- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fanjavozavoana Manoloana Ny Famonoana Ho Faty An'i Saman Naseem Ao Iran

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona
Uncertainty exists over Saman Naseem's death after international pressure to prevent his execution. Image taken from the Amnesty International campaign to stop Saman Naseem's execution.

Manjavozavo ny raharaha mikasika ny fahafatesan'i Saman Naseem taorian'ny teritery iraisampirenena mba hanakanana ny famonoana azy ho faty. Sary nalaina tamin'ny fanentanan'ny Amnesty International ho fanakanana ny famonoana an'i Saman Naseem. Sary: Amnesty International.

Mbola tsy mazava amin'ireo mpikatroka ny zon'olombelona ny mikasika ny satan'ilay mpikatroka Kiorda Saman Naseem, izay voalahatra fa hovonoina ao Iran tamin'ny herinandro lasa. Niasa hatramin'ny minitra farany, marobe ireo fanentanana [1] nataon'ny iraisampirenena hanakanana ny famonoana tamin'ny 19 Febroary. Voalaza fa tsy voamarina araka ny lalàna manokan'i Iran sy ny fitsipika iraisam-pirenena ny fanamelohana azy ho faty, satria mbola tsy ampy taona i Naseem (vao 17 taona) tamin'izy voasambotra.

Mbola manohy misioka #SaveSaman (vonjeo i Samam) ny mpikatroka. Mandritra izany fotoana izany, niparitaka tamin'ny aterineto ny tatitra mifanohitra [2] momba ny famonoana azy ho faty sy ny hoe mbola famonjana azy any am-ponja.

Tsy mbola misy vaovao ofisialy avy amin'ny manampahefana ao Iran raha mbola velona na tsia i Samam. Tafahoatra

Nitatitra ny Fanentanana Iraisampirenena momba ny Zon'olombelona [7] vao haingana fa nanao ny famonoana gadra enina voampanga ho faty noho ny trafikan-drongony i Iran. Nilaza ny Firenena Mikambana fa tsy “tafiditra” anaty sazy farany henjana ho any amin'ny famonoana ho faty ny heloka bevava momba ny rongony.