- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fanentanana Hanoherana Ny Herisetra Atao Ny Vehivavy Atao Anaty Tononkira Reggae: Dingana faha- 2

Sokajy: Amerika Latina, Hevitra, Mediam-bahoaka, Mozika, Vehivavy sy Miralenta
Imagen tomada dee la página de Facebook de la campaña Usa la razón.

Tia sushi izy, saingy natao avy aminà hena faran'izay mafàna, ary tsapany izany. Tena alikavavy adala mihitsy.
Sary nalaina tao amin'ny pejy Facebook [1]fanentanana “Use Your Head” (Ampiasao ny Lohanao) .

Tamin'ny Jona 2014,  nanoratra [2] momba ny fanentanana Usa la razón (Ampiasao ny Lohanao) ny Global Voices, ka ao ireo Kolombiana mpakasary no maneho eny an-tsehatra ny herisetra any anatin'ny tononkira maro amin'ny mozika reggea.

Dicen que ocho de cada diez mujeres que escuchan este popular género musical latinoamericano sienten que las maltrata. 

Lazain-dry zareo fa valo ampahafolon'ny vehivavy mihaino ireo mozika malaza ao Amerika Latina miresaka vehivavy no mahatsapa fanilikilihana ao anatiny.

 Ny Reggaeton [3] dia karazana iray manana ny fàkany avy amin'ny mozika ao Karaiba—teraka avy amin'ny reggea Jamaikàna sy ny dindo sasany avy amin'ny hip hop. Ny tononkira dia mirona mankany amin'ny kiana sosialy, fitiavana ary ny olana tsotra mahazatra eo amin'ny fiainana andavanandro .

Vao haingana ny Usa la razón no namoaka sary marobe, nalefany tao amin'ny pejiny Facebook, izay—tena mahery setra—mampiseho ny herisetra voafaritra any anatin'ny tononkiran'ireo hira malaza izay matetika no lalaovina imasom-bahoaka, izay inoana fa tsy dia asiana fisainana lalina loatra mikasika ireo teny midika herisetra ao anatiny.

¿Sientes lo que escuchas?, una campaña contra los mensajes del Reggaeton. Creada por estudiantes de Colombia.

“Mba tsapanao ve izay hirainao?” hoy ilay fanentanan'ny Kolombiana mpianatra manohitra ireo hafatra anaty tononkira reggaeton.

Ny pejy Facebook Usa la razón dia mametraka rohy mankany aminà lahatsoratra iray [4] ao amin'ny bilaogy Pensily sy Taratasy, izay milaza fa tsy ny tononkira rehetra amin'ny mozika reggaeton no misy hafatra miaty herisetra, ary miezaka manazava ny antony mahatonga ny sasany amin'ny mpanakanto hampiasa io karazana fiteny io.

Y siendo justos, no todas las letras escritas de reggaetón son necesariamente malas, crueles e incitadoras de maltrato y violencia hacia la mujer. En algunas se escribe sobre situaciones propias de nuestra condición humana […]. Así que siendo justos, las personas que escriben dichas letras –normalmente las mismas que las cantan–, son seres humanos que como nosotros también necesitan liberar, purificar o limpiar su existencia de los miedos, perjuicios [sic], desilusiones, tristezas, etc., que habiten su alma. Ellos también necesitan desahogarse. De hecho, probablemente en un grado muy superior al de cualquier persona del común, pues su escritura, su “catarsis” y por ende su expresión, es muy peculiar:

Mba tsy hitanilàna, tsy ny tononkira reggaeton rehetra akory no voatery hidika lozabe, sy handrisika fanararaotana na herisetra atao amin'ny vehivavy. Amin'ny sasany amin'izy ireny, misy zavatra hitanay fa raki-tampisaka amin'ny maha-olona antsika[…]. Noho izany, mba tsy hitanilàna, dia olombelona toa antsika ihany koa ireo olona nanoratra ireny tononkira ireny—indraindray dia ilay mihira azy ihany— mila mamboraka, manafaka na manadio ny aminy mba tsy hisy tahotra, fitsaratsarana fahatany, fahadisoam-panantenana, alahelo, sy ny sisa, izay mitambesatra ao anatin'ny fanahiny ao. Ilain-dry zareo koa ny manafaka ny tenany. Raha ny marina, dia mety mahatsapa io fanerena io kokoa noho ny olon-drehetra ry zareo, ary “catharsis [5]” iray manana ny lanjany ny zavatra soratan-dry zareo, mahatonga ny fomba fanehoan-dry zareo azy ho toka-miavaka.

