- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Netizen Report: Afaka Matoky Ny Facebook Ve Ny Tibetàna?

Sokajy: Shina, Fidirana, Mediam-bahoaka, Sivana, Tatitry ny Mpiserasera, GV Mpisolovava
Student-led protest in Chabcha county, Tibetan Autonomous Prefecture. Photo by Students for a Free Tibet via Flickr (CC BY 2.0)

Hetsi-panoherana notarihan'ny mpianatra tao amin'ny prefektioran'i Chabcha, prefektiora Tibetàna miahy tena. Sary avy amin'ireo Mpianatra Mpankasitraka ny Tibet Malalaka, tao amin'ny Flickr (CC BY 2.0)

Ellery Roberts Biddle [1]Oiwan Lam [2], Hae-in Lim, Bojan Perkov, Pauline Ratzé, ary  Sarah Myers West [3] , samy nandray anjara tamin'ity tatitra ity daholo.

Ny “Netizen Report” eto amin'ny Global Voices Advocacy dia manome tsipalotra amin'ireo fanamby, fandresena, ary fironana miainga aty anaty aterineto momba ny zo manerana izao tontolo izao. Any Tibet ny tatitra amin'ity herinandro ity no manomboka, toerana izay toa miha-mitombo ny sivana atao amin'ny media sosialy. Tany amin'ny faran'ny 2014. nofafàn'ny Facebook ny rohy iray mitondra ho any amin'ny lahatsary iray [4] nampiseho an'i Kalsang Yeshe, ilay moanina Bodista nanao hetsi-panoherana tamin'ny alàlan'ny fandoroana tena teo anoloan'ny tobim-paritry ny polisy tao Sichuan. 

Nahasarika ny saina ilay tranga, na avy ao anatiny na tany ivelan'i Shina, amin'ny ampahany dia satria ny maro amin'ireo Shinoa mpampiasa aterineto no mampiasa Facebook ho toy ny fitaovana iray handinganana ny sivana atrehan-dry zareo ao amin'ny Weibo. Mpampiasa Facebook tsy nitonona anarana no voalaza fa nilaza tamin'ny Voice of America [5] hoe isa tsy tambo ho isaina tamin'ireo mpampiasa Facebook no nanamarika ilay sata navoaka, ary dia nofafàna noho ny votoaty mahery setra tao anatiny ilay izy fa tsy noho ny resaka politika loatra. 

Vao haingana i Tsering Woeser, ilay Tibetan bilaogera nampakatra ilay lahatsary, no nanontany raha toa ny fihetsika nataon'ny Facebook ka mety ho natosiky ny resaka politika [6]: Taoriana kelin'ny nandalovan'i Mark Zuckerberg , ny Tale Jeneralin'ny Facebook tany Shina, no nosirina ilay lahatsary ary naverina napetraka taorian'ny nandefasan'i Zuckerberg hafatra iray ho fanohanana ny fahalalahana manehio hevitra nanaraka ny fanafihana ny Charlie Hebdo.

Na dia tsy zara fa hita anaty lohateny vaventy aza, miatrika trangan-javatra manahirana tsy manam-paharoa i Tibet [7] rehefa resaka sivana aty anaty aterineto sy ny fahatapahan'ny fifandraisanano asian-teny. Hatramin'ny faran'ny andian-taona 2000, nanao tahirin-kevitra mikasika ireo fanakatonana aterineto sy tambajotranà finday tany amin'ny faritra ireo bilaogera tahaka an'i Woeser, izay efa lasa mandeha ho azy ny fanarahana ireo hetsi-panoherana ara-politika sy korontana sosialy. 

Nopotehan'i Shina ny kaonty Weibo an'ny NYT

Nohidian'ny manampahefana ao Shina ny kaonty Sina Weibo an'ny New York Times, voafàfa hatramin'izay dindo dizitaly farany indrindra [8] tamin'ilay gazety tao amin'ny firenena. Ny tranonkalan'ny Times’ amin'ny teny Anglisy sy teny Shinoa dia voasakana ao Shina nanomboka tamin'ny Oktobra 2012. Niaraka nofafàna tamin'ny kaontin'ireo mpanangom-baovao roa ilay kaonty Weibo, izay efa tsy manoratra ho an'io gazety io akory ny iray amin'izy ireo. 

