Mbola tsy mazava amin'ireo mpikatroka ny zon'olombelona ny mikasika ny satan'ilay mpikatroka Kiorda Saman Naseem, izay voalahatra fa hovonoina ao Iran tamin'ny herinandro lasa. Niasa hatramin'ny minitra farany, marobe ireo fanentanana nataon'ny iraisampirenena hanakanana ny famonoana tamin'ny 19 Febroary. Voalaza fa tsy voamarina araka ny lalàna manokan'i Iran sy ny fitsipika iraisam-pirenena ny fanamelohana azy ho faty, satria mbola tsy ampy taona i Naseem (vao 17 taona) tamin'izy voasambotra.
Mbola manohy misioka #SaveSaman (vonjeo i Samam) ny mpikatroka. Mandritra izany fotoana izany, niparitaka tamin'ny aterineto ny tatitra mifanohitra momba ny famonoana azy ho faty sy ny hoe mbola famonjana azy any am-ponja.
Still no official confirmation from #Iran‘ian officials re whether Saman is alive or not. Unconscionable. http://t.co/9DUysoct28 #SaveSaman
— Faraz Sanei (@farazsanei) February 21, 2015
Tsy mbola misy vaovao ofisialy avy amin'ny manampahefana ao Iran raha mbola velona na tsia i Samam. Tafahoatra
Nitatitra ny Fanentanana Iraisampirenena momba ny Zon'olombelona vao haingana fa nanao ny famonoana gadra enina voampanga ho faty noho ny trafikan-drongony i Iran. Nilaza ny Firenena Mikambana fa tsy “tafiditra” anaty sazy farany henjana ho any amin'ny famonoana ho faty ny heloka bevava momba ny rongony.