- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Na Eo Aza Fahafatesana Feno Misitery Nanjo Ny Mpampanoa Lalàna, Miatrika Fanamelohana Momba ny Fanafenana Fanafihana Mpampihorohoro ny Filohan'i Arzantina

Sokajy: Arzantina, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana
Argentine President Cristina Kirchner in Buenos Aires, May 16, 2013, photo by Filippo Fiorini, Demotix. [1]

Cristina Kirchner Filohan'i Arzantina tany Buenos Aires, ny 16 may 2013, sary an'i Filipo Fiorini, Demotix.

Tsy hisakana ny fiampangana ny Filohan'i Arzantina Cristina Fernández mikasika ny heloka bevava famonoan'olona [2] ny misitery nahafaty ny [3] mpampanoa lalàna Alberto Nisman, izay hita maty teo amin'ny tany tao amin'ny efitrano fandroana, ny volana lasa teo. Gerardo Pollicita, mpampanoa lalàna federaly iray hafa, nanohana ny fitarainan'i Nisman mikasika ny famonoana, [4]nangataka ny mpitsara ny mba hamelomana indray ilay fitarainana tany amboalohany fa Kirchner sy ny minisitry ny raharaham-bahinin'i Arzantina Hector Timerman [5], dia nitsabaka tamin'ny fanadihadiana mikasika ny fanapoahana baomba ny AMIA tamin'ny 1994 [6] tany Buenos Aires ary koa nanampy tamin'ny fanarontsaronana ny fandraisanan'ny Iraniana [7]anjara. [7]

When the public learned that Pollicita has picked up where Nisman left off and asked a judge to renew the charges against Kirchner and Timerman, his surname [8] became a trending topic on Twitter [9], where users discussed the move, expressing fears for Pollicita's life. Echoing [10] Kirchner's cabinet chief, others have protested the charges against the president, tweeting the hashtag “#GolpismoJudicialActivo [11]” (#ActiveLegalCoup) and #TodosConCristina [12] (#EveryoneWithCristina):………………..Raha vao fantatry ny vahoaka fa i Pollicita no naka izay navelan'i Nisman sy nangataka ny mba hanavaozan'ny mpitsara ireo fiampangana an'i Kirchner sy Timerman dia lasa loha-hevitra nalaza tao amin'ny Twitter  [9] ny anarany, [8] izay niadian'ireo mpampiasa bitsika hevitra mikasika ny hetsika, tamin'ny fanehoana tahotra mikasika ny ain'i Pollicita. Amin'ny fanelezana ny feon’ [10]ny lehiben'ny kabinetran'i Kirchner, ny hafa kosa nanohitra ny fiampangana ny filoha, tamin'ny fibitsihana ny tenifototra “#GolpismoJudicialActivo [11]” (#FanonganamPanjakanaArakaNyLalàna) sy ny  #TodosConCristina [12] (#MiarakaAminCristinaDaholo):

Tsy haiko, fa tokony ho arovan'ny lalàna amin'ny fomba rehetra i Pollicita,mpampanoa lalàna  …. sao [io mpampanoa lalàna io] manao «famonoan-tena» indray
Amin'ity faran'nyherinandro lava be ity, miditra ny efitrano fidiovana sy fandroana i Pollicita mba hangery, nibolisitra ary nazeran'ny bala

Ny fiampangàna nataon'i Nisman tsy misy heloka be vava, ny fisehoan'ny mpampanoa lalàna Pollicita ary ireo mediam-bahoaka, dia #FanonganamPanjakanaArakaNyLalàna  fotsiny ihany

#MiarakaAminCristinaDaholo ho any am-ponja    ………… mba ho fonjaina

Izay mitranga dia fihetsehampo ny CFK [Cristina Fernández de Kirchner] : latsa-pitiavana taminy ny olona. Tsy izaho irery – an-tapitrisany izahay

Ireo endrikendrika miverimberina atao amin'ireo mpiasam-panjakana ambony ao Arzantina, dia mipoitra andro vitsivitsy mialoha ilay y fiaretantory kasaina hataon'ny vahoaka ary nomanin'ireo mpampanoa lalàna avy amin'ireo lafivalon'ny firenena sy ireo mpiasam-biraon'ny fitsarana. Antsoina hoe “Diaben'ny Fahanginana” [22] ny hetsika, manamarika ny iray volana nahafatesan'i Nisman, fahatsiarovana ny andraikiny teo amin'ny vahoaka sy misarika ny saina ho ao amin'ny biraon'ny Fampanoavana. Amin'ny fampiasana ireo lahatsary tahaka io ambany io, ary koa ireo Tenifototra ao amin'ny Twitter [23], niasa nampita teny mikasika ny fihetsiketsehan'ny 18 febroary ireo mpampiasa aterineto.