Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

19 Febroary 2015

Tantara tamin'ny 19 Febroary 2015

Mitsangantsangàna Eny Amin'ireo Lalankely Ao Japana

Nanatevina laharana ny hetsika Slow TV i satobo3104, mpampiasa YouTube, ary nampakatra lahatsary mirakitra ireo fitsangantsangànana namakivaky ireo tanàna tranainy manodidina sy manerana an'i Japana.

Tafiotram-Pasika Nanempotra Namely An'i Iran

Noresahan'i Arseh Sevom tamin'i Sam Khosravi, mpikaroka momba ny tontolo iainana ny momba izay niavian'ireo tafiotram-pasika mamely an'i Iran sy izay mety ho vahaolana.

Miteraka Fanontaniana Vaovao Momba Ny Fanafihana Natao Ny AMIA Ny Nahafatesan'ilay Mpampanoa Lalàna Arzantina

Miteraka fanontaniana vaovao momba ny Fanafihana natao ny AMIA tany amin'ny 20 taona lasa ny nahafatesan'ilay Mpampanoa lalàna Arzantina, Alberto Nisman, fanafihana nahafatesana olona 85 sy naharatràna 300 hafa, ny ratsy indrindra taorian'ny vono faobe natao ny Jiosy.

#SaveSaman: Ezaka Farany Hamonjena An'i Saman Naseem Ao Iran Tsy Hovonoina Ho Faty

Nisy ny antso maika hanaovana hetsika hampitsaharana ny fanamelohana ho faty an'ilay tovolahy Saman Naseen, voasambotra teo amin'ny faha-17 taonany (22 izy izao), noho ny naha-mpikambana azy tao anaty vondrona mpanohitra mitam-piadiana. Nanao antso ny Amnesty International mba hanaovana hetsika hanakanana ilay famonoana kasaina hatao anio Zoma 19 Febroary

Noraofin'i Japana noho ny Tahotra ISIS ny Pasipaoron'ny Mpakasary Iray Miozona ho any Syria

Nitranga izany taorian'ny famonoana mampihoron-koditra nataon'ny ISIS tamin'ireo teratany japoney roa tamin'ny janoary. Misy ankehitriny ao Japana ny fahatsapana manjavozavo fa misy ny toerana tsy azo ekena handehanana.

Misiaha Amin'ny #Tenindreny ho Fankalazana Ny Fahasamihafam-Piteny Antserasera

Rising Voices

Miteny amin'ny fiteny an'arivony maro izao tontolo izao, saingy mety tsy ho fantatrao izany rehefa manaraka amin'ny Twitter. Azonao atao ny manova amin'ny alalan'ny fandefasanao ny sioka amin'ny #tenindreny (tsy asiana tsipi-panohizana) anao amin'ny 21 Febroary.