Faritana ho toy ny “kianjam-bahoaka” ny aterineto ankehitriny ao Bosnia sy Herzegovina

Ny Repoblikan'i Srpska, iray amin'ireo roa manome ny Bosnia sy Herzegovina, dia  nampiditra [9] lalàna iray vaovao momba ny Filaminam-Bahoaka, izay hanitatra ny famaritana ny hoe “kianjam-bahoaka” ho azo ampiasaina amin'ny aterineto, tafiditra amin'izany ireo tambajotra sosialy. Misy sazy ara-bola henjana voasoratra ao anatin'ilay fehezan-dalàna ho an'ireo lahatsoratra hita ety anaty media sosialy ka heverina ho manohintohina ny filaminam-bahoaka, na heverina ho mivatravatra na manompa. Ho an'ireo manampahefana, tsy ho ampiharina amin'ireo fanakianana ny governemanta ilay lalàna. Taorian'ireo kiana nivaivay, nesorina tao anatin'ilay lalàna ny sazy fampidirana am-ponja. 

Lebaney mpikatroka mafàna fo notànana noho ny namoahany ny fahafatesan'ny mpanjaka Saodiana tao amin'ny Facebook

Hisham Zayat [10], Libaney mpikatroka mafàna fo sady mpanao gazetin'ny Yasour [11] any atsimon'i Libanona, dia notànana sy nalaina am-bavany [12] tany amin'ny polisy ny 8 Feb teo noho ny fanehoany ny eritretiny tao amin'ny Facebook momba ny fahafatesan'ny mpanjakan'i Arabia Saodita. Voalaza fa nidiran'ny polisy ny pejiny Facebook ary nesorina tao ny lahatsoratra iray izay noheverin-dry zareo fa manohintohina ny mpanjaka. Navotsotra avy hatrany i Zayat taorian'ny fakàna am-bavany.

Tantaram-pitiavana ratsy na tsia, tsy mila ny valifatinao i Angletera

Nandany lalàna [13] manao ny valifaty amin'ny resa-betaveta ho toy ny heloka bevava i Angletera. Na iza na iza mizara sary vetaveta tsy nisy fahazoana alàlana mialoha avy amin'ny olona voakasika amin'izany, ary arahana eritreritra hanimba ilay olona, dia efa azo saziana amin'izao fotoana izao, miampy sazy ara-bola sy fampidirana am-ponja hatramin'ny roa taona. Raha toa ny lalàna momba ny valifaty amin'ny resaka vetaveta ka miaty fehezanteny tsy dia mazava loatra [14] izay mety hitarika amin'ny filazàna ny fanehoankevitra voaaro ho toy ny fanaovana heloka bevava, ity lalàna ity dia misy [15] fehezan-dalàna maromaro voakendry manokana hametrahana arofanina amin'ny mety hisian'ny risika hampiasana azy io hikendrena ireo mpanome tolotra aterineto na ireo orinasa hafa misahana aterineto amin'ny fikirakiràna sary.

Mihira ilay “hira faneva tsy tena ofisialy” ho an'ny Taombaovao Shinoa

Tao amin'ny fampisehoana nandritry ny talentan'ny Taombaovao manaraka ny volana izay nampiantranoain'ny Fikambanana momba ny Aterineto Ao Beijing, nanomboka “hira faneva iray tsy mbola ofisialy” [16]  ny CAC- Sampan-draharaha mpandrindra ny aterineto ao Shina. Ny CAC no tomponandraikitra mpandrafitra ny politikan'ny aterineto ao Shina, ao anatin'izany ny rafitra fanivànana henjana tsy mitsaha-mitombo ataony. Ny andàlana ao anatin'ilay hira faneva dia ahitàna ny hoe “Mivondrona miaraka amin'ny herin'izay rehetra zavatra manana aina/Mandà tena hamadika ny tanàna ho lasa ny toerana tsara indrindra” ary ny “Ny herin'ny aterineto/Lazao an'izao tontolo izao fa manondrotra an'i Shina ny Nofinofin'ny Shinoa”. Fotoana fohy taorian'ny nampakarana azy ireo dia efa voafafa ireo lahatsarin'ny fampisehoana ireo. 

Fikarohana Vaovao

 Mandray vaovao avy amin'ny Netizen Report amin'ny alàlan'ny imailaka [19]