- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ankizivavy Manao Sarintanin'i Palestina Amin'ny Bala Israeliana Nangoniny Manodidina Ny Tranony

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Israely, Palestina, Ady & Fifandirana, Mediam-bahoaka
A Palestinian girls draws the map of Palestine using Israeli bullets. Photograph shared by @Palestinianism on Twitter [1]

Ankizivavy Palestiniana manao ny sarintanin'i Palestina amin'ny fampiasana bala Israeliana. Sary nozarain'ny @Palestinianism [1] tao amin'ny Twitter

Nivezivezy tao amin'ny fampahalalam-baovao sosialy ity sary ity androany. Araka ny filazan'ny Palestinianism, izay manana mpanjohy 21.8K ao amin'ny Twitter:

Nanangona ireo bala Israeliana manodidina ny tranony ity ankizivavy Palestiniana ity ary nanoritra ny sarintanin'i Palestina tamin'izany

Hoy i Palestianism nanohy:

Manontany tena aho indraindray hoe manao ahoana ny ho fitombon'ireo ankizy mitovy taona aminy raha tanky, bala, grenady, balafomanga sy baomban'i Israely no manodidina azy ireo.

Ary nanohy hoe:

Iza no homen-tsiny raha mihalehibe tsy misy na inona na inona afa-tsy fahatezerana sy fankahalana ao anatiny ireo ankizy ireo.

Tsy misy ny vaovao azo omena mikasika ny mombamomba ilay ankizivavy, na koa ny toerana niaviany ao Palestina.