- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fitalahoana Nalefa Tamin'ny Minitra Farany Mba Hanajanonana Ny Famonoan'i Indonezaia Ireo Aostraliana Roa Manondrana Zava-mahadomelina

Sokajy: Azia Atsinanana, Oseania, Aostralia, Indonezia, Fanoherana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Lalàna, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana
Keep Hope Alive [1]

Manàna Fanantenana – sary natolotry ny Amnesty International ao Aostralia

Mihazakazaka be ny fotoana ho an'ireo Aostraliana mpanondrana zava-mahadomeina, Myuran Sukumaran sy Andrew Chan, izay miatrika famonoana ao Indonezia. Ao anatin'ny antsoina hoe Bali Nine [2] izy ireo, izay voasambora tamin'ny 2005 tao Denpasar. Nolavina ny fitalahoana nagatahana ny famindrampon'ny filoha sy ny fitsarana.

Nilaza ny praiminisitra Aostraliana Tony Abbott fa efa nanao izay rehetra azony natao saingy tsy hiditra amin'ny resaka “diplaomasian'ny tabataba an-gazety”, hoy ny Jakarta Post [3]. Betsaka no tsy resy lahatra amin'izany :

Ny tsy fanoherana ny famonoana ho faty ny teratany avy any aminao fotsiny dia efa endrika diplaomasian'ny tabataba an-gazety

Lasa ivon'ny resabe [5] ihany koa ny fitsapan-kevitra iray natao tamin'ny olona tao Aostralia. Ny fanontaniana dia hoe, “Amin'ny hevitrao, raha misy Aostraliana iray tratra noho ny fanondranana zava-mahadomelina any amin'ny firenena hafa&voaheloka ho faty, tokony ho tanterahana ve ny sazy?” nahazoana valinteny 52% namaly Eny tamin'ilay fitsapankevitra. Nyhaben'ny zavatra tratra sy ny fomba natao no nokianina.

Ho fanampiny, niharan'ny kiana tao anatin'ilay fitsapankevitra ny fampielezampeo Triple J, ABC (Australian Broadcasting Corporation) l:

Diso tafahoatra ry @DailyMailAU [6] raha fitsapankevitra nataon'ny @triplej [7] no hitondra mankany amin'ny famonoana an'i Sukumaran sy Chan.

Nampiasain'ny governemanta Indoneziana hanamarinana ny fanapahankeviny ilay fitsapankevitra :

Indonizia mampiasa ny fitsapankevitry ny Triple J hanamarinana ny famonoana ny Bali Nine

Azo antoka fa mizarazara be ny hevitry ny olona ao Aostralia. Ben Quilty, mpanakanto, dia nikarakara hetsika hanoherana ilay famonoana azy roa ireo. Manao antso izy ho an'ny Ministy ny Raharaham-Bahiny,  Julie Bishop, mba handeha ho any Indonezia.

@JulieBishopMP [16] Iangaviako ianao ho any Bali.

Nolavin'i Garry Linnell, mpanolotra fandaharana amin'ny fampielezampeo, ny fanaovana fiaraten-tory nitondra labozia ny 29 Janoary teo ary nisy ny nomba ny heviny :

“Bali 9: Nahoana aho no tsy handrehitra labozia ho an'i Sukumaran sy Chan” – ampahan-dahatsoratra feno fahasahiana avy amin'i Garry Linnell

Niady hevitra mikasika ny eny sy tsia amin'ilay famonoana ho faty i Patrick Stokes, manampahaizana avy amin'ny anejrimanontolo, ao anatin'ity raharaha Bali Nine ity, ary ny hoe ahoana no tsy tokony hiadiana hevitra momba ilay fanamelohana ho faty. [21] Fintininy hoe :

Nilaza [22] ny governornan'i BAli, Made Mangku Pastika, fa tokoy hatao ilay famonoana ho faty – fa fotsiny tsy ho ao Bali. Toy ny hoe OK ny fitrangan'ny zavatra tahaka izao, rehefa tsy eto ilay izy no mitranga, eto izay toerana tsy maintsy hiatrehantsika ny tena zava-misy feno tamin'izay natao rehefa manapitra aina iray ny fanjakàna, ny amin'ny hoe mitifitra olona iray mifamatotra aminà tsatòka iray [23].

Mampalahelo, toa betsaka ny Aostraliana no manaiky.

Raha mbola variana miventy fanohanana ho an'ireo lalàna vaovao momba ny fitehirizana angon-drakitra ny [24]PM Abbott, nampametra-panontaniana kosa ny anjara andraikitry ny Polisy Federaly Aostraliana (AFP) tamin'ny fampandrenesana [25]ireo manampahefana taoi Indonezia :

Miaraka amin'i Abbot mijoro eo anilan'ny AFP momba ny horohoro PR maninona no tsy takiana ny handraisan'ny AFP ny andraikitra maha-mpanadihady azy amin'ny Bali9 hanakana ny fanamelohana ho faty Indon.

Fanohanana iray nifantohana tetyanaty aterineto ny tenifototra #IStandForMercy [27] ao amin'ny Twitter :

Miaraka amin'ny zanako vavy mandrehitra labozia ho amin'ny famelan-keloka #ManohanaNyFamelànaAho [27]  #HitànanaNyFanantenanaTsyHoFaty

Tsy misy olona na iray aza mendrika hohelohina ho faty. na inona na inona heloka nataony #ManohanaNyFamelànaAho [27]

Ny sasany ao amin'ny Twitter nanontany tena momba ny mety fisian'ny resaka foko any anatin'ireo izay manakiana ilay fanentanana mba hamonjena ireo Aostraliana roa:

Manontany tena hoe raha toa ka fotsy hoditra ry zalahy mba ho nanao ahoana ireto bandy 9 any Bali miatrika ny Lalantsaram-Pahafatesana ireto ?

Mitohy ny fiaretan-tory mandritra izany fotoana izany :

Miaraha aminay miari-tory amin'ity alina ity mba hanafoana ilay #FanamelohanaHoFaty sy #HitànanaNyFanantenanaTsyHoFaty

Misy fivoriambe voalahatra hatao eo amin'ny Kiaja malalaka Martin ao Sydney, toerana vao haingana no nisy fanaovana fahirano sy fahafatesana [41].