- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sekoly Iraniana Manameloka Ny Fanavakavahana Mihatra Amin'ny Afgàna amin'ny Alalan'ny Hetsika #Menatra

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona
A elementary school teacher and his students have initiated a #ashamed campaign to end discrimination against Afghans in Iran.

Nitarika ny hetsika #menatra ny mpampianatry ny sekoly fanabeazana fototra iray sy ny mpianany mba hampitsahatra ny fanavakavahana mihatra amin'ireo Afgàna ao Iran. Milanja sorabaventy misy soratra hoe, “Manohana ny mpianatra Afgàna sy ny Pakistaney ny mpianatra Iraniana”. Nalefa tao amin'ny pejin'ny hetsika ao amin'ny Facebook. 

Nivoaka voalohany tao amin'ny IranVoices.org  [1]ity lahatsoratra ity ary nadika tamin'ny teny Anglisy sy navoaka eto noho ny  fifanarahana fifampizarana votoaty-.

Nanangana ny hetsika tao amin'ny Facebook [2]  ny mpampianatra iray avy ao Tabriz ao amin'ny Faritany Azarbaijan ao Iran sy ny mpianany mba hiadiana amin'ny fanavakavahana mihatra amin'ny ankizy Afgàna.

Natsangana ny hetsika taorian'ny vaovaon'ireo mpianatra Afgàna efatra nosazian'ny mpampianany hametraka ny tanan'izy ireo ao anaty toera-pivoahana noho ny fanadinoina ny kahie an'izy ireo any an-trano any Pakdasht, tanàna kely iray any ivelan'i Tehran. Mifanohitra amin'ny satan'ireo mpitsoa-ponenana Afgàna ao Iran izany, izay matetika iharan'ny fanavakavahana mieli-patrana sy miaina fanilikilihana avy amin'ny Iraniana. Natao hampiroborobo ny fampitsaharana ny fitondratena mpanavakavaka ny hetsika amin'ny alalan'ny fangatahana amin'ireo mpandray anjara mba hanatevin-daharana ny hetsika ary hampiasa ny diezy #شرمساريم [3] (#menatra) ao amin'ny haino aman-jery sosialy.

Nanomboka ny ezaka i Javad, mpampianatra ambaratonga fototra voalohany sy ny mpianany tamin'ny famoahana ny sarin'izy ireo milaza hoe, “manohana ny mpianatra Afgàna sy Pakistaney ny mpianatra Iraniana”.

Araka ny filazan'ny mpanorina azy, ny tanjona lehibe indrindra amin'ny hetsika dia ny hanova ny teny #menatra ho #Afamirehareha. Misy antso iray natao tao amin'ny pejy Facebook mangataka hoe:

Please support us in this campaign to assure our Afghans brothers and sisters in Iran that we are not advocating any fascism  and racist behaviour. This campaign asks all Iranians to stand up and object to all this inhuman behaviour by using #ashamed along with their photos and videos to support this campaign.

Azafady tohano izahay amin'ity hetsika ity mba hanome toky ireo rahalahy sy anabavy Afgàna ao Iran fa tsy miaro ny fihetsika mpijery arina an-tava sy mpanavakavaka isika. Miangavy ny Iraniana rehetra hitsangana sy hanohitra izany fitondra-tena tsy mendrika ny maha-olombelona izany ity hetsika ity amin'ny alalan'ny fampiasana ny #menatra miaraka amin'ny sary sy lahatsary hanohanana ny hetsika.

Nandefa fanehoan-kevitra tao amin'ny Facebook sy Twitter [4] ireo mpisera media sosialy tamin'ny alalan'ny fampiasana ny diezy ‫#‏شرمساريم‬ [5]م, raha nahazo tiako hatramin'ny 20 000 kosa ny pejy Facebook hatramin'ny nanangana azy tamin'ny Desambra.

Iran no faharoa mampiantrano [6] ireo Afgàna mpitsoa-ponenana sy mpifindra monina be indrindra aorian'i Pakistan. Raha nahazo sitraka avy amin'ny Firenena Mikambana i Iran noho ny fandraisana tsara ataony amin'ireo Afgàna mpitsoa-ponenana raha oharina amin'ireo firenena hafa mpampiantrano, voalaza fa nisy ireo tatitra milaza fanavakavahana sy fitsipahana mpitsoa-ponenana sy ny sata mahaolom-pirenena.