- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ekoatera Miloko Mavo Mahafinaritra

Sokajy: Amerika Latina, Ekoatora, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana, Tsidika
Los turistas se preparan para pasar la primera noche en Mangahurco. La naturaleza nos ofrece un atardecer increíble en medio de los primeros árboles frorecidos de Guayacán. Foto de la cuenta en Flickr Amalavida.tv. bajo licencia Creative Commons. [1]

Miomana handany ny alina voalohany ao Mangahurco, Ekoatera, ao anatin'ny ala Guayacan mamony mavo ny mpizahatany. Saripika nampindramin'i Flickr Amalavida.tv., lisansa Creative Commons.

Amin'ny faran'ny volana Janoary no mamony ny hazo Guayacan [2] ao amin'ny faritr'i Ekoatera [3]. Midika izany fa tonga ny lohataona, ary olona an'arivony maro no mivory hijery ny fizotran'izany fampisehoana izany.

Ny faritanin'i Loja [4] dia ahitana ala maina mihoatra ny 40.000 hekitara amin'ny manamorona ny paroasin'i Cazederos, Bolaspamba, ary Mangahurco [5] ao amin'ny distrikan'i Zapotillo miorina atsimon'i Ekoatera. Eo amin'io faritra midadasika io ianao no afa-mijery ny zava-mahatalanjona ataon'ny hazo Guayacan avy amin'ny loko mavo manify sy mora simba mandravaka ny endritany. 

Nizara lahatsarin'ireo hazo tamin'ny sehatra an-tserasera ny Minisiteran'ny Fizahantany, tamin'ny fampiasana ny diezy #GuayacanesEcE [6] sy #Mangahurco [7]:

Nosiahan'ny kaonty Twitter an'ny governemanta, @TurismoEc, ihany koa ny antontanisa mahavalalanin'ny isan'ny olona nanaraka mivantana an-dahatsary taty amin'ny aterineto ny fivoarana nataon'ny hazo Guayacan tamin'ny taona 2014:

 Manakaiky ny 23.000 ny isan'ny olona manerantany nanaraka akaiky ny #GuayacanesEC  namelana

Maro ny olona nizara sary sy naneho hevitra tamin'ny alalan'ny diezy #GuayacanesEc [6]. Ny mpisera WToledo nampîseho ny fitiavany ilay fahadihadiana momba ny Guayacan ary nisioka tamin'ilay diezy ihany koa.

Angona tena nahafinaritra @TurismoEc #GuayacanesEC @EcuadorTravel Loja-Zapotillo-Mangaurco 

Mandritra izany fotoana izany i Susana Pazmiño nizara sarim-pianakaviana avy ao Mangahurco:

 Jorge Enrique sy José Salvador tao Mangahurco nijery ny famelan'ny #GuayacanesEc 

Mpisera Twitter Pipe nilaza fa tsy hay adinoina ny fitsidihana nataony :  

Tsy hohadinoiko mandrakizay ny nahitako ny famelan'ny #GuayacanesEc #retodeldia 

Tsy voafaritra akaiky ny fanombohana sy ny fiarafaran'ny famonin'ny hazo Guayacann saingy noheverina haharitra hatramin'ny voalohany ny volana febroary izany amin'ity taona ity.

Efa manenika ny media sosialy sahady ny hafatra avy amin'ireo olona efa any an-kianja. Carlos Jumbo nanafotra ny Twitter-ny tamin'ny diezy mifanaraka amin'izany :

 [Efa tsy hita intsony ny sary]

Ny gazety an-tserasera Machala Movil nanasa ny olona hameno ny valiziny ary hitsidika ny faritra atsimon'i Ekoatera, hijery ny fiovan'endriky ny hazo.

 #Loja | Amin'ny fanombohan'ny ririnina ianareo no afa-mijery ny famonin'ny #Guayacanes. Omany ny valizinareo! #Turismo. [Fizahantany]

Afa-nandrakitra ny hatsaran'endriky ny Guayacanes tao anaty sary i Ricardo Medina ka nandefa izany an-tserasera :

Loko mamirapiratra sy hatsaran-tarehy voajanahary manambara fa tonga ny lohataona #Ecuador #Turismo 

Ao anatin'ny fandaharam-potoana omanin'ny mponina sy ny manampahefana ihany koa ireo hetsika fanampiny atolotra ny mpitsidika mba hitazatazana ny endritany ao an-toerana, ka anatin'izany ny fitarihana handehandeha an-tongotran am-bisikileta, an-tsoavaly, fitsidihana ireo hosodoko an-drindrina; foaran'ny asan-tanana, ary ny mety hambolenao na hanaovana fanohanana ny hazo Guayacan avy aminao.