Sady manampy fanontaniana hafa indray no hamela tsy hisy valiny ny raharaham-panafihana nanjo ny foiben-toeran'ny tranom-pifankatiavana Israely-Arzantina (AMIA) tamin'ny 1994 tao Buenos Aires, ny nahafatesan'i Alberto Nisman, ilay mpampanoa lalàna niandraikitra iny raharaha iny.
Damián Patcher, tao amin'ny kaontiny Twitter, no voalohany nanambara ny vaovao :
On vient de m'annoncer un accident dans la maison du procureur Alberto Nisman.
— Damian Pachter (@damianpachter) le 19 janvier 2015
Vao avy naharaisako vaovao ny fisian'ny loza tao an-tranon'ny mpampanoa lalàna, Alberto Nisman.
On a trouvé le procureur Alberto Nisman dans la salle de bain de sa maison de Puerto Madero dans une mare de sang, il ne respirait plus, les médecins étaient là — Damian Pachter (@damianpachter) le 19 janvier 2015
Hita nihoson-drà tao amin'ny efitrano fandroany ny mpampanoa lalàna, Alberto Nisman, tao amin'ny tranony any Puerto Madero, tsy niaina intsony izy, teo ny mpitsabo
Andro vitsy taorian'izay dia nandao an'i Arzantina i Patcher “noho ny fahatahorany ny amin'ny ainy” ary any Israely izy ankehitriny. Nahatohina ny rehetra ny fahafatesana tsy nampoizin'ny maro nanjo an'ilay mpitsara, araka ny asehon'ity sarintany Twitter ity :
Tsy ela dia tonga ireo sahoan-dresaka sy vinavina, famonoantena sa vono olona, eny fa na ny fifanakalozana teo amin'ny governemanta sy ny mpanohitra aza :
.@CFKArgentina: la mort du juge qui avait mis en accusation la Présidente est une opération menée contre le gouvernement http://t.co/4nke9yfyRz
— teleSUR TV (@teleSURtv) 22 janvier 2015
hetsika natao hamelezana ny governemanta ny namonoana an'ilay mpitsara niampanga ny Filoha
Oui ,cela crée un préjudice pour le gouvernement, mais d'une certaine façon, ceux qui l'ont tué ont également porté atteinte à la réputation de Nisman. — Malcom Gomez (@malcomgomez) 26 janvier, 2015
Eny, miteraka vokany ratsy ho an'ny governemanta izany, saingy amin'ny lafiny iray, nanimba ny lazan'i Nisman ihany koa ireo namono azy.
Est-ce que Berni ment, est-ce que @CFKArgentina ment ou est-ce qu'ils mentent tous les deux ? Qui a averti CFK? A quelle heure le juge est-il arrivé? http://t.co/PVYXSlNVQz — Javier Smaldone (@mis2centavos) 27 janvier 2015
Nandainga ve i Berni, i @CFKArgentina sa izy roa mihitsy no nandainga? Iza no nampilaza an'i CFK? Tamin'ny firy ora ilay mpitsara no tonga?
Raha ny tenin'ireo manampahefana ao Arzantina no raisina dia hoe namono tena i Nisman, 51 taona, ora vitsy taloha kelin'ny tokony nijoroany teo anoloan'ny Kaongresy hanolotra ny fiampangàny ny filoha Cristina Fernández de Kirchner, izay nampangainy ho nanao fifanarahana miafina tamin'i Iran mba hiarovana irao voalaza ho tompon'antoka tamin'ilay fanafihana nahafatesana olona 85 sy naharatràna 300 hafa.
Ny marainan'ny 18 jolay1994, zava-mipoaka nilanja 300 kg teo ho eo no nipoaka teo alohan'ny tranoben'ny AMIA. Ny fikarohana niarahan'ny fitsaràna tao Arzantina sy ireo fikambanana iraisampirenena dia nahafahana namantatra fa ireo mpiasam-panjakana ambony tao Iran miara-miasa amin'ny vondrona Libaney Hezbolá no mety tao ambadik'io fanafihana io.
Na izany aza anefa, nolavin'ny governemanta Iraniana ireny fiampangàna azy ireny, ary nolaviny imbetsaka mihitsy ny hiara-hiasa ao anatin'ny fanadihadiana, na teo aza ny fangatahana natao tany amin'ny Firenena Mikambana.
Tamin'ny 2013, nanao sonia fifanarahana iray i Arzantina sy Iran, ny ” Fifanaraham-piarahamiasa“, ka tao anatin'izany no nananganana ny “kaomisionan'ny fahamarinana” hikaroka ny zava-nisy marina nitranga tamin'ny 1994. Tsy dia nankasitraka loatra an'io fifanarahana io ny vondrom-piarahamonin'ny Jiosy tao Arzantina, ny lehibe indrindra any Amerika Latina, saingy tsy fahombiazana izy iny noho izy tsy nankatoavin'ny antenimera rehefa naroson'ny governemanta Iraniana teo anatrehany, satria tsy nahazo velively ny fanohanan'ny filoha Mahmoud Ahmadinejad tamin'izany fotoana.
Notohanan'i Nisman ny hoe nosoniavina iny fifanarahana iny “hamoronana ny tsy fananantsiny” ho an'ireo Iraniana ary hanamoràna ny fifanakalozana ara-barotra amin'ny resaka voamaina sy hena atakalo solika…
Ny hany olona voampanga tamin'iny raharaha iny dia i Carlos Telleldín, ilay mpivarotra tamin'ilay fiara “camionnette” voasesika zava-mipoaka, izay nanaovan'ny mpamiliny vy very ny ainy ka napoaka tamin'ny tranoben'ny AMIA. Saingy mbola miriaria hatrany ireo tena tomponandraikitra.
Eto ny fanampim-baovao mikasika ity raharaha ity