- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Voampanga Ho Nanararaotra Ireo Mpifindra Monina AFrika Atsimon'i Sahara Ny Mpitandro ny Filaminana Maraokanina

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Afrika Mainty, Eoropa Andrefana, Alzeria, Cote d'Ivoire, Espaina, Mali, Maraoka, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fifindràmonina, Fitantanam-pitondrana, Foko sy Fiaviana, Mediam-bahoaka, Mpitsoa-ponenana, Vonjy Voina, Zon'olombelona
Border fence with guardpost at Spain-Morocco border by Melilla - CC-BY-2.0 via Acad Ronin [1]

Fefin'ny sisintany miaraka amin'ny toeran-ny mpiambina ao amin'ny sisintanin'i Espaina sy Maraoka ao Melilla – CC-BY-2.0 via Acad Ronin

Nihevitra ny manampahefana Maraokanina fa manana tantaram-pahombiazana azo aseho amin'ny politikany vaovao momba ny fifindra-monina. Saingy nirodana avokoa ny zava-drehetra.

Tamin'ny fiandohan'ity volana ity, nanambara [2] i Maraoka fa nahavitra nametraka fandaharan'asa manokana handaminana ireo mpifindra monina. Nanambara [2]ny manampahefana fa fangatahana hahazo taratasim-pifindramonina 27 000 no nodinihana ary 60 isan-jato tamin'izany no nankatoavina.

Isan-taona, mpifindra monina Afrikanina an-jatony no mankao amin'ireo faritra akaikin'i Melilla [3], iray amin'ireo tany Espaniola roa ao avaratr'i Maraoka, ary manantena hitsambinkina ao amin'ny fefin'ny sisintany [4] mba hipaka any Eoropa.

Tamin'ny 10 Febroary, nanomboka nandrava ireo tobin'ny mpifindra-monina [5]ao akaikin'i Melila ao amin'ny sisintaniny Espaniola i Maraoka mba handroaka ireo mpifindra-monina hiala ao amin'ny firenena. Nandritra ny nanatanterahana izany fandravana izany no nitateran'ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona fa nampiasa herisetra tamin'ireo mpifindra-monina izay niezaka hifindra monina ao Espaina ny mpitandro ny filaminana ao an-toerana.

Hoan'ireo mpikatroka ny zon'ny mpifindra-monina ao Maraoka, toa hita fa mahazatra ny tantara. Tamina tatitra tamin'ny taon-dasa, dia hoy ny fanamarihan'ny Mpanaramaso ny Zon'olombelona: [6]

The practice of summarily expelling migrants at the border with Algeria appears to have stopped. However, research in late January and early February 2014 in Oujda, Nador, and Rabat indicates that Moroccan security forces are still using violence against migrants expelled from Melilla.

Toa efa nitsahatra ny ny fandroahana tsy misy filazana mialoha nahazo ireo mpifindra-monina ao amin'ny sisintany miaraka amin'i Alzeria. Na dia izany aza, mampiseho ny fikarohana tamin'ny faran'ny volana Janoary sy ny fiandohan'ny volana Febroary 2014 tao Oujda, Nador ary Rabat fa mbola mampiasa herisetra amin'ireo mpifindra-monina voaraoka ao Melilla ny mpitandro ny filaminana Maraokanina.

Nampiakarin'ny Fikambanana mpiaro ny Zon'Olombelona Pro.De.In tao amin'ny Vimeo iray volana lasa izay ity lahatsary manaraka mampiseho ny sisa tavela tamin'ny tobin'i Melila [7]ity:

Nitatitra ihany koa ny fikambanana fa mpifindra-monina an-jatony no notaterina tany amin'ny toerana tsy fantatra. Nanoratra tamina lahatsoratra bilaogy i Hicham Rachidi [8], Sekretera Jeneraly ny Fikambanan'ny Maraokanina Mpiaro ny Mpifindra-monina (GADEM) fa tsy mazava aminy ny antony nahamaika tampoka nandrava ny toby [9] kanefa nisy ny fivoarana vita:

Au moment même où l'on présentait a la presse nationale et internationale, les images du “traitement humains et compatissant” que réservaient les forces de l'ordre aux migrants sauvés de la noyade et reconduits a chaud par l'Espagne, au moment même où l'on annonçait les chiffres “glorieux” de la régularisation exceptionnelle, des opérations de ratissage ont été déclenchés contre les tranquillos qui abritaient du froid les centaines de migrants de Gourougou. Les procédures spoliées, la justice dénigrée, la loi et la dignité d'enfants, femmes et hommes bafouée.

Tamin'ny fotoana nampisehoanay tamin'ny fanoratan-gazety ao amin'ny firenena sy ny iraisampirenena ny sarin'ny “fikarakarana maha-olona sy ny fiantrana” nataon'ireo mpitandro ny filaminana nanavotra ireo mpifindra monina tamin'ny faharendrehana anaty rano sy ny namerenan'i Espaina azy ireo, ary tamin'izany fotoana nanambarana ny tarehimarika “manome voninahitra” tamin'ny fanomezana taratasy manokana, dia marobe ireo hetsika fanadiovana notontosaina tao amin'ireo toby “tranquillos” [milamina mangina] izay nampiantrano mpifindra-monina an-jatony [10] ao Gourougou. Nozimbazimbaina ny fitsipika tokony arahina, nopotehina ny rariny, nohitsakitsahina ny lalàm-pahamendrehan'ny ankizy, vehivavy ary lehilahy.

