
Sary avy amin'ny “You have one dollar, what's next?” (Manana iray dolara ianao, dia ahoana ny tohiny?) tao amin'ny Facebook.
Namely mafy ny vola “hryvnya” fampiasa ao an-toerana ny fahasahiranana ara-toekarena tao Okraina. Ny fitontonganana akaiky indrindra dia nitondra ny takalo ho 33 ny dolara amerikàna iray (tamin'ny Desambra 2014 dia 16 UAH ny 1 USD). Saingy niezaka ireo Okrainiana mavitrika mpampiasa media sosialy hitady ny lafiny tsara — tamin'ny alàlan'ny fitadiavana hevitra ifarimbonana mikasika izay azonao vidiana ao Kiev, renivohitra Okrainiana, amin'ny vola dolara iray monja.
Nitsapa hevitra ireo namany i Alena Denga ary nirotsaka nanao asa fitsongoana dia amin'ny anaran'ny tenany manokana mihitsy, izay niafara taminà lahatsoratra iray ao amin'ny bilaogy manome ny lisitr'ireo karazan-kevitra rehetra momba ny azo andaniana ny iray dolara-nao. Amin'izy ireny dia ireto no azonao vidiana ao Kiev:
- fihodinana im-7 amin'ny fiaran-dalamby ambanin'ny tany
- sakafo “Happy Meal” iray
- tsindrin-tsakafo iray any amin'ireny toerana fisotroana kafe ireny
- divay iray vera na labiera tapaky ny litatra
- kafe iray (iray raha any amin'ireo toerana metimety ary roa raha eny amin'ny kihon-dàlana)

Ho aloanao 22.5 UAH ny “cappuccino” iray sy “americano” iray eny amin'ny mpivarotra an-dalambe—latsaky ny iray dolara! Sary avy amin'i Medium.
Raha toa ianao mangetaheta hetsika ara-kolontsaina, dia mety hahafahanao mijery fampisehoana indray maraina ny iray dolara any amin'ireo trano fandefasana sarimihetsika na fitsidihana any amin'ny iray amin'ìireo tranom-bakoka maro ao Kiev. Safidy hafa handanianao ny 33 hryvnyas any aminao ireo boatinà labozia miendrika voankazo, ny karatra halefa ho an'ny namana rehefa any am-pitsangatsanganana (eny, amin'ny alàlan'ny paositra!), ary hatramin'ny tapakila fandehanana fiaran-dalamby avy ao Kiev mankany Vinnitsa.
Olona iray mampiasa ny Facebook aza nahavita mihitsy nividy tapakila hijerena “opera” tamin'ny 20 UAH ($0.71).
Operàm-pirenena ao Okraina, Carmen, 27 Febroary 2015, 7 ora hariva.—20 UAH. Ary mbola ampy tsara hividianana “sandwich” iray.
Taorian'ny nahazoan'ny lahatsoratr'i Alena mpijery niisa 3500 tao anatin'ny alina iray monja dia nanangana vondrom-piarahamonina Facebook iray izy hanohizana ilay fifarimbonana, ahitàna ireo mpampiasa izay efa mandray anjara sahady manome hevitra momba izay azo ampiasàna ny iray dolara (na 33 hryvnyas) any amin'ireo tanàn-dehibe hafa ao Okraina.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...