny Fandaharan'asan'ny Amnesty International ao Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra.

“Tsy nandrisika herisetra na fankahalana izy fa nanolo-tena tamin'ny fampiharana ny zony haneho hevitra am-pilaminana – tokony esorin'ny manam-pahefana Koesiana tsy misy hatak'andro ny fiampangana azy sy izay rehetra miatrika fiampangana tahaka izany noho ny fanehoana am-pilaminana ny hevitr'izy ireo.”

Ho an'ny maro, natao hanapenam-bava an'i Al Barrak, 59 taona ny fiampangana, mpikambana mivantambantam-piteny ao amin'ny Bolongan-Hetsi-Bahoaka izy, izay efa ny solombavambahoaka hatramin'ny taona 1996 .

Hoy ny hevitry ny bilaogera  Koesiana iray, Mohammed Almutaw :

Nosazian'ny Fitsarana Ambaratonga Ambony ao Koety roa taona an-tranomaizina ilay solombavambahoaka teo aloha Al-Barrak Musallam noho ny fanambarana heverina fa mandemy ny Amir

Nanazava izy:

Manana mpanjohy marobe i Al-Barrak ary sokajiana ho mitarika ny mandan'ny mpanohitra ao Koety, voasazy roa taona an-tranomaizina izy ankehitriny

Amin'ny fanasaziana an'i Al Mussallam noho ny heviny,

Bahrainita mpiaro ny zon'olombelona Nabeel Rajab manazava amin'ireo mpanjohy azy 260K ao amin'ny Twitter:

Fanitsakitsahana tanteraka ny zon'olombelona sy ny zony haneho hevitra an-kalalahana ny fanagadrana an'i Mussallam Al Barrak noho ny heviny na noho ny fanehoany ny fomba fijeriny. Mampiseho ihany koa izany fa mihemotra i Koety amin'ny fanajana zon'olombelona

Hoy izy tamina sioka hafa;

Fanitsakitsahana ny fifanekena iraisampirenena momba ny zon'olombelona ny fanagadrana an'i Mussallam Al Barrak ao Koety, ary tokony hanameloka izany ireo mpikatroka sy mpanao politika rehetra, anisan'izany ireo izay tsy mitovy hevitra aminy

Dr Bader, mpampianatry ny oniversite sady mpanoratra an-gazety Koesiana manazava tamin'ireo mpanjohy azy 17K ao amin'ny Twitter:

Didim-pitsarana politika ny fanagadrana an'i Mussallam Al Barrak satria politika hatramin'ny voalohany hatramin'ny farany ny raharaha nanenjehana azy, ary tokony vahana ara-politika ihany ny olana ara-politika fa tsy amin'ny alalan'ny fitsarana adi-heloka bevava

Hoy izy nanamarika tamina sioka hafa:

Tsy mety mino ny olona hoe nahoana ny mpikatroka iray izay nandany fotoana tamin'ny fiadiana amin'ny kolikoly no any am-ponja raha toa ka miriaria malalaka kosa ireo mangalatra ny volam-bahoaka sy mpitarika kolikoly.

Maro ireo Koesiana niditra tao amin'ny Twitter mba hanaitra ny saina momba ny fanagadrana an'i Al Barrak tamin'ny alalan'ny diezy #سجن_ضمير_الأمة [13], midika hoe “ny fanagadrana ny feo fieritreretan'ny firenena” araka ny famaritana an'i Al Barrak avy amin'ireo mpanohana azy.

Hoy kosa ny hevitr'i Suhail Al Yamani:

Olana goavana sy mampiahiahy ny fahaveloman'ny feon'ny fieritreretana, izany no mahatonga ireo firenena sasany manaisotra ao aminy ireo feon'ny fieritreretany mba ho afa-mitohy ny kolikoly