Screen capture of African migrants at the Gurugú Camp [11]

Pikantsarin'ireo Afrikana mpifindra monina ao amin'ny Toby Gurugú, avy amin'ny lahatsary eo ambony. 

Nanangona fijoroana vavolombelona vitsivitsy avy amin'ireo mpifindra monina ny fikambanana La Terre d'Asile (Tanin'ny Fialokalofana). Sylvain, mpifindra-monina iray avy ao Côte d'Ivoire nampahatsiahy izay nitranga tao Melilla tamin'io andro io: [12]

Dès notre arrestation, nous avons été encerclés par des militaires. Il y avait six bus qui nous attendaient, on nous a ordonné d’y monter. Puis nous avons roulé pendant plusieurs heures jusque dans le désert. On n’avait aucune indication d’où on allait. On nous a conduits dans une sorte de maison avec sept pièces. Ça ne ressemble pas à une prison, plus à un camp de détention improvisé. Puis, on nous a séparés. Dans ma cellule, nous sommes douze Ivoiriens, dans une pièce d’environ 15 mètres carrés.

Tamin'ny fisamborana anay, nohodidin'ireo miaramila izahay. Nisy fiara fitateram-bahoaka enina niandry anay, nasaina niakatra tao anatin'izany fiara izany izahay. Avy eo, naharitra ora maromaro ny nitondrana anay tany amin'ny tany hay. Tsy fantatray ny toerana nandehanana. Nentina tany amin'ny karazana trano misy efitra fito izahay. Tsy mitovy amin'ny fonja izany, fa toy ny toby fitazonana vonjimaika. Avy eo nosarasarahana izahay. Tao amin'ny efitra nitazonana ahy, Ivoariana roa ambin'ny folo izahay no atao anaty efitra mirefy 15 metatra toradroa.

Nanampy vaovao antsipirihany ny “No Borders Maroc” mikasika ny toerana misy sy izay manjò ireo mpifindra monina [13]taorian'ny nandrobana ny toby:

In the course of the day, between 20 and 30 buses left for Southern Morocco and distributed the Gurugu detainees around a dozen different cities: Errachidia, Goulmina, El Jadida, Safi, Kelaat, Sraghna, Chichaoua, Tiznit, Essaouira, Youssoufia, Agadir. Up until now, most people remained imprisoned in different houses, they are given food and clothing. Although they are being told that they will be freed soon, and that the Moroccan state is only taking their ID in order to regularize them, it seems more like the Gurugu inhabitants will be deported [..] In this operation, Morocco has violated many of its own laws, including the arrest of minors, the absence of individual case-by-case evaluation, or the detention of people over more than 24h without giving any reason.

Nandritra ny tontolo andro, fiara fitateram-bahoaka teo amin'ny 20 sy 30 teo no niainga ho any Atsimon'i Maraoka ary nizarazaràna ireo Gurugu gadra tamin'ny tanàna am-polony samihafa: Errachidia, Goulmina, El Jadida, Safi, Kelaat, Sraghna, Chichaoua, Tiznit, Essaouira, Youssoufia, Agadir. Hatramin'izao, mbola maro ireo olona any am-pitazonana amin'ny trano samihafa, omena sakafo sy fitafiana izy ireo. Na dia izany aza, nolazaina izy ireo fa havoaka tsy ho ela, ary nalain'ny fanjakana Maraokana ny karam-panondron'izy ireo mba handaminana ny momba azy ireo, toa toy ny hoe nalefa sesitany ireo mponin'i Gurugu [..] Tamin'izany fandaminana izany, nanitsakitsaka ireo lalànany manokana maromaro i Maraoka, anisan'izany ny fisamborana zaza tsy ampy taona, ny tsy fisian'ny fanadihadiana momba ny olona tsirairay, na ny fihazonana olona mihoatra ny 24 ora tsy amin'ny antony.

Naneho ny ahiahiny [14] ny Vaomiera Eoropeana mikasika ny fomba fitantanan'i Maraoka ny fahasalamana sy ny fikarakarana ireo mpifindra-monina.

Vaovao efa taloha ny krizin'ny fifindramonina ao amin'ny sisintanin'i Maraoka sy Espaina. Tamin'ny Oktobra 2014, nampiseho ny tsy fitoviana goavana izay nahatonga ny krizy ny sarin'ireo mpifindra-monina miezaka mananika ny fety raha milalao golf [15]metatra vitsy monja miala eo ireo mpilalao golf. Nampiseho mpifindra-monina Kameroney nodarohan'ny polisy Espaniola ary tsy nahatsiaro tena [15] kosa ny lahatsary iray hafa avy eo.