Famoriam-bahoaka Ankaterena Tamin'ny Fampilezan-kevitra Alohan'ny Fotoana Notontosain'ny Antokon'ny Fitondrana Tajika

Tajik President Emomali stands alongside Vladimir Putin and Aleksandr Lukashenko as Russia win IIHF Ice Hockey World Championship. Photo by Ivan Uralsky. Demotix ID: 4848568.

Filoha Tajik Emomali Rahmon mijoro eo akaikin'i Vladimir Putin sy Aleksandr Lukashenko raha nandresy tamin'ny Fifaninanana Manerantany ny Hockey amin'ny ranomandry i Rosia. Sary avy amin'i Ivan Uralsky. Demotix ID: 4848568.

Nandray ny fifidianana solombavambahoaka tamim-pahamatorana tanteraka ny Antoko Demokratika Nasionaly ao Tajikistan (NDPT), antokon'ny fitondrana na dia hita aza fa tsy isalasalana ny fandresen'izy ireo.

Tamin'ny 22 Febroary – andro tsy fiasana tao amin'ny firenena – noterena handeha ao amin'ny zaridaina iray ao an-toerana ao Dushanbe tamin'ny 8 ora maraina ireo mpiasam-panjakana, mpianatra ary ny mpianatry ny oniversite araka ny tati-baovao.

Rehefa avy niandry nandritra ny roa ora teo ivelan'ny zaridaina sy tao anatin'ny orana ny olona dia nampidirina mba hihaino ny fampielezan-kevi-pifidianana solombavambahoaka alohan'ny fotoana nataon'ny NDPT, izay notarihan'ny filoha naharitra ela Emomali Rahmon.

Nisy nanidy avy eo ny vavahady.

Mpisera Facebook, Fabiano Mavlyanov namariparitra ny zava-nitranga ary namoaka sary vitsivitsy tao amin'ny vondrona misokatra hoan'ny rehetra Ya Dushanbinets (mponin'i Dushanbe aho), izay navoakan'ny sampam-baovao Azia Afovoany Ozodagon avy eo:

 Внутри мы поняли, что нас, то есть весь город, собрали для агитации голосования за ДЕМОКРАТИЧЕСКУЮ ПАРТИЮ…мы поняли это по листовкам…пройдя круг мы решили выйти и в итоге натолкнулись на проблему, которая противоречит демократии – нас тупо не выпускали с парка…закрыв ворота нам запретили выходить…вопрос – и это та демократия, за которую мы должны голосовать?

Tafiditra tao anatiny, nazava taminay fa hampivory anay – tanàna iray manontolo – izy ireo mba handray anjara amin'ny fampielezan-kevitra alohan'ny fotoana nataon'ny ANTOKO DEMOKRATIKA. Fantatray tamin'ny alalan'ny taratasy kely nozarain'izy ireo izany. Rehefa nifanety tao dia nanapa-kevitra hivoaka izahay, ary avy eo sehatry ny olana manohitra amin'ny demaokrasia – nihidy ny vavahady ary tsy navelan'izy ireo nivoaka ny kianja izahay. Mipetraka ny fanontaniana: izao ve demokrasia tokony hofidiantsika?

Indifferents to the opposition party find the exits blocked. Photo from Ozodagon. Taken with permission.

Nahita ny vavahady fivoahana nikatona ireo tsy miraharaha ny antokon'ny fitondrana. Sary avy amin'ny Ozodagon. Nahazoan-dalana.

Nomelohin'ireo mpisera hafa tao amin'ny tambajotra sosialy ny zava-nitranga.

Behruz Uzakov, mpikambana hafa tao amin'ilay vondrona Facebook, nanoratra hoe:

Это уже полный беспредел, как можно закрыт людей против их воли, тем более в выходной день?!. Уму непостижимо!

Savoritaka tanteraka, ahoana no nahasahian'izy ireo nanidy ny vahoaka tsy araka ny sitrapony, indrindra amin'ny andro tsy fiasana?! Tsy takatry ny saina izao!

Mpamaky iray ny sampam-baovao Ozodagon nitsikera ny fandraisana anjaran'ireo mpianatra tamin'ny fampielezan-kevitra:

чи шумо гусфанд хастед ки намедонед ки шуморо ба кучо ва чаро мебарад. агар донишчуяш хамин бошад вой бар холи дигарон!

Andian'ondry tsy mahalala izay alehanareo sy ny antony hitondrany anareo ao ve ianareo? Raha mitondra tena tahaka izao ny mpianatra, Indrisy hoan'ny hafa!

Na dia izany aza, mpamaky iray hafa nihevitra fa noterana handeha tao ireo mpianatra;

Аз касе напурси медонад ки унчо мачбуран бурдаанд. Хатто метавонам бо боварии комил гуям, ки бештари донишчуёни бечораро аз чониби деканат тахдид ба хорич кардаанд, ки агар нараванд хатман хорич мекунандашон. Пас кучост демократи?

Samy mahafantatra ny tsirairay fa nentin'ireo [mpikarakara] an-katerena tao amin'ny valan-javaboahary ireo [mpianatra]. Mino mihitsy aho fa norahonan'ny lehiben'izy ireo horoahiana ny ankamaroan'ireo mpianatra raha mandà tsy handeha ao amin'ny zaridaina. Raha izany, aiza ny demokrasia?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.