- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Raràn'i Belarosia ny Tor sy ireo Mpanafim-Panondroana Hafa

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Belarosia, Fahalalahàna miteny, Lalàna, Mediam-bahoaka, Sivana, Vaovao Mafana, Akon'ny RuNet
Images mixed by Tetyana Lokot.

Sary namboarin'i Tetyana Lokot.

Nihetsika hanakana ireo rehetra mpanafim-panondroana olona ao amin'ny aterineto ao amin'ny firenena i Belarosia, ka tafiditra amin'izany ny Tor. Namoaka didy hitsi-volana vaovao [1] manome alalana ny tsy maintsy hameran'ny mpanome tolotra aterineto rehefa misy fangatahan'ny fanjakana ny Minisiteran'ny Fifandraisana ao amin'ny firenena. Ny sasany amin'ireo famerana ireo dia miresaka mivantana [1] momba ireo tolotra manafim-panondroana amin'ny aterineto.

Государственная инспекция при выявлении интернет-ресурсов, средств обеспечения анонимности (прокси-серверы, анонимные сети типа Tor и другие), позволяющих пользователям интернет-услуг получать доступ к интернет-ресурсам, идентификаторы которых включены в список ограниченного доступа, добавляет в список ограниченного доступа идентификаторы этих интернет-ресурсов, средств обеспечения анонимности.

Ny Mpanaramasom-Panjakana dia mamantatra ireo tahirin-kevitra amin'ny aterineto, ireo tolotra fanafenam-panondroana olona (lohalimina proxy, tambajotram-panafenam-panondroana olona tahaka ny Tor sy ny hafa), ahafahan'ny mpisera amin'ny mpanome tolotra an'aterineto hiditra amin'ny tahirin-kevitra antserasera izay, efa tafiditra ao amin'ny lisitr'ireo voarara tsy hiditra ao ireo mpamantatra (mpanondro), ka hanampy isa ireo mpamantatra (mpanondro) ireo tahirin-kevitra an'aterineto sy ireo servisy mpanafim-panondroana olona ihany koa mazava loatra.

Mampiasa ireo tolotra fanafenam-panondroana olona hiviliana amin'ny sivana apetraky ny fitondrana sy hahatakarana ireo loharanom-baovao an-tserasera voarara ao amin'ny firenena ny mpisera aterineto ankapobeny, ka tafiditra amin'izany ireo tranonkalan'ny mpanohitra maro.

Ny antotan'isan'ny Tor no manondro [2] fa manodidina ny 6000 ka hatramin'ny 8000 ny mpisera ao Belarosia no mampiasa mivantana ny Tor andavanandro, ary mbola misy fifandraisana amin'ny alalan'ny tetezana maro ihany koa. Araka an'i Anton Nesterov [3], mpikatroka manohitra ny sivana, mba hisorohana amin'ny fidirana amin'ny Tor, dia efa mikendry ny hanakana ireo lazaina hoe vonam-piambenana ireo ny manampahefana, ny vona voalohany amin'ny zotra dia ahafahan'ny mpisera miditra amin'ny lalam-panafenan-jotra aloha rehefa avy eo. “Afa-manakana ny torproject.org ry zareo ary mijanona hatreo, fa rehefa miresaka ry zareo hoe hanakana ny Tor, ny dikan'izany dia ny hanakana ireo vona maro ireo,” hoy i Nesterov.

Efa nihevitra ny handrara ny VPN sy ireo mpanafim-panondroana hafa ihany koa i Rosia. Tamin'ny fanombohan'ny volana febroary i Leonid Levin, depiote mitarika ny komity parlemantera misahana ny politikan'ny famoaham-baovao sy ny serasera no nanolo-kevitra [4] fa tokony tsy azo ampiasaina ny fahazoa-miditra amin'ny fitaovana fanafenam-panondroana sy fihodidinana (sivana) tahaka ny Tor, VPNs, ary ireo lohamilina mampiasa proxy.