- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Resahina amin'ny Mpanao Zaridaina ho Vazy Manaja Tontolo Iainana ny Fakom-Boanio

Sokajy: Azia Atsimo, India, Sri Lanka, Fampandrosoana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna, Vaovao Tsara, Zavakanto & Kolontsaina
Plant vases made of coir are the new export materials. Surprisingly being quite cheap these eco-friendly materials haven't found a market in India. Image by Subhashish Panigrahi. Used with Permission. [1]

Sady mety amin'ny tontolo iainana no mora ny vazim-boninkazo vita amin'ny tsiratsiraka hodi-boanio sy iny hoditra matevimben'ny voanio iny. Saripikan’ [2]i Subhashish Panigrahi voafehin'ny CC-by-SA 4.0.

Ireo vazim-bolom-boanio amin'ny sary etsy ambony dia vita amin'ny hoditra voanio matevina [3] na faikam-boanio [taolam-boanio], “zavatra tsy ilaina” avy amin'ny famokarana voanio. Ny taretram-boanio [4] dia tsiratsiraka voajanahary nalaina avy amin'ny akora anatiny mafy sy ny fonony ivelan'ny voanio ampiasaina ho lasa vokatra hafa toy ny karipetra, famafana tongotra, borosy, kidoro, tady ary karipetra notenonina.

Ny taretram-boanio [volom-boanio] no mandrafitra ny ampahatelon'ny nofom-boanio ary mety levona ara-boajanahary ny ambiny, antsoina hoe tsiratsiraka na vovoka. Natao ho fakofakon-javatra hatrany ny ireo volom-boanio, saingy ankehitriny efa miha-ampiasaina hikarakarana nofon-tany, velara-mololo ary fampitomboam-boly an-tanety tezaina anaty rano, Ohatra: ampiasaina amin'ny vazim-bolom-boanio. Raha azo lovina (atao lò) amin'ny alalan'ny fampiasana kasinga biolojika [5] ny hoditra voanio matevina, ao anatin'ny 30 andro dia afa-miova tanteraka ho zezika organika natoraly 100% [6] mahasoa ny zavamaniry izy.

 Ahafahana mitahiry hatramin'ny vazy plastika 100 tapitrisa [7] tsy hiafara any amin'ny daba fanariam-pako ny fampiasana vazim-bolom-boanio izay azo ambolena mivantana ao amin'ny zaridaina.

Mitombo any amin'ny faritra firenena tropikaly maro ny hazo voanio (Cocus nucifera) saingy any India, Thailandy, Sri Lanka ary Filipina ihany no tena mitrandraka azy ara-barotra [8]. Efa nampiasaina hatramin'ny andro fahagola ny tady sy tady mahazaka vita amin'ny tsiratsiraka voanio ary hita ao amin'ny tantaram-piarahamonina Indiana sy Arabo.

Ny lahatsary YouTube [9] eto ambany no mampiseho fa avy amin'ny hoditra matevin'ny voanio ny tsiratsiraka :

Mamokatra ny 60%-n'ny volom-boanio manerantany i India. India sy Sri Lanka miaraka no mitana ny 90%-n'ny vokatra taretram-boanio manerana izao tontolo izao. Mahazo devizy [10] Rs 2,2 miliara (tokotokony ho $37 tapitrisa) amin'ny alalan'ny fanondranana volom-boanio i India nandritra ny taom-pamokarana 2011-12 ary mikendry ny hampakatra avo dimy heny ny fanondranana noho ny filàna any amin'reo firenen'ny Helodrano [11].

 Iray amin'ny famoronana mampiasa ny taretram-boanio ny vazim-bolom-boanio, loharanom-bola hoan'ny rehetra te-hanomboka fambolena maitso.

Amboaran'ny fanatsimohana voa na VAZY COCO : vazim-bolom-boanio vita avy amin'ny tsiratsiraka volom-boanio ampiraiketina na tsia amin'ny fingotra voajanahary.

Aorian'ny fambolena hazo ao anaty vazy, mitombo amin'ny alalan'ny volom-boanio ny fakany, ka azo alentika anaty nofontany manontolo miaraka ny vazy iray manontolo sy ny nambolena – tsy misy fandaniana vazy plastika amin'ny tsy antony ary tsy misy ezaka very maina.

Manoratra ao amin'ny Facebook ny mpanoratra Subhashish Panigrahi [1] ato amin'ny GV :

Plant vases made of coir are the new export materials. Surprisingly being quite cheap these eco-friendly materials haven't found a market in India. Coir pith is used as manure in the vases. After two years or so, when the roots start penetrating the vase, it could straight away be taken and planted. What a neat idea!

Zava-panondrana vaovao indray ny vazin-javamaniry vita amin'ny volom-boanio. Ny mahagaga tsy manana tsena any India itony fitaovana miafanaraka amin'ny tontolo iainana mora dia mora itony. Nampiasaina ho zezika anaty vazy ny taretram-boanio. Afaka roa taona, rehefa mamahatra ao anatin'ny vazy ny fakany, dia azo esorina sy ambolena. Hevitra mandamina a!

Ny tombontsoa azo amin'ny vazim-bolom-boanio [7] dia ny fahafahany manolo toerana tanteraka ny vazy, ny koveta ary ny takelaka plastika vita avy amin'ny akora nosintonina tamin'ny solika. Na dia maivana, mateza ary azo ampiasaina indray aza ireny dia miafara any anaty fako hatrany ka miteraka fahasimban'ny tontolo iainana. Saingy maro ny zavatra miova. Mihabetsaka [eny an-tsena] ireo zavamaniry ao anaty fitehirizana mety levona ara-boajanahary fa efa mifoha manoloana ny fanimban'ny plastika sy ny fingotra amin'ny tontolo iainana ny mpamboly.

Nandray anjara tamin'ity lahatsoratra ity i Subhashish Panigrahi [14].