- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sazian'ny Governemanta Makedoniana Ny Fakàna Sary Fihetsiketsehana Amin'ny Drôna

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Makedonia, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Saripika, Sivana, Tanora, Zon'olombelona
Image tweeted by @Nav_urov. Photo from a drone flying above the massive December 10 student protests. [1]

Sary nalefan'ny @Nav_urov tamin'ny sioka. Sary avy amin'ny drôna manidina teo ambonin'ny fihetsiketsehana goavan'ny mpianatra tamin'ny 10 Desambra.

Namoaka lalàna vaovao mandràra ny fampiasana drôna hatramin'ny 500 metatra miala ny tranoben'ny governemanta, famoriam-bahoaka ary fihetsiketsehana ny Repoblikan'i Makedonia.

Nanampy tamin'ny fampisehoana ny haben'ny hetsika goavan'ny mpianatra [2] vao haingana ny sary sy lahatsary [2] nalaina tamin'ny drôna, izay zara raha nivoaka tamin'ny fampahalalam-baovao, saingy efa antsoina hoe hetsiky ny mpianatra goavana indrindra [3]tao Makedonia tao anatin'ny 25 taonan'ny fahaleovantena. Tamin'ny 10 Desambra 2014, mpianatra sy mpampianatry ny oniversite an'arivony no nidina an-dalambe mba hitsipaka ny drafitrasan'ny governemanta hanaramaso ireo fanadinana ahazoana diplaoma.

Nanoratra tatitra [4]momba ilay lalàna vaovao ny gazety mpivoaka isan'andro manohana ny governemanta, lalàna nanankery nanomboka tamin'ny 31 Janoary, saingy mbola tsy navoaka antserasera ao amin'ny habaky ny governemanta.

„Не може да се вршат операции на летала без екипаж под 150 метри во секоја населено област, под 50 метри растојание од секое лице, брод, возило или инфраструктура…“, стои во уредбата.

Притоа се забранува дронот да се насочува кон лица, животни или собир на луѓе.

„Не може да лета летало без екипаж во радиус од 500 метри од објектите од значење за безбедноста, објектите на државните органи и критични народни маси, како што се објектите на Министерството за одбрана и АРМ, објектите на МВР, Владата, Собранието, резиденцијата на претседателот на државата, дипломатските претставништва, високоризични натпревари и голем собир на луѓе (протести)“, стои во уредбата.

“Voaràra ny mampiasa voromby tsy misy mpanamory latsaky ny 150 metatra amin'ny faritra misy olona, na latsaky ny 50 metatra amin'olona, sambo, fiara na foto-drafitrasa” hoy ny voalazan'ny lalàna.

Voaràra ihany koa ny mandefa drôna eny amin'ny olona, biby na famoriam-bahoaka.

Araka ny voalazan'ny lalàna: “voaràra ny mampanidina voromby tsy misy mpanamory ao anatin'ny 500 metatra miala amin'ny tranobe noho ny antony ara-piarovana, na koa ny tranon'ireo mpiasam-panjakana ambony na toerana be olona, tahaka ny tranoben'ny minisiteran'ny Fiarovana sy ny Tafika ao amin'ny Repoblikan'i Makedonia, ny tranoben'ny Minisiteran'ny Atitany, ny governemanta, ny Antenimiera, ny  toeram-ponenan'ny Filoham-panjakana, fifaninanana ara-panatanjahantena mety ahitan-doza, sy fihetsiketseham-bahoaka goavana. “

Nilaza ny mpianatry ny Plenum, mpikarakara ny fihetsiketsehana tamin'ny 10 Desambra [5] fa notanan'ny polisy ny mpikirakira fakantsary drôna iray. Tsy misy ny taratasim-panjakana milaza hoe mandra-pahoaviana ary inona ny fiampangana.

Notanana tao amin'ny tobin'ny polisy Karposh ilay tovolahy niaraka tamin'ny drôna. Mitohy ny teritery saingy tsy hanakana anay izany. Vao fiatombohany izao!

Roa taona lasa izay, Makedoniana an'aliny [7]no nidina an-dalambe mba hanohitra ny fahantrana sy ny kolikoly misy ao amin'ny firenena manana mponina roa tapitrisa. Nanomboka teo, vondron'olona isan-karazany – mpianatra [8], mpampianatra, mponina [8] sy mpiasa [8] – no nivoaka mba hanao fihetsiketsehana mitaky ny zon'izy ireo sy fiainana tsaratsara kokoa. Nampiasa tetikady isan-karazany ny governemanta mba hanakanana ny fitantarana ny fihetsiketsehana amin'ny fampahalalam-baovao, anisan'izany ny fandrahonana mpanoratra gazety [9].