Mangetaheta Sary Mampihomehy (“Meme”) ? Andramo ny ‘Mofo Anglisy Frantsay’ Japoney

The original English Toast. Photo by Flickr user Hajime NAKANO. CC BY 2.0Ny mofo anglisy ôrizinaly. Saripikan'ny mpîsera Flickr Hajime NAKANO. CC BY 2.0

Nampivadi-po tao amin'ny aterineto ny fihinana mafilotra Japoney ao an-toerana. Nampangidihidy loha ireo olona sasany noho ny fangarom-pirenena ny “English French Toast” [mofo anglisy frantsay hafanaina] nalaina avy amin'ny “English Toast” [mofo anglisy hafanaina], sakafo maivana malaza ao Aomori, prefektiora avaratra indrindra ao Honshu.

Manana ny fikarakarany ny sakafony manokana izay sarotra hita any an-kafa na aiza na aiza ireo prefektiora Japoney. Noho izany antony izany dia sarotra hoan'ny olona miaina ivelan'i Aomori ny fototr'izany mofo anglisy frantsay hafanaina izany (English French Toast).

Nohamaroana tao anatin'ny taona vitsy manerana an'i Japana ho toy ny hanina tsy azo ihodivirana mety ahitana karazany ny “English Toast,” [mofo anglisy hafanaina] sakafo maivana Aomori ôrizinaly izay nivadika ho zavatra tsy fantatra intsony : ” Mofo anglisy frantsay hafanaina (English French Toast).”

Sombi-mofo-dipaina fotsy nosilahana roa manify mihosotra margarinina hoan'ny mponina Aomori ny Mofo Anglisy Nohafanaina orizinaly. Nararaka amin'ny margarinina ny siramamy dia ampiarahana amin'ny sila-mofo roa mba hanome endrika sandwich.

Karazana sakafo fototra amin'ny karazana sakafo maivana ny Mofo Anglisy Nohafanaina ao Aomori:

Ireto ireo karazana Mofo Anglisy Hafanaina hitako hatramin'izao.

Ny mahahafa ny Mofo Anglisy Frantsay Hafanaina dia izy misy herotra (creme), fa tsy rarahana siramamy. Tsy voatery ho masira foana izy io.

Mivarotra Godrogodro vita amin'ny Mofo Anglisy Frantsay Nohafanaina ry zareo. Hataoko sakafo maraina izany rahampitso!

Na dia ao Japana tokam-pitenim-pirenena aza dia tsy nadika teny tsara ny anarana English French Toast (Mofo Anglisy Frantsay Hafanaina) ivelan'i Aomori :

Ity mofo-dipaina hoan'ny Aomori (?) ity ihany no toa lasa “meme” (sary namboarina natao hihomehezana) ao amin'ny aterineto. Maro ireo karazana Mofo Anglisy Nohafanaina ao Aomori, saingy ny Mofo Anglisy Frantsay no hita fa somary mahatsikaiky.(^ω^)

Ny natioran'ny anaran'ilay hanina izay mifangarika ihany no mahatonga azy ho lasa fihomehezana kely ao amin'ny aterineto.

This is the first time I have ever eaten Kudopan's English Toast. Even though I'm from Aomori I've never eaten it. With English French Toast,  it's like they decided to name it without being able to decide if it's from England or it's from France. BTW, it's not actually toast, either.  

Sambany nihinana English Toast Kudopan. Tsy mbola nihinana izany mihitsy aho na dia avy ao Aomori aza. Ilay English French Toast (mofo anglisy frantsay hafanaina), toa nanome ilay anarana ry zareo rehefa tsy nahatapaka hoe avy ao Angletera na avy ao Frantsa ilay izy. BTW, fa tsy tena toast ilay izy na dia izany aza.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.