37 Voafantina Hiady ny Famaranana Amin'ny SIMA 2015

Sima 2015 documentary finalists

Pikantsarin'ireo miady ny famaranana sarimihetsika 2015. Avy amin'ny tranonkalan'ny SIMA.

Tantara 37 avy amin'ny firenena 35 no tonga any amin'ny tanjona famaranana hotsaraina amin'ny Social Impact Media Awards (SIMA) [Lokan'ny Fampitam-baovao Misy Fiantraikany ara-tsosialy] amin'ity taona ity. Tafiditra ao anatin'ny lohahevitra ny vondrom-piaramonin'ireo nanova taovam-pananahana ao Puerto Rico, ny rotaka tao Haiti ary ny fitsingoan-dia ireo mpifindra monina niainga tany Nizeria nankany Holandy.

Daniela Ko, SIMA Mpanorina sady Lehiben'ny Mpanatanteraka niteny: “Manome endrika sary an-tsaina indray ny famokarana sarimihetsika sosialy sy politika ireo mpamokatra sarimihetsika ireo, Mametraka lasitra vaovaon'ny mangarahara, fahadiovan-tsaina ary ny fahaiza-mamorona ry zareo raha manova ny fakantsariny, ny fitantarany ary rehefa itarina [manova] ny mpanatrika ho lasa fitaovan'ny rariny ara-tsosialy”.

Tafiditra ao amin'ny Tahirin'ny SIMA sy ny andiam-pandaharana Fitsangatsanganana, sehatra iray miasa ho amin'ny fampisehoana lahatsarim-panadihadiana manerantany ireo [sarimihetsika] miady ny famaranana.

Ny mpandresy tamin'ny Lahatsarim-panadihadiana Tsara Indrindra Nisongadina tamin'ny herintaona dia ny ‘A World Not Ours’ [Tontolo iray tsy antsika] nataon'i Mahdi Fleifel – sarim-panondroana ny tsy fananana firenena sy ny fangidiam-panahy ao amin'ny tobin'ny mpialokaloka Palestiniana iray ao atsimon'i Libanona. Ankehitriny amin'izay fahatelo taonany izay dia nihanaroroka ny SIMA ka lasa fandarahan-tsarimihetsika iraisampirenena sy manangona, manatsonga ary mizara ireo sarimihetsika misy fiantraikany tsara indrindra manerana ny glaoby. 

Ny Global Voices dia mpiara-miombon'antoka amin'ny SIMA 2015. SIMA dia tohanan'ny Creative Visions Foundation, G technologies, sy ny Angel Station.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.