Maoske ao Però: Voahangin'ireo Miozolmana Mpifindra Monina Any Amerika Latina

Bab Ul Islam mosque in Tacna, Peru. Detail of image on Flickr by user Karin Ibarra Saavedra (CC BY-NC-ND 2.0).

Maoske Bab Ul Islam ao Tacna, Però. Ao amin'ny Flickr ny antspiriha'ny sary avy amin'i Karin Ibarra Saavedra (CC BY-NC-ND 2.0).

Firenena iray ahitàna kolontsaina maro mifangaro i Però, noho izany dia tsy mahagaga raha mankalaza ny Taombaovao Shinoa i Lima, araka ny nitateran'ny Global Voices azy tsy ela akory izay. Any amin'ny tapany atsimo amin'ny firenena anefa, ao an-tanànan'i Tacna, no nahitanay porofo mivaingana momba ny fifindramonina iray hafa, tao amin'ny maoske Bab ul Islam, toerana nataon'ireo Miozolmana ao Però hivavahany.

Ilay maoske, izay efa manana ny pejiny Facebook manokana ankehitriny, dia naorin'ireo Miozolmana tonga tao tamin'ny 1990 tany ho any. Nanokatra ny varavarany izy io tamin'ny 15 taona lasa, ny taona 2000.

Ny tranonkala IslamHoy.org no mamintina ny fifindramonin'ireo Miozolmana nankao Amerika Latina tao anatin'ireo taonjato dimy lasa:

La historia de la llegada de los musulmanes al Perú suele circunscribirse a las oleadas migratorias llevadas a cabo a partir del siglo XIX hasta el siglo XX. Sin embargo, debe tenerse muy en cuenta migraciones anteriores a éstas y para ello debemos intentar retroceder en el tiempo, hasta el siglo XV.
[…]
los musulmanes llegados a América legaron mucho de su arte. Por ejemplo, hasta ahora se pueden observar en la ciudad de Lima (e iniciadas en la Lima colonial) construcciones con diseños mudéjares […]. En cuanto a comida, podemos aún deleitarnos con mazapanes, turrones, alfeñiques y mazamorras (derivado de masa mora), entre otros.
[…]
Actualmente hay cerca de 300 musulmanes pakistaníes, recalcando el número elevado de conversiones, en especial de mujeres. También hay inmigrantes de India, algunos países árabes, así como chilenos y colombianos.

Matetika ny fifindramonin'ireo Miozolmana nankao Però no voafetra ho resaka firohotana natao tany amin'ny taonjato faha19- hatramin'ny faha-20 tany monja. Kanefa, ilaina marihana ireo fifindramonina tany alohany ary araka izany dia tsy maintsy ezahantsika ny miverna manao jery todika, hatrany amin'ny taonjato faha-15.
[…]
Betsaka tamin'ny kanton'izy ireo no navelan'ireo Miozolmana tonga tao Amerika. Ohatra, hatramin'izao isika dia afaka mahita ao an-tanànan'i Lima (natomboka tamin'ny andron'ny fanjanahana an'i Lima) ireo tranobe misy endrika Mudejar […]. Raha resaka sakafo no atao, dia mbola ananantsika ny marzipans, turrons, alfeñiques sy mazamorras (fomba fiteny nalaina avy amin'ny masa mora, moor dough), ankoatry ny maro hafa.
[…]
Amin'izao androntsika izao, misy Pakistane Miozolmana manodidina ny 300 eo ho eo any, ary azontsika tsindriana ny isa ambony be amin'ireo mivadika amin'ny finoany, indrindra fa ny vehivavy. Misy ihany koa ireo mpifindra monina avy any India, ny sasany avy any amin'ny firenena Arabo, hatramin'ireo Shiliana sy Kolombiana.

