Mihazakazaka be ny fotoana ho an'ireo Aostraliana mpanondrana zava-mahadomeina, Myuran Sukumaran sy Andrew Chan, izay miatrika famonoana ao Indonezia. Ao anatin'ny antsoina hoe Bali Nine izy ireo, izay voasambora tamin'ny 2005 tao Denpasar. Nolavina ny fitalahoana nagatahana ny famindrampon'ny filoha sy ny fitsarana.
Nilaza ny praiminisitra Aostraliana Tony Abbott fa efa nanao izay rehetra azony natao saingy tsy hiditra amin'ny resaka “diplaomasian'ny tabataba an-gazety”, hoy ny Jakarta Post. Betsaka no tsy resy lahatra amin'izany :
Not objecting to the execution of your own citizens is, itself, a form of megaphone diplomacy.
— Sir Newt (@NewtonMark) February 5, 2015
Ny tsy fanoherana ny famonoana ho faty ny teratany avy any aminao fotsiny dia efa endrika diplaomasian'ny tabataba an-gazety
Lasa ivon'ny resabe ihany koa ny fitsapan-kevitra iray natao tamin'ny olona tao Aostralia. Ny fanontaniana dia hoe, “Amin'ny hevitrao, raha misy Aostraliana iray tratra noho ny fanondranana zava-mahadomelina any amin'ny firenena hafa&voaheloka ho faty, tokony ho tanterahana ve ny sazy?” nahazoana valinteny 52% namaly Eny tamin'ilay fitsapankevitra. Nyhaben'ny zavatra tratra sy ny fomba natao no nokianina.
Ho fanampiny, niharan'ny kiana tao anatin'ilay fitsapankevitra ny fampielezampeo Triple J, ABC (Australian Broadcasting Corporation) l:
Bit of a stretch @DailyMailAU that a @triplej poll could lead to the execution of Sukumaran and Chan. http://t.co/VYPloxErXB #Bali9 #media
— Steve Williams (@randomswill) February 4, 2015
Diso tafahoatra ry @DailyMailAU raha fitsapankevitra nataon'ny @triplej no hitondra mankany amin'ny famonoana an'i Sukumaran sy Chan.
Nampiasain'ny governemanta Indoneziana hanamarinana ny fanapahankeviny ilay fitsapankevitra :
Indonesia using Triple J poll to justify Bali Nine executions – 9#Au http://t.co/weGQliIPAM #Aust
— Tweeting Roo ™ (@TweetingRoo) February 4, 2015
Indonizia mampiasa ny fitsapankevitry ny Triple J hanamarinana ny famonoana ny Bali Nine
Azo antoka fa mizarazara be ny hevitry ny olona ao Aostralia. Ben Quilty, mpanakanto, dia nikarakara hetsika hanoherana ilay famonoana azy roa ireo. Manao antso izy ho an'ny Ministy ny Raharaham-Bahiny, Julie Bishop, mba handeha ho any Indonezia.
http://t.co/HqVjshO9ZS @JulieBishopMP please go to Bali.
— Ben Quilty (@BenQuilty) February 4, 2015
@JulieBishopMP Iangaviako ianao ho any Bali.
Nolavin'i Garry Linnell, mpanolotra fandaharana amin'ny fampielezampeo, ny fanaovana fiaraten-tory nitondra labozia ny 29 Janoary teo ary nisy ny nomba ny heviny :
“Bali 9: Why I won't be lighting a candle for Sukumaran and Chan” – gutsy piece from Garry Linnell: http://t.co/XTnqe8tlXU via @smh
— Leo D'Angelo Fisher (@DAngeloFisher) January 29, 2015
“Bali 9: Nahoana aho no tsy handrehitra labozia ho an'i Sukumaran sy Chan” – ampahan-dahatsoratra feno fahasahiana avy amin'i Garry Linnell
Niady hevitra mikasika ny eny sy tsia amin'ilay famonoana ho faty i Patrick Stokes, manampahaizana avy amin'ny anejrimanontolo, ao anatin'ity raharaha Bali Nine ity, ary ny hoe ahoana no tsy tokony hiadiana hevitra momba ilay fanamelohana ho faty. Fintininy hoe :
Nilaza ny governornan'i BAli, Made Mangku Pastika, fa tokoy hatao ilay famonoana ho faty – fa fotsiny tsy ho ao Bali. Toy ny hoe OK ny fitrangan'ny zavatra tahaka izao, rehefa tsy eto ilay izy no mitranga, eto izay toerana tsy maintsy hiatrehantsika ny tena zava-misy feno tamin'izay natao rehefa manapitra aina iray ny fanjakàna, ny amin'ny hoe mitifitra olona iray mifamatotra aminà tsatòka iray.
Mampalahelo, toa betsaka ny Aostraliana no manaiky.
Raha mbola variana miventy fanohanana ho an'ireo lalàna vaovao momba ny fitehirizana angon-drakitra ny PM Abbott, nampametra-panontaniana kosa ny anjara andraikitry ny Polisy Federaly Aostraliana (AFP) tamin'ny fampandrenesana ireo manampahefana taoi Indonezia :
With Abbott standing next to AFP for PR terror stunt why not ask for investigation role of AFP into Bali9 given over to Indon, death penalty
— suemazzy (@suemazzy1) February 4, 2015
Miaraka amin'i Abbot mijoro eo anilan'ny AFP momba ny horohoro PR maninona no tsy takiana ny handraisan'ny AFP ny andraikitra maha-mpanadihady azy amin'ny Bali9 hanakana ny fanamelohana ho faty Indon.
Fanohanana iray nifantohana tetyanaty aterineto ny tenifototra #IStandForMercy ao amin'ny Twitter :
With my daughter lighting candles for mercy. #IStandForMercy #keephopealive @MercyCampaign pic.twitter.com/nyeQNNGUDR
— Verity Firth (@VerityFirth) January 29, 2015
Miaraka amin'ny zanako vavy mandrehitra labozia ho amin'ny famelan-keloka #ManohanaNyFamelànaAho #HitànanaNyFanantenanaTsyHoFaty
Nobody deserves the death penalty, no matter what crime has been committed.#IStandForMercy. @jokowi_do2 http://t.co/lwyx6buEgW
— Janet Rice (@janet_rice) January 29, 2015
Tsy misy olona na iray aza mendrika hohelohina ho faty. na inona na inona heloka nataony #ManohanaNyFamelànaAho
Ny sasany ao amin'ny Twitter nanontany tena momba ny mety fisian'ny resaka foko any anatin'ireo izay manakiana ilay fanentanana mba hamonjena ireo Aostraliana roa:
Wonder how these Bali 9 dudes on Death Row would be viewed if they were white?
— BRIGGS (@BriggsGE) February 5, 2015
Manontany tena hoe raha toa ka fotsy hoditra ry zalahy mba ho nanao ahoana ireto bandy 9 any Bali miatrika ny Lalantsaram-Pahafatesana ireto ?
Mitohy ny fiaretan-tory mandritra izany fotoana izany :
Join us at a vigil tonight to abolish the #DeathPenalty and #KeepHopeAlive http://t.co/7ewm29Bo3V http://t.co/fW8TbIddwZ #IStandForMercy
— NSW Women's Network (@AmnestyWomen) February 5, 2015
Miaraha aminay miari-tory amin'ity alina ity mba hanafoana ilay #FanamelohanaHoFaty sy #HitànanaNyFanantenanaTsyHoFaty
Misy fivoriambe voalahatra hatao eo amin'ny Kiaja malalaka Martin ao Sydney, toerana vao haingana no nisy fanaovana fahirano sy fahafatesana.