
“Manantena aho fa takatrao fa raha mametraka fromazy mozzarella lavalava nendasina izy ireo dia hiova ekipa aho.” sioka avy amin'ny mpisera Twitter @LibyaLiberty
Tamin'ny herinandro teo, namoaka rafi-panomezana naoty ny Intercept handrisihan'ny governemanta Amerikana ireo mpiasa sosialy, mpampianatra ary mpampihatra lalàna hampiasaina hamantarana izay mety ho mpampihorohoro.
Ny rafi-panomezana naoty dia “heverina hampandrenesana ireo manampahefanan'ny governemantan'i Etazonia ireo olona ahiana mety hivadika ho any amin'ny herisetra tafahoatra, sy ireo fianakaviana na fiarahamonina tandindonin-doza hikotrika foto-kevitra extremista.”
Vita rafitra antsipirihany tao anaty tahirin-kevitra anatin'ny governemanta 36 pejy azon'ny gazetiboky nomerika niarahan'ny Foibem-Pirenena misahana ny Fanoherana ny Fampihorohoroana napetraka ilay rafitra voalaza ary anatin'ny paikady goavan'ny governemanta ho Fanoherana ny Extremista mahery setra, ary miantso ireo lehiben'ny fiarahamonina ao an-toerana sy ny mpitarika fivavahana mba hiara-hiasa amin'ny sampana mpampihatra lalàna sy ny sampan-draharaham-panjakana.
Mampiantrano ny andro fahatelon'ny fihaonambe iraisam-pirenena momba ny Fanoherana ny Extremisma Mahery Setra ny Trano Fotsy ankehitriny izay ahitana solontena avy amin'ny firenena maherin'ny 60.
Amin'ny sokajy toy ny “Fanehoana ny Famoizam-po, Zavatra tsy misy dikany” “Miresaka Fanimbana tena na Hafa” sy “Fifandraisana amin'ny Vondrona manam-panondroana (Foko, Zom-pirenena, Fivavahana, Fiaviana),” mangataka amin'ireo mpampianatra, mpiasa ara-tsosialy sy mpitandro filaminana ilay rafi-panomezana naoty mba handahatra (hanome naoty) olona manomboka amin'ny 1 hatramin'ny 5.
Raha namaky ny tahirin-kevitra tao amin'ny Global Voices izahay dia tsy nahavita afa-tsy ny nihomehy mafy noho ny hitsin-dalana tamin'ny fomba fanadihadiana. Nanapa-kevitra izahay ny hanangana ireo andiam-panontanianay manokana izay mifototra amin'ny tombatombana tsotra nataon'ny Foibem-Pirenena Miady amin'ny Fampihorohoroana, amin'ny rafitra fanomezany naoty.
Valio Ny Fanontaniana manesoeso apetrakay.
Noforonin'i Taisa Sganzerla, Elizabeth Rivera, Amira Alhussaini ary Sahar Habib Ghazi ity Andiam-panontaniana ity.