Reggaetón

Ao ampandriako, nataoko teo afovoany ilay izy, noraisiko ikala, ary nataoko an-keriny.
Sary nalaina tao amin'ny pejy Facebook [6]  fanentanana “Use your head”.

Nampiasa ny Twitter ihany koa ilay fanentanana mba hanelezana ireo sary fampahafantarana.

Raha mihazona izany toe-tsaina izany ianao, dia ho aolako.

Noho izany, atsaharo ny fanoherana. Isan'ny tahotra iray lehibe ho an'ny vehivavy: ny ho voaolana.

Raha amin'izay minitra farany izay, mivoaka ronono daholo izao lavaka rehetra izao, hilaza amiko ikala fa eny amin'ny tavany no hamafàzako azy. 

Mba tsapanao ve izay henoinao? Ampiasao ny lohanao : fanentanana manohitra ireo hafatra any anaty tononkira reggaeton.

Raha mihazona izany toe-tsaina izany ianao, dia ho aolako. Noho izany, atsaharo ny fanoherana. 

Mba tsapanao ve izay henoinao? Ampiasao ny lohanao : fanentanana manohitra ireo hafatra any anaty tononkira reggaeton.

Azoko izy, tsembotsemboka toy ny adala, adalam-body aho, tena henjana ity.

Mba tsapanao ve izay henoinao? Ampiasao ny lohanao : fanentanana manohitra ireo hafatra any anaty tononkira reggaeton.

Tia sushi izy, saingy natao avy aminà hena faran'izay mafàna, ary tsapany izany. Tena alikavavy adala mihitsy. Hena mafàna.

Saribakoly tsy afaka mampiasa atidoha afa-tsy ny vody.

Mba tsapanao ve izay henoinao? Ampiasao fotsiny ny lohanao rehefa mihaino ireo tononkira reggaeton, dia harary ianao.

Inona no fihaino nahazatra ireo raintsika nikaton-tsaina? Efa taonjato marobe tany aloha tany no niainga ny herisetra manjo ny vehivavy…

Tao amin'ny Facebook, vehivavy iray no [24] miteny hoe :

[…] hay muchas formas de maltrato y violencia en nuestros medios, las novelas violentas, los hombres que no dejan caminar libremente a las mujeres en la calle a punta de piropos estúpidos y vulgares, el acoso en el trabajo, la desigualdad en sueldos cargos desempeñados y pensiones. En fin. Se quedan cortos con la campaña, pero es muy buena.

[…] marobe ny endrika fanararaotana sy herisetra eny anatin'ny media fampiasantsika eny: tantara mahery setra, lehilahy tsy mamela ny vehivavy handeha irery eny an'arabe, manafintohina azy ireny amin'ny fomba fiantson'adala sy toy fampiasa amin'ny biby, filam-baniny any amin'ny toeram-piasàna, tsy fitoviana eo amin'ny karama sy fisotroan-dronono raisina. Mbola lava ny lisitra. Tsy ampy ny hoe fanentanana iray monja, saingy efa fanombohana izay.

Iray hafa mpampiasa Facebook no nanolotra [25] ity fanehoankevitra iray mahabe resaka ity, tamin'ny fanomezana porofo (tsy niniany natao angamba) fa hoe mbola lavitra ny làlana hodiavin'ity fanentanana hanoherana ny tononkira miaty herisetra ity:

Desgraciadamente esta violencia sexual tiene un cómplice: las mismas mujeres…

Indrisy, misy mpiray tsikombakomba aminy ity herisetra ara-nofo ity: ry zareo vehivavy tenany ihany …