- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Lalao Andiam-Panontaniana : Mety Ahiana Ho Lasa Mpampihorohoro Ve Ianao?

Sokajy: Amerika Avaratra, Etazonia, Hehy, Hevitra, Mediam-bahoaka, Politika
"I hope you realize that if they deploy the fried mozzarella cheese sticks, I'm switching teams." tweeted by Twitter user @LibyaLiberty [1]

“Manantena aho fa takatrao fa raha mametraka fromazy mozzarella lavalava nendasina izy ireo dia hiova ekipa aho.” sioka avy amin'ny mpisera Twitter @LibyaLiberty

Tamin'ny herinandro teo, namoaka rafi-panomezana naoty [2] ny Intercept handrisihan'ny governemanta Amerikana ireo mpiasa sosialy, mpampianatra ary mpampihatra lalàna hampiasaina hamantarana izay mety ho mpampihorohoro.

Ny rafi-panomezana naoty dia “heverina hampandrenesana ireo manampahefanan'ny governemantan'i Etazonia ireo olona ahiana mety hivadika ho any amin'ny herisetra tafahoatra, sy ireo fianakaviana na fiarahamonina tandindonin-doza hikotrika foto-kevitra extremista.”

Vita rafitra antsipirihany tao anaty tahirin-kevitra anatin'ny governemanta 36 pejy [3] azon'ny gazetiboky nomerika niarahan'ny Foibem-Pirenena misahana ny Fanoherana ny Fampihorohoroana napetraka ilay rafitra voalaza  ary anatin'ny paikady goavan'ny governemanta ho Fanoherana ny Extremista mahery setra, ary miantso ireo lehiben'ny fiarahamonina ao an-toerana sy ny mpitarika  fivavahana mba hiara-hiasa amin'ny sampana mpampihatra lalàna sy ny sampan-draharaham-panjakana.

Mampiantrano ny andro fahatelon'ny fihaonambe iraisam-pirenena momba ny Fanoherana ny Extremisma Mahery Setra [4]ny Trano Fotsy ankehitriny izay ahitana solontena avy amin'ny firenena maherin'ny 60.

Amin'ny sokajy toy ny “Fanehoana ny Famoizam-po, Zavatra tsy misy dikany” “Miresaka Fanimbana tena na Hafa” sy “Fifandraisana amin'ny Vondrona manam-panondroana (Foko, Zom-pirenena, Fivavahana, Fiaviana),” mangataka amin'ireo mpampianatra, mpiasa ara-tsosialy sy mpitandro filaminana ilay rafi-panomezana naoty mba handahatra (hanome naoty) olona manomboka amin'ny 1 hatramin'ny 5.

Raha namaky ny tahirin-kevitra tao amin'ny Global Voices izahay dia tsy nahavita afa-tsy ny nihomehy mafy noho ny hitsin-dalana tamin'ny fomba fanadihadiana. Nanapa-kevitra izahay ny hanangana ireo andiam-panontanianay manokana izay mifototra amin'ny tombatombana tsotra nataon'ny Foibem-Pirenena Miady amin'ny Fampihorohoroana, amin'ny rafitra fanomezany naoty. 

Valio Ny Fanontaniana manesoeso apetrakay [5].


Noforonin'i Taisa Sganzerla, [6] Elizabeth Rivera [7], Amira Alhussaini [8]ary Sahar Habib Ghazi [9]ity Andiam-panontaniana ity.