- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nikatso ny Aterineto Tao RDC Nandritra ny Fihetsiketseha-Panoherana an'i Kabila, 36 no Maty

Sokajy: Afrika Mainty, R.D. Kongo, Fanoherana, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana, Voina, Zon'olombelona

Screen Shot 2015-01-25 at 2.56.29 AM

Tamin'ny 19 Janoary, nanaparitaka an-kery ireo mpanao fihetsiketsehana izay manohitra ny fanitsiana indray ny lalam-pifidianana [1]ka mampijanona an'i Joseph Kabila eo amin'ny fitondrana, ny polisy kongoley ao Kinshasa. Mpanao fihetsiketsehana 35 sy polisy 1 no maty. [2]Niharan'ny fifandonana toy izany koa ny tanànan'ny Goma izay maro no voasambotra tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana an'arivony. Te-hanitatra ankolaka ny fehim-potoana itondrany i Kabila, izay efa tokony hifarana amin'ny herintaona, amin'ny alalan'ny fanomanana fanisam-bahoaka izay haharitra telo taona mba hahavitana izany tsara. Voasakan'ny Lalampanorenana hiditra amin'ny fehim-potoana fahatelo i Kabila, saingy mihitatra ho azy izany fitondrany mandrapahavitan'ny fanisam-bahoaka. Taoriana kelin'ny hetsika, nikatso vetivety avokoa na ny aterineto na fandefasan-kafatra [3]ary nikatona tahaka izany ihany koa ny sekoly tao an-tanàna. Kilasimandry maromaro no may nandritra ny fifandonana.

Nilaza ny mpitantan-draharaha fa ilaina ny fanisam-bahoaka alohan'ny hamoahana ny lisitry ny mpifidy hanatontosana ny fifidianana filoham-pirenena sy parlemantera amin'ny taona 2016. Nanohana ny fitakian'ny mpanohitra amin'ny hanemorana ny fandaharam-potoana hanaovana ny fifidianana ny Fiangonana Katolika matanjaka dia matanjaka ao an-toerana. Efa eo am-pandinihana izany fanovàna natolotra izany ny eo anivon'ny antenimieran-doholona ankehitriny.

Ireo fikorontanana ao an-toerana raha niezaka ny hampikatso ny arabe ireo mpanao fihetsiketsehana no hasehon'ity horonantsary avy amina olom-pirenena nalain'i Kininfos tamin'ny 19 Janoary ity :

Ketraka [4]noho ireo fepetra tafahoatra noraisin'ny governemanta i Paul Nsapy, sekretera jeneralin'ny Federasiona iraisampirenena ho an'ny zon'olombelona hoan'i Afrika miorina ao Afrika.

For the most part these people were killed while they were advancing to protest. We didn't expect the government to act in the same way as a rebel group.

Ho an'ny ankamaroan'ireo olona ireo dia maty izy ireo raha nandroso hanohitra. Tsy nihevitra ny governemanta hanao tahaka ny ataon'ny vondrona mpioko izahay.

Mamintina ireo zava-nitranga nandritra ny herinandro ity horonantsary eto ambany ity:

Nanampy [5]i Ida Sawyer, mpikaroka momba ny zon'olombelona ao RDC, fa mifanohitra amin'ny zon'olombelona haneho hevitra ny famoretana tahaka izao:

Congolese security forces have fired into crowds of demonstrators with deadly results. People should be allowed to express their views and peacefully protest without the fear of being killed or arrested

Nitifitra vahoaka ny tafika Kongoley ka nahatonga fahafatesana maro. Tokony avela haneho ny heviny sy hanohitra am-pilaminana tsy misy ahiahy ho faty na hosamborina ny vahoaka.

Nilaza i Sue Valentino, mpandrindran'asa misahana an'i Afrika ao amin'ny CPJ fa fanitsakitsahana ny zo fototra mahaolona ny Kongoley [3]ny nanapahana ny serasera aterineto sy ny SMS :

By shutting down internet and messaging services and blocking websites, Congolese authorities are denying citizens their fundamental right to communicate and to receive and impart information

Amin'ny fanakatonana ny aterineto sy ny fandefasan-kafatra ary ny tranonkala, dia manosihosy ny zo fototry ny Kongoley hifandray sy hahazo ary hampiely vaovao ny manam-pahefana Kongoley.

Manazava ny antony maha-hafa ity fihetsiketsehana ity [6]ao anatin'ny bolongana Congo Siasa i Jason Stearns:

Students are now playing a much more important role than in 2011. The epicenter of the protests has been at the University of Kinshasa (UNIKIN), which has been stormed by presidential guards and police. There are over 30,000 students at the university, and hundreds of thousands of students across the country. In Bukavu, too, university students were at the forefront of demonstrations organized yesterday. In the past, the political fervor of university campuses has often been tempered when student bodies have been co-opted by political elites. This time that seems to be different.

Mitàna andraikitra lehibe kokoa noho ny tamin'ny taona 2011 amin'izao fotoana izao ireo mpianatra. Teny amin'ny oniversitén'i Kinshasa ny ivon-toeran'ny fanoherana, izay nokorontanin'ny mpiambina ny filoha sy ny  polisy. Maherin'ny 30 000 ny mpianatra ao amin'ny oniversite, ary an'hetsiny ry zareo manerana ny firenena. Any Bukavu ihany koa dia efa lohalaharaa amin'ny fihetsiketsehana ireo mpianatra oniversite omaly. Taloha, dia voatonitony ihany matetika ny hafanam-po ara-politika any amin'ny fonenan'ny oniversite satria misy ireo fikambanan'ny mpianatra mifandray tendro amin'ny vato nasondrotry ny tany ara-politika. Hafa kosa izany tamin'ity indray mitoraka ity.

Nandray ny fahefana i Joseph Kabila tamin'ny taona 2001 taorian'ny namonoana ny Rainy Laurent Kabila. Araka ny lalàna Kongoley, dia miandraikitra ny fitandroana sy fiarovana ny filaminam-bahoaka mandritra ny fihetsiketsehana ny polisy nasionaly. Afaka miantso fanampiana matetika avy amin'ny tafika ara-dalàna kongoley ny lehiben'ny polisy nasionaly raha tsy maharaka ry zareo.