- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Resaka Tamin'ny Twitter Nifanaovan'I Martina Navratilova Tamin'ny Kaonty Iray Maka Tahaka Filoha Arzantiniana

Sokajy: Amerika Latina, Eoropa Afovoany & Atsinanana, Arzantina, Repoblika Tseky, Hehy, Hevitra, Mediam-bahoaka
Presidenta argentina Cristina Fernández de Kirchner. Foto en Twitter (CC BY-SA 2.0).

Filoha Arzantiniana Cristina Fernández de Kirchner. Sary tao amin'ny Flickr [1], CC 2.0.

Nihevitra ilay mpilalao tenisy malaza fa niresaka tamin'ny filoha Arzantina tao amin'ny Twitter tamin'ny herinandro lasa, saingy ny marina dia tafaresaka tamina kaonty maka tahaka olo-malaza iray izy. Tsheky sady Amerikana mpilalao tenisy sy mpanazatra efa misotro ronono i Martina Navratilova [2], niresaka tamin'ny kaonty iray milaza tena ho Filohan'i Arzantina Cristina Fernández de Kirchne.

Imagen en Flickr del usuario  Andrew Campbell  (CC BY 2.0).

Martina Navratilova. Sary tao amin'ny Flickr avy amin'i Andrew Campbell [6], (CC 2.0.

Inona no nataon'i @MiaFarrow [3] sy @Martina [4] nandritra ny didy jadona tao Arzantina? Manao sarimihetsika adaladala, milalao tenisy? Mpiady anaty akata izaho sy ny vadiko tamin'izany fotoana izany

Tsy mahafantatra ny esoeson'anaran'izay mitantana ilay Twitter, izay mampiasa tamin'ny anarany ny teny “Gelatina”, namaly tamin'ny sioka roa i Martina:

Soa ianao fa tsy niteny hoe ratsy filalao tenisy aho, dia izay izany :). Fa inona no tena tianao anontaniana?

Ary inona no nataonao tamin'ny fibodoan'i Sovietika an'i Tshekoslovakia? e; ndao … 🙂 🙂 Nisioka momba izany ve ianao?!? 🙂

Namaly sioka avy eo ilay kaonty maka tahaka an'i Cristina Fernández:

O ry Martina; ratsy endrika ny filalaovanao tenisy! ny lehilahy tokana hany resinao dia i Vitas Gerulaitis izay efa nilalao telo andro misesy.

Nivoaka ihany ny tena kaonty Twitter an'ny filoha Cristina Fernadez, @CFKCristina [11]. Nirohotra nanaitra an'i Navratilova tamin'ny hevi-disony ny mpisera Twitter sasany, nanantena ny tsy hahazoany likiliky hafa intsony:

Aza ketrina ry Martina; hosoka ny @CFKGelatina [7]. Mialà tao ho fiarovana anao.

Mia Farrow, Martina, sandoka io @CFKGelatina [7] io. Aza valiana azafady. Ny kaonty ofisialin'i Cristina Fernandez dia @CFKArgentina [13]

Niteraka vazivazy sy fanehoan-kevitra avy hatrany avy amin'ireo mpiserasera hafa ny zava-misy:

Zavatra mampalahelo! Nihevitra i Martina fa tena matotra ilay izy, saingy iza no hanome tsiny azy, raha sarotra ny manavaka ilay hafa amin'i @CFKGelatina [7]

Matotra kokoa noho ny kaonty orizinaly ny kaonty @CFKGelatina, [7] hevero.

Noheveriko fa hafahafa ny mamaky ny soratra Anglisy hoe [PLESIDENT], teny “Shinoa” ihany no resahiny ary tena raaaatsy!!

Ity sioka farany ity dia milaza momba ny tabataba nateraky [19]ny sioka vao haingana noheverin'ny maro fa manavakavaka, izay navoakan'i Fernández nandritra ny fitsidihany tany Shina, ary toa maneso ny vahoaka Shinoa manafangaro ny teny “R” amin'ny “L.”

Nandray anjara tamin'ity lahatsoratra ity i Laura Schneider [20] .