Mandritra izany ao Magdalena, distrika iray ao Lima renivohitra Peroviana, dia ahitantsika maoske iray naorina tamin'ny 1986. Juan Luis Orrego Penagos, bilaogera, mitantara ny tantaran'ity trano fivavahana ity :

Estrictamente, la construcción no es la de una mezquita (como por ejemplo, la que se ha levantado en Tacna), sino una vieja casa “acondicionada” como templo de oración para los musulmanes que viven en nuestra ciudad (por ejemplo, la colocación de una gran cantidad de alfombras para facilitar la posición del rezo orientado hacia La Meca). […] Se puede visitar en cualquier momento del día, sin interrumpir los rezos. […]
Uno de sus miembros fundadores, Said Faroud, confiesa: “Antes no había mezquita. Pero qué es lo que pasa… los musulmanes se dan cuenta que están siendo perdidos; ellos y sus hijos, pierden su cultura, su religión, todo… y comienzan a avisar que vamos a hacer mezquita… y en 1986, después de años de esfuerzo logran fundar esta mezquita.

Ara-teknika, ity tranobe ity dia tsy maoske (toy ilay iray naorina ao Tacna, ohatra), fa trano ntaolo “natao” ho toy ny tempoly fivavahana ho an'ireo Miozolmana nipetraka tao an-tanànanay (feno karipetra novelarina hitanay hanamoràna kokoa ny fitodihana mankany La Meka). […] Azo tsidihana amin'ny fotoana rehetra izy io mandritra ny andro, tsy misy fitsaharany ny vavaka atao ao. […]
Ny iray tamin'ireo mpikambana mpanorina azy, Said Faroud, milaza hoe : “Tsy nisy maoske teo. Saingy zava-misy dia izao… Nahatsiaro ho very ry zareo Miozolmana; izy ireo sy ny taranany, very ny kolontsainy, ny finoany ary ny zavatra rehetra… ary dia nanomboka nanaparitaka ny feo ny amin'ny hananganana maoske iray.. ka tamin'ny 1986, taorian'ny asa mafy nataony, dia vitan'izy ireo ny nanorina io maoske io.

Gaga ny andianà miozolmana avy any Kalifornia, any Etazonia, izay tonga tao Però “hanaparitaka ny finoana Silamo,”  rehefa tonga tao:

Para nuestra sorpresa, la persona que contesto el teléfono, era la persona encargada de la mezquita en Lima. Su nombre era Sabed, es el imam de la mezquita de Lima (esta en la avenida Tacna, Magdalena) e insistió en recogernos en el aeropuerto. Nosotros le dijimos que tomaríamos un taxi. Nosotros nos pusimos contentos y aliviados de encontrar una mezquita. Saeed, estaba muy feliz, porque era la primera vez que llegaba un grupo de los Estados Unidos a visitar la mezquita de Lima. La mezquita, que era una casa gigante con 12 cuartos, fue donada por un hermano árabe.
[…]
Perú es un país gigante con más de 24 millones de personas. En la capital de Lima, hay aproximadamente 400 musulmanes. La mayoría de los musulmanes en Perú son una mezcla de palestinos y sirios que partieron de sus tierras buscando una vida económica mejor para sus familias.

Fahagagàna tanteraka ho anay, ilay olona namaly ny antso tamin'ny telefaona dia ilay mpandraikitra ny maoske ao Lima. Sabed no anarany. Izy no “imam” ao amin'ny maoske-n'i Lima (hita ao amin'ny arabe migodanan'i Tacna, Magdalena) ary nisisika mihitsy ny haka anay any amin'ny seranam-piaramanidina. Nambaranay azy fa efa naka fiarakaretsaka izahay. Faly be mihitsy i Saeed, satria izao no voalohany nisian'ny andian'olona avy any Etazonia tonga hitsidika ny maoske ao Lima. Ilay maoske, izay tranobe misy efitra 12, dia fanomezana avy amin'ny rahalahy iray Arabo.
[…]
Firenena iray goavana i Però, ahitàna mponina 24 tapitrsa. Ao Lima renivohitra, misy eo amin'ny 400 eo ny Miozolmana. Ny ankamaroan'ireo Miozolmana ao Però dia fifangaroanaà Palestiniana sy Syriana izay nandao ny tany niaviany hikatsaka fiainana metimety kokoa ho an'ny fianakaviany.

Manipika ny fisian'ireo Miozolmana ao Però ihany koa ny sasany amin'ireo mpampiasa Twitter :

Maoske Miozolmana, Tacna, Peru.

Renay ny antso hivavaka.

Ary misy ihany koa ireo fanehoana fitalanjonana:

Maoske ao Tacna, nahafantatra ve ianareo hoe misy iray eto aminay?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.